Dans la mme rubrique

Angletera sy Frantsa Manamafy fiaraha-miasa

19/01/2018

Nitsidika an’i Angletera omaly alakamisy i Emmanuel Macron hiatrika ny fihaonamben’ny fifandraisana eo amin’ny Frantsay sy i Britanika miaraka amin'ny praiminisitra Theresa May.

Angletera sy Frantsa Manamafy fiaraha-miasa

Hamaky ny tohiny...

Arabia Saodita Nanome 2 miliara dolara ny Banky foiben’i Yemen

18/01/2018

Noho ny antso avo nataon’ny filoham-pirenena sy praiminisitra Yemenita ary ny fitotonganan’ny vola riyal any Yemen dia nandrotsaka vola mitentina 2 miliara dolara mahery ao amin’ny Banky foiben’i Yemen ny fanjakana Saodianina. Natao izao fanapahan-kevitra izao noho ny fanohizana ny fanohanan'ny fanjakana Saodianina ireo vahoaka Yemenita, hoy ny fanambarana ofisialy nivoaka tany Riyadh

Arabia Saodita Nanome 2 miliara dolara ny Banky foiben’i Yemen

Hamaky ny tohiny...

Tiorkia Voasazy mafy ireo mpamono mpitsoa-ponenana

17/01/2018

Lehilahy 2 Tiorka namono mpitsoa-ponenana avy any Syria no voaheloky ny fitsarana any Sakaraya, any avaratra andrefan’i Tiorka higadra mandrapahafaty. Ireto lehilahy ireto moa dia nanolana ramatoa 1 izay niaraka tamin’ny zanany vao 10 volana. Rehefa vita ny nataony dia novonoiny izy mianaka. I Tiorka moa dia anisan’ireo firenena mandray mpitsoa-ponenana maherin’ny 3 tapitrisa avy any Siria

Tiorkia Voasazy mafy ireo mpamono mpitsoa-ponenana

Hamaky ny tohiny...

The Cranberries Nodimandry i Dolores O’Riordan

16/01/2018

Nodimandry omaly tany Londres , teo amin’ny faha 46 i Dolores O'Riordan, mpamoron-kira sady mpihira ao anatin’ilay tarika Irlandais The Cranberries, izay tena nanana ny lazany tokoa maneran-tany tamin’ny taona ’90.

The Cranberries Nodimandry i Dolores O’Riordan

Hamaky ny tohiny...

Angovo nokleary Hiara-kiasa i Frantsa sy Sina

10/01/2018

Nanao sonia fifanarahana i Frantsa sy Sina ny talata teo ny amin’ny fananganan’ny orinasa Areva foibe famokarana angovo nokleary ao Sina, nandritra ny fitsidihan’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tany Pekin. Mety hananosarotra ny orinasa Areva ny fananganana azy ity. Mety hahatratra 10 lavitrisa euro ny sarany.

Angovo nokleary Hiara-kiasa i Frantsa sy Sina

Hamaky ny tohiny...

VAOVAO AVY ANY IVELANY

09/01/2018

Syria Olona 30 mahery matin’ny daroka baomba

VAOVAO AVY ANY IVELANY

Hamaky ny tohiny...

05/01/2018

Hamaky ny tohiny...


Any Ivelany

Orinasa Samsung Nisy nitory

12/01/2018

Ny vondrona tsy miankina amin’ny fanjakana Sherpa sy Peuples solidaires dia nanambara ny alakamisy teo fa nametraka fitoriana any amin’ny fitsarana any Paris ho an’ny orinasa Koreana tatsimo Samsung izay mpikirakira ireo fitaovana elektronika toy ny telefonina.

 Ity fitoriana ity dia mahakasika  ny tsy fanajana ny zo fototry ny mpiasa sy ireo fepetra amin'ny asa ao amin'ny orinasa Samsung any Shina sy Korea Atsimo.

Pékin – Sina

Efa miha madio ny rivotra

Raha ny fanambaran’ny Greenpeace omaly dia nahitana fahatsarany ny fahadiovan’ny rivotra ao amin’ny faritr’i Pekin tamin’ny taona lasa iny saingy mbola sarotra ho an’i Sina manontolo ny hiady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana noho ny mbola hampiasan’ireo olona any amin’ny faritra hafa ivelan’i Pekin arina fandrehitra entina hanafanana ao an-trano, kanefa ny setroka avoakan’ireo no tena anisan’ny fototra mampaloto ny rivotra iainana.

Emmanuel Macron

Ankafizin’ny 44%-n’ny Frantsay

Araka ny fanadihadiana nataon’ny Kantar Sofres-OnePoint nivoaka tamin’ny gazety boky iray Le Figaro omaly Alakamisy, dia  nahitana fahatsarana ny fitokisan’ny vahoaka Frantsay an’i Emmanuel Macron izay manana isa 44% sy i Edouard Philippe manana isa 42% ho an'ny volana 2 nifanesy. Ireo mpitantana ireto dia efa nahazo ny isa ambany indrindra tamin’ny volana novambra, i Emmanuel Macron dia 39% ny isany ary i Edouard Philippe nanana 36%.

Malaysia Airlines MH 370

Averina indray ny fikarohana azy

Taorian’ny fandehanan’ny sambo iray hanao fikarohana ny talata teo dia nanatanteraka fanaovan-tsonia tamina orinasa tsy miankina Amerikanina Ocean Infinity ny fitondrana Malezianina ho famerenana ny fikarohana ilay fiaramanidina Malaysia Airlines MH 370 izay nanjavona niaraka tamina mpandeha miisa 329, tamin’ny 4 taona lasa. Ity orinasa Amerikanina ity dia anisan’ireo havanana amin’ny fikarohana an-dranomasina, ka hanomboka izany fikarohana izany any amin’ny tapaky ny volana janoary.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana