Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170112

Misongadina

Zandarimariam-pirenena Manomboka misavorovoro

12/01/2017

Tsy milamina intsony ny mpitandro ny filaminana eto amintsika. Saika ho isanandro ny fifamonoana etsy sy eroa, toy ny niseho tany Anjozorobe ny herinandro lasa teo, izay nahafatesana zandary iray voalaza ho mpiambina ny jeneraly iray malaza taminny andronny tetezamita.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Atallah Batrice Hatao minisitry ny Atitany

12/01/2017

Fanovana governemanta. Any izany izao no ambetin-dresaka taorianiny Asaramanitra teny Iavoloha taminny 6 janoary 2017 iny.

Hamaky ny tohiny...

Faneva Raholdina Ny fanjakana tsara tantana ihany no mahomby

12/01/2017

Na eo aminny ambara fa fitondrana tantananolon-tokana (Etat unitaire) na eo aminny lazaina fa fitondrana federaly (Etat federal), hoy ny mpandinika politika Faneva Raholdina, dia izay manara-dalna sy mampihatra ny fanjakana tsara tantana ihany no tena mahomby.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pirenena 2018 Tsy tompon-tsafidy ny Malagasy

12/01/2017

Tsy mbola misy tokotaniny ny resaka fanomanana ny fifidianana eto amintsika. Na misy aza ny fanisana mpifidy ataonny Vaomiera Mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI nanomboka ny 1 desambra 2016 ka hatraminny 31 janoary 2017,

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo Manao sarinady aminny HVM

12/01/2017

Miketrika mafy ny hidirana ao anaty fitondrana aminny alalanny fakana ny toeranny mpanohitra eny anivonny Antenimieram-pirenena i Hajo Andrianainarivelo, filoha nasionalinny antoko Malagasy Miara-miainga na ny MMM.

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Nirary soa ny firenena

12/01/2017

Ho ela velona anie i Madagasikara ! Io no namarananny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, ny teniny raha namehy ny firariantsoanireo mpikatroka Arema tonga niarahaba sy nirary soa azy noho ny fahatrarana ny taona vaovao tetsy aminny trano fonenany etsy Faravohitra omaly.

Hamaky ny tohiny...

Volanny CLD Mifanaratsy ireo mpitondra any Alaotra

12/01/2017

Misamboaravoara ny raharaha mahakasika ny fampiasana ilay vola 200 tapitrisa Ariary avy aminny fitondram-panjakana ho anny Distrika hisahanana asa fampandrosoana ifotony eny anivonny kaominina tantaninny CLD na Komity fampandrosoana ifotony.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Ho vita afaka tapa-bolana ilay Tranompokonolona efa nirodana

12/01/2017

Mihazakazaka ny asa fanamboarana fotodrafitrasa entina hanamaivanana ny fahasahirananny mponina aminny fiainana andavanandro ho anny kaominina Ivato.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Vidin-kaizina!

12/01/2017

Manao ahoana ry Jean a! Fa aiza ianareo aminizao fotoana izao no toa tsy hita mihitsy sa nisitri-belona e ? Sa kosa mbola mitohy ny vakansy ? Hitanareo sy renareo ihany ve ry Jean ny kaikainay aminity delestazy lava tsy misy fiafarany eto aminny tanna ity a ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanambaram-pananana 2017 Nisantatra azy ireo mpikambanny CENI

12/01/2017

Nanao rodobe teny aminny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana nanao fanambaram-pananana ho anity taona 2017, omaly,

Hamaky ny tohiny...

Taksibe Antananarivo Tsy hiakatra ny sarandalana

12/01/2017

Tsy hampakatra ny sarandalana aloha ato ho ato ny Fivondronambenny kaoperativa mpitatitra eto Iarivo (UCTU), fa mbola miandry ny fampanantenana nataonny fanjakana ny aminny hanomezana fanampiana 12 miliara Ariary ny mpitatitra,

Hamaky ny tohiny...

Faritra Analanjirofo Vonona aminny fampandrosoana

12/01/2017

Toy ireo faritra maro manerana ny Nosy dia vonona aminny fampandrosoana ihany koa ny Faritra Analanjirofo raha araka ny fanazavanny lehibeny Ramaroson Jacques.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly miorina tsy ara-dalna Hentitra ny fanaraha-maso ataonny Cisco

12/01/2017

Tsy mitsaha-mitombo aminizao fotoana izao ireo sekoly tsy miankina vao misokatra nefa tsy manara-penitra.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly miorina tsy ara-dalna Hentitra ny fanaraha-maso ataonny Cisco

12/01/2017

Tsy mitsaha-mitombo aminizao fotoana izao ireo sekoly tsy miankina vao misokatra nefa tsy manara-penitra.

Hamaky ny tohiny...

Soanierana Fokontany III I Mpibodo tany ireo olona nesorina

12/01/2017

Taorianny vaovao niely mikasika ny fandravana trano tetsy aminny fokontany Soanierana III I dia nivoaka taminny fahanginana ny orinasa malagasy SEIM izay tomponny tany.

Hamaky ny tohiny...

Fikambananny Lahy samy lahy mifankatia 800 no isanny mpikambana

12/01/2017

Efa tafakatra 800 isa ankehitriny, mivondrona anatina fikambanana miisa 14 ireo olona mitovy taovam-pananahana miaraka sy mifankatia eto amintsika, raha araka ny fanadihadiana natao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana