Fil d'actualités du 21/09/2017

  • 21/09/2017 - 10:43 : Lalampanorenana:anisan'ireo tsy mankasitraka ny hikitihana ny lalampanorenana ny praiminisitra tamin'ny tetezamita Atoa Jean Omer Beriziky izay namoaka fanambarana ofisialy niaraka tamina vondrona mpanao politika ahitana an-dry Hajo Andrianainarivelo sy Hery Raharisaina.Ny fifidianana filohampirenena amin'ny 2018 no laharampahamehana aminy.

  • 21/09/2017 - 10:40 : Omavet:andalam-panavaozana ny fitaovana ao aminy ny Omavet eny Ampasampito ankehitriny.Ho vita afaka efa-bolana ny asa ary ny volana janoary 2018 no hiasa amin'izay ity ivotoeram-pitsirihana sy fanamboarana fiara maoderna ity.

  • 21/09/2017 - 10:25 : Zandarimariam-pirenena:tsy isafidianana galona ny fanasaziana ireo zandary mandika lalàna hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.Voasazy avy hatrany ireo voaporofo fa nanao ny tsy mety ka 25 izao ireo zandary nampidirina am-ponja tamin'ity taona ity.

  • 21/09/2017 - 09:20 : Pesta:azo ambara fa efa voafehy ny aretina pesta eto amintsika amin'izao fotoana noho ny fandraisan'andraikitra nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana hoy ny minisitry ny fahasalamana omaly.Arahamaso manokana ireto faritra nisian'ireo olona maty na nararin'ny pesta, mandeha ihany koa ny fanadiovana tanteraka ireo faritra tena maloto eto an-drenivohitra mba isorohana ny mety ho fihanaky ny pesta.

  • 21/09/2017 - 09:05 : RN7:efa miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizan'ny fiara ao Vohiposa amin'ny lalampirenena faha-7.Tsy maintsy miainga aloha anefa ireo taksibrosy amin'izay tsy mandalo maizina eo amin'ilay "déviation".Amin'ny 1 ora atoandro ohatra no miainga ireo taksibrosy eny amin'ny fasan'ny karana raha tamin'ny 3 ora tolakandro izany teo aloha.

  • 21/09/2017 - 08:55 : FTAR:manizingizina Rtoa Clémence Raharinirina fa tsy hifampidinika amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra izany ny mpamily taxi ary tsy eken'izy ireo hatramin'ny farany ny famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.

  • 21/09/2017 - 08:45 : Taxi-ville:hisy ny fifampiresahana eo amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra sy ireo mpamily taxi ny sabotsy ho avy izao.Hifampiresahana izay zavatra mbola tsy mazava ary inoanay fa hiravona ny olana momba ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet Ampasampito,hoy i Julien Andriamorasata lefitra faharoan'ny ben'ny tanàna.

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

Voir plus d'infos...

21/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170105

Misongadina

Lalao Ravalomanana Hiasa miaraka amin'ny rehetra isika

05/01/2017

Niarahaba ny Benny tannanny kaominina Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana nahatratra ny taona vaovao 2017 ny filan-kevitra monisipaly sy ny ao aminny kabinetranny Benny tanna omaly

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpitondra sy mpanao politika Manao taon-dasa tsy tsaroana

05/01/2017

Naka lesona taminny fanonganam-panjakana ny taona 2009 lasa tetezamitatra hatraminny taona 2013 ny fiaraha-monina Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Taorianny Karana sy ny Sinoa Hanao afera eto koa ny Tiorka

05/01/2017

Efa tena tsy misy atokona intsony mihitsy ve i Madagasikara ka tsy miasa saina firy intsony ny mpitondra fa izay rehetra milaza fa manam-bola dia iaraha-miasa daholo na inona na inona mety ho takalonizany vola be izany.mampieritreritra ny fandrenesana fa ho avy eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina Nampitandrina ireo fonksionera kamo miasa

05/01/2017

Farafangana no faritra voalohany notsidihanny filoha Hery Rajaonarimampianina taminity taona 2017 ity.Tany an-toerana izy omaly ary nahazo ny tso-drano sy ny fanohananireo Ampanjaka avy aminny faritra Vatovavy Fitovinany sy ny faritra Atsimo atsinanana

Hamaky ny tohiny...

Randriamamiarizafy Ignace Aoka hifanaja ny mpitondra sy ny mpanohitra

05/01/2017

Fotokevitra hijoroako ary hoentiko mamakivaky ity taona vaovao 2017 manotolo ity, hoy Atoa Randriamamiarizafy Ignace mpikambana fahiny tao amin'ny Kongresin'ny Tetezamita avy amin'ny ankolafy Ravalomanana, ny hoe :

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Anosizato Andrefana Hijery manokana ny resaka fananantany

05/01/2017

Olana iray sendrainny kaominina Anosizato Andrefana aminizao fotoana izao ny faharovitanny boky momba ny tany eo anivonny sampandraharahanny fananantany ka tsy hahafahanny ankamaroanny mponina maka certificat juridique rehefa misy taratasy karakaraina raha araka ny fanazavanny Benny tanna Andriambololona Laurence.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Sady jamba no marenina ve e ?

05/01/2017

Miarahaba jean .Tena tsy fombako ry jean ny hoe mihinana amam-bolony aminizay resaka reko etsy sy eroa isanandro ka izany no antony hanoratako matetika aty aminao e

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Minisiteranny fanabeazana Hanaramaso akaiky mpampianatra matoatoa

05/01/2017

Hiompana aminny fitsirihana manokana irony antsoina hoe mpiasa matoatoa irony ny tetikasanny minisiteranny fanabeazam-pirenena aminity taona ity, raha ny fanazavanny minisitra Paul Rabary, tetsy aminny biraony tetsy Ampefiloha omaly.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Tsy tannanny pesta intsony

05/01/2017

Nahatsiaro manokana ireo zokiolona sy fianakaviana sahirana ara-pivelomana omaly ny fiadidiana ny kaominina ambanivohitra Ivato tarihanny benny tanna Randrianarisoa Penjy.

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifampivoizana etsy sy eroa Ny toe-tsainny mpamily mihitsy no mila miova

05/01/2017

Nifanesisesy sahady tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana na dia vao miandoha aza ny taona.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Vondrom-pinoana AMCM Nihaona tamini Honore Rakotomanana

05/01/2017

Tonga nitsidika ny Filohanny Antenimierandoholona tetsy Anosikely, omaly maraina, ny vondrom-pikambanana ara-pinoana AMCM na ny Amical des Musulmans et Chretiens de Madagascar izay tarihin Andriamatoa isany Hamada Chanfi, ho anny Silamo sy Rabeson Rafaralahibe kosa ho anny Krisitiana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hiray latabatra fa tsy hiray saina?

05/01/2017

Nivalona tanteraka ny fetinny asaramanitra niraisanny sarambabem-bahoaka ary miverina tsikelikely aminny fiainana andavanandro ny isan-tokantrano. Ankoatra ny fety niraisanny rehetra anefa,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana