Fil d'actualités du 22/11/2017

  • 22/11/2017 - 17:00 : TARANJA TSIPY KANETIBE: Fanatanjahantena Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny dingana manaraka eo amin’ny « Mini masters », taranja tsipy kanetibe intsony Pitr noho izy nikasi-tanana mpijery teny amin’ny Boulodrome-n’ny Paddock Mahamasina. Marihina fa hifarana ny 29 desambra izao ity fifaninanana ity.

  • 22/11/2017 - 16:00 : ZAVA-KANTO SY LOTERATIORA: Lohahevitra miisa enina no holalininina mandritry ny kaoferansa momba ny teny 2017 hotanterahina eny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny sabotsy 25 novambra izao, ka isan’izany ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana, hataon’I aja, teknika sy torohevitra amin’ny fomba fanoratana tononkira,…

  • 22/11/2017 - 15:30 : MARC RAVALOMANANA: Nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc teto Faravohitra io tolakandro io ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Afrikana, Andriamatoa Ramtane Lamamra niaraka tamin’ny Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana, ka isan'ny noresahina ny momba ny fifidianana amin’ny taona ho avy.

  • 22/11/2017 - 15:00 : IRAISAM-PIRENENA: Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay mpitari-tafika ny foko Serbe tany Bosnie, dia ny Jeneraly Ratko Mladic nohenjehina noho ny fandripahana olona faobe tany Yogoslavie taloha, araka ny fitsarana natao tany Lahye tamin'ny alalan'ny TPIY (Tribonaly Iraisam-pirenena mikasika ny raharaha tany Yogoslavie)

  • 22/11/2017 - 14:30 : BEKODOKA BESALAMPY: Sarety sy omby nilatsaka tany anaty hatsana 60 metatra latsaka kely, ka maty tsy tra-drano ny olona iray sy ny omby iray. Vehivavy iray kosa tapaka tongotra aman-tanana, ary naratra ihany koa ny omby iray. Tsy naninona kosa ny zazakely iray.

  • 22/11/2017 - 14:00 : ZAZA KAMBAN-TELO MATY RENY: Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany namakia, distrikan'i Mitsinjo. Naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana.

  • 22/11/2017 - 13:45 : ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANAN-DEHIBE: Hankalazaina ny 24 novambra ho avy izao eny amin’ny Tanana Voara Andohatapenaka ny JMJ na “Journée Mondiales des Villes” andiany voalohany, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana.

  • 22/11/2017 - 13:15 : ANDRIAMENA TSARATANANA: Olona 1 maty voatifitry ny dahalo androany maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Trano 4 nodaran'izy ireo, ary lasa ihany koa ny omby 80. Zaza iray natao takalon'aina, ary olona roa naratra voatifitra.

  • 22/11/2017 - 13:00 : RN6 -FAHATAPAHANA: Misy fahatapahana ny lalàna mihazo an'Ambilobe PK15 mampitohy an'Ambilobe sy Diego noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana. Ny Orinasa Eiffage no manamboatra azy io amin'izao fotoana izao.

  • 22/11/2017 - 12:45 : MANANJARY: Mitaky ny hanalana ao anatin'ny faritra Vatovavy Vitovinany, ka hanaovana an'i Mananjary ho faritra manokana sy mahaleo tena ireo terak'i Mananjary amin'ny alalan'ny Fikambanana MARAMI.

Voir plus d'infos...

22/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170103

Misongadina

Marc Ravalomanana Hanarina ny firenena isika

03/01/2017

Efa manana ny ampy aho ary mahalala ononany hanampiana ny Malagasy no antony namerenana indray ny Tiko AAA

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpikambana ao aminny governemanta Nirary soa ny praiminisitra

03/01/2017

Sady fiverenana indray aminny asa aman-draharaha taorianny fialan-tsasatra no natokanny governemanta iarahabana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ny omaly alatsinainy

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Misy ny minisitra tezitra aminy

03/01/2017

Andrasana fatratra izay ho ventinny kabarinny filoham-pirenena ny zoma 6 janoary ho avy izao eny Iavoloha mandritra ilay lanonana fifampiarahabanny andrim-panjakana sy ny masoivoho eto amintsika

Hamaky ny tohiny...

Jean Nirina HAFARI Tsy maty izany aho

03/01/2017

Niely be taminny tambajotran-tserasera facebook andro vitsivitsy lasa izay fa namoy ny ainy teny aminny fonjabenAntanimora ny sabotsy 31 desambra lasa teo tokony ho taminny 12 ora atoandro ny filoha nasionalinny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Moramora e..

03/01/2017

Miarahaba anao ry jean a !mbola tsy tara kosa angamba raha mirary soa noho ny taom-baovao e.Ary tsy dia hita sy re firy intsony ianao tato ho ato izay ry jean a

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Toetrandro Mbola hitohy ny orana

03/01/2017

Tena nijojo ny orana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy omaly ary maro ny faritra dibo-drano ;

Hamaky ny tohiny...

Fako vita fety Henjana ny asa miandry ny kaominina

03/01/2017

Henjakenjana ny asa fanadiovana miandry ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) nanomboka omaly aminny fanalana ireo fako eto an-drenivohitra

Hamaky ny tohiny...

Lozam-piarakodia RN 7 5 indray no namoy ny ainy

03/01/2017

Fiara telo be izao no nifandona tany aminny lalampirenena faha 7 teo Ilempona omaly tokony ho taminny 4 ora sy sasany tolakandro

Hamaky ny tohiny...

Taona vaovao 2017 Tokony haompanny fitondrana aminny fampandrosoana

03/01/2017

Tokony haompanny fitondrana aminny resaka fampandrosoana tanteraka ity taona vaovao 2017 ity, hoy ny depiote Raherisoa Vololona voafidy teny aminny Boriborintany faha-6 eto Iarivo

Hamaky ny tohiny...

Cit Haras Toamasina Trano 50 may kila, olona 300 tsy manan-kialofana

03/01/2017

Nitrangana haintrano indray tao aminny Cit Haras bazary may Toamasina ny alinny alatsinainy hifoha talata teo tokony taminny 11ora sy sasany ; fantatra fa labozia tao aminny efitranona tovolahy iray mamo no niainganny afo.

Hamaky ny tohiny...

Ocean Dream Mitondra mpizahantany 1350 ao Tolagnaro

03/01/2017

Tonga ao Tolagnaro ny sambo goavambe Ocean Dream izay mitondra mpizahantany 1350 raha toa ka 388 olona kosa no mandrafitra ny ekipazy

Hamaky ny tohiny...

Nandritra ny fety Olona 7 namono tena, 15 toranny toaka

03/01/2017

Olona telo no namoy ny ainy tetsy aminny hpitaly HJRA nandritra ny fety.

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana nandritra ny fety Olona folo indray no nitsikianny vintana

03/01/2017

Olona miisa folo indray no notoloranny Airtel fanomezana ny faranny taona teo tao anatinilay hetsika tanteraka ny nofiko nanomezanizy ireo loka ho anireo tsara vintana.

Hamaky ny tohiny...

Tolagnaro ambony vohitra Mahasarika tanora maro ireo sekta

03/01/2017

Isam- pokontany dia ahitana fiangonana zandriny roa farafahakeliny. Ireo tanora sy ireo nidonam-pahoriana taminny fiainana no hita fa mirona amin'izy ireny rah any ao Tolagnaro no resahana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ndao hivoatra

03/01/2017

Tsy re tsaika lasa, tsy re feo tongamaro taminireo manampahefana ambony Malagasy no efa manana fahazarana miala sasatra any ivelani Madagasikara rehefa tonga ny krismasy na ny taom-baovao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana