Dans la mme rubrique

Tonia mpampanoa lalàna Odette Balisama “Tsy nandray kolikoly izany aho"

19/01/2018

Nanao fanambarana teny amin' ny lapan'ny fitsarana Anosy omaly ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Rtoa Razafimelisoa Odette Balisama.

Tonia mpampanoa lalàna Odette Balisama “Tsy nandray kolikoly izany aho"

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fitsarana nandray 70 000 Euros Miantso ny Bianco ny SMM

19/01/2018

Nandefa fangatahana tany amin’ny Birao mahaleotena misahana amin’ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco momba ny hanaovany fanadihadiana lalina mikasika ilay ampamoaka nataon’ilay Frantsay ho nanome volabe ny minisitry ny fitsarana, tonia mpampanoa lalàna, tale kabinetran’ny minisiteran’ny fitsarana,…

Minisitry ny fitsarana nandray 70 000 Euros Miantso ny Bianco ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Rivodoza Berguitta Nandravarava an’i Maorisy sy La Réunion

19/01/2018

Tany amin'ny 955 km Atsinanan’i Nosy Varika no nisy ny foiben’ilay rivodoza Berguitta omaly alakamisy 18 janoary tamin’ny atoandro. Nitondra rivotra 102 Km/ora izy, narahina tafiotra 144 Km/ora. Manafaingana ny diany mianatsimo andrefana izy ary mahafaka 24 Km/ora. Tsy hiditra eto Madagasikara izy fa tombanana ho amin’ny antonony kosa ny rotsak’orana hoentiny any amin’ny faritra Atsimo amin’ny faran’ny herinandro.

Rivodoza Berguitta Nandravarava an’i Maorisy sy La Réunion

Hamaky ny tohiny...

Sambo miditra eto Madagasikara Tsy tokony hanao tandrevaka isika, hoy ny manampahaizana

19/01/2018

Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara, izay voafaritra amin’ny hoe fetra an-tanety sy ana habakabaka ary an-dranomasina.

Sambo miditra eto Madagasikara Tsy tokony hanao tandrevaka isika, hoy ny manampahaizana

Hamaky ny tohiny...

Raharaha volabe 70 000 Euros Tsy mety miloa-bava ilay minisitra

18/01/2018

Niandry izay fanambarana ofisialin’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine ny rehetra manoloana ny raharaha mafana momba ilay fanambaran’ilay Frantsay Houcine Arfa nilaza fa nandoa volabe 70 000 Euros taminy ho saran’ny fanafahana azy, saingy tsy nisy izany hatramin’izao.

Raharaha volabe 70 000 Euros Tsy mety miloa-bava ilay minisitra

Hamaky ny tohiny...

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary

18/01/2018

Mitohy ny fifandonana eo anivon’ireo tantsambo mpikambana eo anivon’ny Sygmma na ny sendikan’izany eto Madagasikara tarihin’ny sekretera jeneraliny Lucien Razafindraibe an-daniny sy Basola Nomenjanahary, an-kilany.

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary

Hamaky ny tohiny...

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany

18/01/2018

Saika tsy nety niala ireo traboina sasany natoby tetsy amin’ny EPP Antandrokomby Anosizato Andrefana, indrindra fa ireo nipetraka tao amin’ny trano natokana hianaran’ny préscolaire.

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Manandona Ambohijanaka Lo vokatry ny ranon’orana avokoa ny legioma

12/01/2018

An-taoniny maro isan’andro ireo legioma miainga avy ao amin’ny kaominina Ambohijanaka entina hamatsiana ny tsenan’Andoharanofotsy sy Anosibe.

 

  Tato anatin’ny andro maromaro anefa dia nihena izany  satria lo an-toerana avokoa ny vokatra vokatry ny ranon’orana diso tafahoatra nentin’ny rivodoza AVA. Zara raha misy sisa ireo legioma vatsian’ity kaominina ity  tonga eny an-tsena.  Ny biby fiompy sisa no voky, fa tsy ny olona intsony hoy ireo tantsaha mpamokatra. Anisan’izany ny ao amin’ny fokontany Manandona izay tena malaza amin’ny fambolena karazana legioma tokoa. Tsy feno telo volana dia efa norarafan’ny  ranon’orana ka tsy azo antenaina intsony, hoy ireo tantsaha.  Nanamafy moa izy ireo fa miteraka voka-dratsy amin’ny famatsiana legioma eto an-drenivohitra sy ny manodidina izao fahapotehan’ny legioma avy ao Ambohijanaka izao, antony tsy ahitana firy izany ao amin’ny tsenan’Anosibe ary raha misy aza dia tena vidiana lafo tokoa.

Pati


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana