Fil d'actualités du 28/07/2017

  • 28/07/2017 - 15:00 : Mamy Rakotoarivelo: Nentina eny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha hanaovana "Autopsie" ny vatana mangatsiakan'ity Minisitra, Filohan'ny antenimieram-pirenena, Filohan'ny Kongresin'ny Tetezamita teo aloha ity amin'izao fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 14:00 : Antsalovana Antohomadinika _Trano noravana: Tranohazo miisa 46 no noravana teny Antsalovana Antohomadinika omaly vao mangiran-dratsy. Efa tamin’ny 2009 no nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ireo nipetraka teo, ary efa tamin’izany no nanatsatohana baorina sy nisian’ny fifandaminana fa tsy tokony kitihina ireo trano noho ny lafiny maha olona, saingy izao narodana izao ihany.

  • 28/07/2017 - 13:25 : Vaovao mafana: _Namono tena i Mamy Rakotoarivelo: Maty nitifi-tena teo amin'ny lohany androany jolay i Mamy Rakotoarivelo, mpanao politika, Filohan'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha. Nialoha izao dia nandefa hafatra sy nanazava ny olany maro samihafa: ara-pianakaviana, ara-bola,...tao amin'ny kaonty "facebook" izy omaly. Efa miantrana eny amin'ny tranony eny Ankadifotsy ny mpitandro filaminana amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 13:00 : Tsihombe _Tranga hafa kely: Mpiadina bakalorea iray no teraka nandritra ny fiatrehana ny laza adina Frantsay omaly. Tamin’ny 8 ora maraina no nihetsi-jaza izy. Tsy maintsy nokarakaraina, ka nentina tany amin’ny toeram-piterahana, ka Tsihombe ary teraka lahikely. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreny, ka Lauréat Célestin no natao anarany, ka avy amin’ny hoe Bakalorea ilay hoe “Lauréat” ary ilay Célestin dia nalaina tamin’ny lehiben’ny fiambenanana ny fanadianana, dia ramatoa antsoina hoe Célestine.

  • 28/07/2017 - 12:30 : Amborihala Andapa _Trangam-piarahamonina: Tovolahy iray vao 25 taona no maty tsy tra-drano tany Amborihala, distrikan’Andapa, faritra Sava no maty tsy tra-drano nandritra savorovoro tao anaty alim-pandihizana halina. Ahiana ny ny savorovoro sy ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao satria tsy manaiky ny fianakaviany sy mpiray tanàna aminy. Efa miantrana ihany koa ny mpitandro filaminana.

  • 28/07/2017 - 12:00 : Farafangana _Raharaha famonoana ampanjaka : Misy andian’olona mitady hanelanelana amin’ny fanafahana vonjimaika ireo 12 voapanga tamin’ny famonoana ny ampajaka Tata Philbert, ary mitady hanao fitadiavam-bola izany. Mampitandrina ireo mikendry hamoaka ireo vaoarohirohy ireo kosa i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny foko Zafisoro.

  • 28/07/2017 - 11:30 : Finoana katolika : Amin’ny alatsinainy 31 jolay no hatao ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Monsenera Jean-Pierre-Dominique Zevaco, Evekan’ny diosezin’i Tolagnaro teo aloha, izay nodimandry teo amin’ny faha 92 taonany ny talata 25 jolay teo. Ho tonga any Tolagnaro ny alahady izao ny vatana mangatsiakany ary halevina ao amin’ny katedraly ao an-toerana ny ampitso aorian’ny sorona masina lehibe.

  • 28/07/2017 - 11:00 : Faritra Analamanga _Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Nahatratara hatrany amin'ny 90 no maty an-dalambe vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an'ny taona 2016, izay nihoatra lavitra noho ireo maty noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany dia nanolotra "motos" miisa 7 ho an'ny mpitandro filaminana ny faritra Analamanga mba ho fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalàm-pirenena.

  • 28/07/2017 - 10:30 : Antanetibe Ivato _Lozam-pifamoivoizana: 1 maty ary 7 no naratra mafy, raha ny vaovao farany mikasika ilay loza mahatsiravina niseho halina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Fiara marika Peugeot 308 nentina mpamily mamo no voalaza fa fototry ny loza.

  • 28/07/2017 - 10:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Tsy eny am-ponja intsony ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany naiditra am-ponja vonjimaika. Fianakavian'ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy io raha ny vaovao mivoaka amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

28/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170104

Misongadina

Fanovana Governemanta Minisitra 20 mihozongozona seza

04/01/2017

Alefa miandalana fa tsy tonga dia ho faobe ny fanoloana ny mpikambana ao anatinny governemanta Solonandrasana Mahafaly raha ny resaka re farany

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimierandoholona Vahiny voalohany nitsidika ny Frantsay

04/01/2017

Asa avy hatrany no nisantaranny FIlohanny Antenimierandoholona Rakotomanana Honor ity taona 2O17. Nandray ny Senatera frantsay Oliver Cadic sy ny Ambasadaoro Frantsay miasa sy monina eto amintsika Ramatoa Vronique Vouland izy omaly talata 3 janoary maraina tetsy aminny lapanAnosikely.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel Ilaina ny fitantanana mangarahara

04/01/2017

Tokony ho vaindohan-drahara hataon'ny fitondram-panjakana mitondra ny firenena amin'izao fotoana izao,

Hamaky ny tohiny...

Me Hanitra Razafimanantsoa Mila fifanatonana ny Malagasy

04/01/2017

Noho izao fahatratrarana ny taona vaovao 2017 izao dia faly miarahaba ny vahoaka Malagasy tsivakivolo ny tenako amin'ny maha-sololmbavambahoakan'i Madagasikara ahy sy maha-filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritananin'Antananarivo manokana ihany koa, hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa avy amin'ny antoko TIM.

Hamaky ny tohiny...

Lapam-panjakana Iavoloha Ho avy eny i Dada

04/01/2017

Hotontosaina ny 6 janoary 2017 eny aminny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona vaovao eo aminireo andrimpanjakana Malagasy miaraka aminny solontenanireo firenena manana masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Tandremo sao mijoboka e

04/01/2017

Miarahaba anao jean a !Asa ry jean na ilay taratasy farany nalefako tany aminao no nahatezitra anao na ilay andro mafana fa toa hoe kizitina be mihitsy hono ianao taminity taom-baovao ity ary tsy dia hita matetika anaty birao a ! Sa tena mbola makafoka be ..

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Air Madagascar Hahazo ATR roa indray

04/01/2017

Hiroso aminny fanofana fiaramanidina roa vaovao dia ATR 72-500 sy ATR 72- 212 ny Air Madagasikara ary efa nanaiky ny hamoahanny minisiteranny vola ny antoka momba izany ny filankevitry ny governemanta notanterahana omaly teny Mahazoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana tao Ilempona Tafiakatra 7 no maty

04/01/2017

Tafiakata ho 7 no maty vokatrilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ny alatsinainy hariva tao Ilempona

Hamaky ny tohiny...

Mpitsoka mozika mitety tanna Mahazo 10.000 Ar isanandro ny olona iray

04/01/2017

Mpitsoka mozika mitety tanna Mahazo 10.000 Ar isanandro ny olona iray

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-jiolahy nahery vaika Tovolahy 19 taona maty voatifitra, 3 tapitrisa Ar voaroba

04/01/2017

Noho ny tahotry ny vavam-basy dia tsy nisy sahy namonjy sy nanavotra ny niharam-boina ireo mpiara-monina teo an-tanna, ka niliba tamin'ny asa ratsiny ireo jiolahy.

Hamaky ny tohiny...

Vono olona feno habibiana Lehilahy iray maty notsatotsatohana antsy

04/01/2017

Hatairana ny an'ireo mponina tao Mangarivotra-Mahajanga raha nahita raim-pianakaviana iray efa nitsirara, nihosin-dra sady tsy nisy aina intsony

Hamaky ny tohiny...

Edito

Sao ho diso fanantenana e !

04/01/2017

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana