Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170102

Misongadina

Zafy Albert sy Marc Ravalomanana Ao tsara ny fifandraisana

02/01/2017

Tonga namangy ny zokiny indrindra amin'ireo filoha teo aloha Zafy Albert tany an-tranony ny 31 desambra 2016 lasa teo ny filoha Teo aloha Ravalomanana Marc

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ankolafy TIM Boriborintany faha-6 Mifanohana aminny fijerena ny vahoaka

02/01/2017

Mifanohana tanteraka ireo ankolafy TIM isan-tsokajiny eny aminny Boriborintany faha-6 aminny fijerena ny sosialim-bahoaka eny aminity faritra ity.

Hamaky ny tohiny...

Lalm-pifidianana vaovao 3 volana ny famolavolana azy

02/01/2017

Tsy ireo mpisehatra Malagasy irery no nandroso soso-kevitra fanitsiana ny lalm-pifidianana eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Rasoanoromalala Horace Hanohy hatrany ny asa fanasoavana anAmbohimanarina

02/01/2017

Nameno ny fandaharam-potoananny solombavambahoakani Madagasikara Rasoanoromalala Horace nandritra ny asaramanitry ny Noely sy faranny taona 2016 ny fitsinjovana manokana ireo mpiara-belona monina ao anatinny boriboritany faha-6.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonari..mampiesona !

02/01/2017

Maivana.Izay no azo amintinana ny kabarinny filoha Hery Rajaonarimampianina ny takarivanny sabotsy 31 desambra 2016 lasa teo

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ampitatafika Taom-pahombiazana ny 2016

02/01/2017

Taom-pahombiazana tanteraka ny taona 2016 ho anny kaominina Ampitatafika. Raha araka ny fanazavanny Benny tanna Rado Ramparaoelina mantsy dia saika tanteraka tamininy taona nivalona iny avokoa ny 50%-nny fampanantenana nataony taminny vahoaka nandritra ny propagandiny.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ambarao mazava

02/01/2017

Arahabaina ianao jean mbola nahatratra soamantsara ny 2017 a ! taiza ianareo no nifety izao, teto an-tanna ihany ve sa naka rivo-dranomasina kely any aminilay hotelinao raitra dia raitra.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Taona 2017 Ho avy masiaka ireo mpiaro faritra arovana

02/01/2017

Mirongatra be ny fahapotehanny tontolo iainana eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Vokatry ny orinasa TIKO AAA Manomboka mitobaka ao Antsirabe

02/01/2017

Raha Antananarivo no nitobahanny entana novokarinny Orinasa AAA Tiko teo am-bolohany dia efa manomboka azo jifaina sy mitobaka any Antsirabe ihany koa izany izao, indrindra fa nialoha ny fetinny faranny taona iny.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Fanalamanga Tsy lasanny Sinoa izany

02/01/2017

Nandeha be ny feo tato ho ato fa lasanny Sinoa tanteraka ny orinasa Fanalamanga ao Antsirinala Moramanga. Nitondra fanazavana mifandraika aminizany ny tale jeneraliny Rakotonirina Augustin ka nambarany taminizany fa mpiara-miasa aminny orinasa tantanany fotsiny ireo Sinoa ireo fa tsy tomponny fanalamanga akory.

Hamaky ny tohiny...

Jiro sy rano tapa-dava Porofo ny fanjakazakanny vahiny ,hoy James Ratsima

02/01/2017

Mbola nisy ihany ny delestazy taminity herinandro nivalona iny na dia tafiditra tao anatinny fety aza. Ora iray isaky ny faritra iray no niainana izany raha kely indrindra ankoatra ny afaka omaly faranny taona sy omaly Alahady taom-baovao.

Hamaky ny tohiny...

Fanontana Alimanaka Nihena hatrany aminny 59%

02/01/2017

Manodidina ny 500 ariary hatraminny 2 alina ariary ny fanontana ny alimanaka iray aminizao fotoana izao. Samy mampanao azy io avokoa moa na olon-tsotra, na fianakaviana fa indrindra indrindra ny orinasa

Hamaky ny tohiny...

Finoana

FJKM Ambodihady vaovao Nifarana ny fankalazana ny Noely

02/01/2017

Tapitra ny zoma teo, taminny fiseharanireo kilonga madinika tao am-piangonana , ny fankalazana ny Noely tao aminny fiangonana FJKM Ambodihady Vaovao

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ho avy ny fanovana

02/01/2017

Resaka fanovana mpikambana ao anatinny governemanta indray izao no vaovao mahoraka aminizao taona vaovao izao, re fa efa eo am-panomanana tanteraka ny fifidianana izay mety ho tanterahana aminny 2019 fa tsy 2018 ny HVM ka mitady izay tena ekipa

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana