Fil d'actualités du 21/09/2017

  • 21/09/2017 - 10:43 : Lalampanorenana:anisan'ireo tsy mankasitraka ny hikitihana ny lalampanorenana ny praiminisitra tamin'ny tetezamita Atoa Jean Omer Beriziky izay namoaka fanambarana ofisialy niaraka tamina vondrona mpanao politika ahitana an-dry Hajo Andrianainarivelo sy Hery Raharisaina.Ny fifidianana filohampirenena amin'ny 2018 no laharampahamehana aminy.

  • 21/09/2017 - 10:40 : Omavet:andalam-panavaozana ny fitaovana ao aminy ny Omavet eny Ampasampito ankehitriny.Ho vita afaka efa-bolana ny asa ary ny volana janoary 2018 no hiasa amin'izay ity ivotoeram-pitsirihana sy fanamboarana fiara maoderna ity.

  • 21/09/2017 - 10:25 : Zandarimariam-pirenena:tsy isafidianana galona ny fanasaziana ireo zandary mandika lalàna hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.Voasazy avy hatrany ireo voaporofo fa nanao ny tsy mety ka 25 izao ireo zandary nampidirina am-ponja tamin'ity taona ity.

  • 21/09/2017 - 09:20 : Pesta:azo ambara fa efa voafehy ny aretina pesta eto amintsika amin'izao fotoana noho ny fandraisan'andraikitra nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana hoy ny minisitry ny fahasalamana omaly.Arahamaso manokana ireto faritra nisian'ireo olona maty na nararin'ny pesta, mandeha ihany koa ny fanadiovana tanteraka ireo faritra tena maloto eto an-drenivohitra mba isorohana ny mety ho fihanaky ny pesta.

  • 21/09/2017 - 09:05 : RN7:efa miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizan'ny fiara ao Vohiposa amin'ny lalampirenena faha-7.Tsy maintsy miainga aloha anefa ireo taksibrosy amin'izay tsy mandalo maizina eo amin'ilay "déviation".Amin'ny 1 ora atoandro ohatra no miainga ireo taksibrosy eny amin'ny fasan'ny karana raha tamin'ny 3 ora tolakandro izany teo aloha.

  • 21/09/2017 - 08:55 : FTAR:manizingizina Rtoa Clémence Raharinirina fa tsy hifampidinika amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra izany ny mpamily taxi ary tsy eken'izy ireo hatramin'ny farany ny famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.

  • 21/09/2017 - 08:45 : Taxi-ville:hisy ny fifampiresahana eo amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra sy ireo mpamily taxi ny sabotsy ho avy izao.Hifampiresahana izay zavatra mbola tsy mazava ary inoanay fa hiravona ny olana momba ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet Ampasampito,hoy i Julien Andriamorasata lefitra faharoan'ny ben'ny tanàna.

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170109

Misongadina

Madagasikara Ahiana ho lasanny Sinoa

09/01/2017

Mivahiny eto Madagasikara nanomboka ny sabotsy 7 janoary 2017 lasa teo ny minisitry ny raharaham-bahiny Sinoa Wang Yi.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajaonah Andrianjaka Tsy azo antenaina intsony ny fitondrana HVM

09/01/2017

Raha ny fanazavana nomenny filohanny antoko politika Otrikafo, Rajaonah Andrianjaka,

Hamaky ny tohiny...

Fanovana governemanta Roland Ratsiraka no voalohany ?

09/01/2017

Misoko miadana ny kajikajy isan-karazany aminny fifidianana aminny taona 2018. Mivoaka tsikelikely ny resaka aminny ho firotsahani Roland Ratsiraka,

Hamaky ny tohiny...

Razanamahasoa Christine Kabary volan-kakafotra ny anny filoha

09/01/2017

Tsy mbola mitsahatra mihitsy hatreto ny aminny fanehoan-kevitra samihafa taorianny kabary nataonny filohanny Repoblika Hery Rajaonarimampianina farany teo teny Iavoloha taminny zoma 6 janoary 2017 lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Latsaka mbaminny.!

09/01/2017

Manao ahoana ry Jean a ! Ahoana indray izany sinemanareo mianakavy nikoropaka izany fa hoe maro ny handao ny seza amam-boninahitra atsy ho atsy ity e ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

BUCAS Antanimena Hampirisika aminny asa famokarana

09/01/2017

Zina ny taona 2016 lasa teo ho anny birao mpandrindra ny asa sosialy eto Antananarivo na ny BUCAS satria dia tratra ny tanjona, hoy ireo tomponandraikitra ary mihoatra izay novinavinaina aza.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana Hiverina an-tsekoly indray ny mpianatra

09/01/2017

Vita hatreo ny fialantsasatry ny Noely. Hisantatra ny telo volana faharoa indray ny ankamaroanny mpianatra manomboka anio, indrindra ny aminny sekolim-panjakana. Hiditra aminny tena votoatinny fianarana aminizay ny mpianatra manomboka eto.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Voafehy ny fahadiovanny tanna

09/01/2017

Niova tokoa Antananarivo. Manana mpitantana tena tomponandraikitra. Isan-taona toy izao dia miakatra ny feo, ary saika lohatenin-gazety isanandro ny fako mivangongo etsy sy eroa ary koa ny fofona aterany

Hamaky ny tohiny...

Minisiteranny mponina Tokantrano ana hetsiny misitraka Vatsinankohonana

09/01/2017

Taorianny fahataperanny taom-piasana 2016, dia misy ny tombanny asa vita ho anny minisiteranny mponina, izay tarihinny minisitra Onitiana Really.

Hamaky ny tohiny...

Retirety eo aminny faha-65 taona Miteraka adihevitra be

09/01/2017

Mikorontana ny sainireo mpiasam-panjakana am-perinasa taorianny fanambaranny minisitry ny Fitantanana sy Tetibola Rakotoarimanana Gervais ny alakamisy 29 desambra 2016 fa mihemotra ho 65 taona ny fotoana fisotroan-dronono ho anny fonksionera.

Hamaky ny tohiny...

Tarika Spesialista Hamoaka raki-kira Best of tena raitra

09/01/2017

Tsy handalo fotsiny ity taona vaovao 2017 ity ho anny tarika Spesialista. Fomba fiasa sy fijery vaovao ihany koa mantsy no hoentiny hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy azy raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Hugues lehibenny tarika.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fampiasana telefnina any am-piangonana Aoka izay !, hoy ny filohanny Fjkm

09/01/2017

Nanao antso avo ho anny mpino Fjkm rehetra manerana ny nosy ny filoha am-perinasanny Fjkm, ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa ny sabotsy lasa teo teny Ilafy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy tetezamitatra fa

09/01/2017

Hiitatra daholo ! Izay no fikasanny avy ao anivonny fitondram-panjakana mikasika ireo raharaha rehetra heverina fa mitana ny hoavinity firenena ity sy ny fitohizanainireo mpiara-belona heverina fa nahitanireo tanora ankehitriny masoandro.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana