Fil d'actualités du 22/11/2017

  • 22/11/2017 - 17:00 : TARANJA TSIPY KANETIBE: Fanatanjahantena Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny dingana manaraka eo amin’ny « Mini masters », taranja tsipy kanetibe intsony Pitr noho izy nikasi-tanana mpijery teny amin’ny Boulodrome-n’ny Paddock Mahamasina. Marihina fa hifarana ny 29 desambra izao ity fifaninanana ity.

  • 22/11/2017 - 16:00 : ZAVA-KANTO SY LOTERATIORA: Lohahevitra miisa enina no holalininina mandritry ny kaoferansa momba ny teny 2017 hotanterahina eny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny sabotsy 25 novambra izao, ka isan’izany ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana, hataon’I aja, teknika sy torohevitra amin’ny fomba fanoratana tononkira,…

  • 22/11/2017 - 15:30 : MARC RAVALOMANANA: Nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc teto Faravohitra io tolakandro io ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Afrikana, Andriamatoa Ramtane Lamamra niaraka tamin’ny Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana, ka isan'ny noresahina ny momba ny fifidianana amin’ny taona ho avy.

  • 22/11/2017 - 15:00 : IRAISAM-PIRENENA: Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay mpitari-tafika ny foko Serbe tany Bosnie, dia ny Jeneraly Ratko Mladic nohenjehina noho ny fandripahana olona faobe tany Yogoslavie taloha, araka ny fitsarana natao tany Lahye tamin'ny alalan'ny TPIY (Tribonaly Iraisam-pirenena mikasika ny raharaha tany Yogoslavie)

  • 22/11/2017 - 14:30 : BEKODOKA BESALAMPY: Sarety sy omby nilatsaka tany anaty hatsana 60 metatra latsaka kely, ka maty tsy tra-drano ny olona iray sy ny omby iray. Vehivavy iray kosa tapaka tongotra aman-tanana, ary naratra ihany koa ny omby iray. Tsy naninona kosa ny zazakely iray.

  • 22/11/2017 - 14:00 : ZAZA KAMBAN-TELO MATY RENY: Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany namakia, distrikan'i Mitsinjo. Naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana.

  • 22/11/2017 - 13:45 : ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANAN-DEHIBE: Hankalazaina ny 24 novambra ho avy izao eny amin’ny Tanana Voara Andohatapenaka ny JMJ na “Journée Mondiales des Villes” andiany voalohany, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana.

  • 22/11/2017 - 13:15 : ANDRIAMENA TSARATANANA: Olona 1 maty voatifitry ny dahalo androany maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Trano 4 nodaran'izy ireo, ary lasa ihany koa ny omby 80. Zaza iray natao takalon'aina, ary olona roa naratra voatifitra.

  • 22/11/2017 - 13:00 : RN6 -FAHATAPAHANA: Misy fahatapahana ny lalàna mihazo an'Ambilobe PK15 mampitohy an'Ambilobe sy Diego noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana. Ny Orinasa Eiffage no manamboatra azy io amin'izao fotoana izao.

  • 22/11/2017 - 12:45 : MANANJARY: Mitaky ny hanalana ao anatin'ny faritra Vatovavy Vitovinany, ka hanaovana an'i Mananjary ho faritra manokana sy mahaleo tena ireo terak'i Mananjary amin'ny alalan'ny Fikambanana MARAMI.

Voir plus d'infos...

22/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170116

Misongadina

FJKM Hanangana Fiangonana 500

16/01/2017

Tontosa soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana nentina hitrotroana am-bavaka ny taom-piasana 2017, notanterahinny Fiangonani Jesosy Kristy eto Madagasikara na ny FJKM teny aminny Coliseum Antsonjombe omaly. Vao taminny 9 ora mahery kely dia efa tomefy olona teny an-toerana ary nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana noho ny fahamaroanny olona niatrika izany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Andry Rajoelina sy Ny Rado Rafalimanana Kandidanny Arabo aminny 2018?

16/01/2017

Samy manomana ny paikadiny aminny fifidianana filoham-pirenena ho avy ireo kandida sy vondrona na antoko mikendry ny hitantana ani Madagasikara aorina kely.

Hamaky ny tohiny...

Diplaomasia Malagasy Hankalaza ny faha-100 taonany

16/01/2017

Noho izao fahatrarana ny taona vaovao 2017 izao, dia tonga niarahaba ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny aminny lapam-panjakana Iavoloha ny avy aminny Vondro CEDS, notarihinny

Hamaky ny tohiny...

Fitokanana ny kianjanny demokrasia Ho tsarovana rahampitso

16/01/2017

Ny zoma teo no tafapetraka teo anivonny fiadidiana ny kaomininAntananarivo Renivohitra etsy aminny lapanny tanna Analakely ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana voalohany hanatanteraka fotoam-pahatsiarovana ny nametrahana ny kianjanny demokrasia eo Ambohijatovo ny talata ho avy izao manomboka aminny 10 ora ka hatraminny 11 ora.

Hamaky ny tohiny...

MAPAR II sy VPM Manohana an-dRajaonarimampianina

16/01/2017

Tonga niarahaba ani Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha ny Vondrona politika roa eo anivonny Antenimieram-pirenena ny sabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Ranjivason Jean Thodore Fotoana hitenenana izao.

16/01/2017

Nandritra iny taon-dasa iny dia tsy nandrenesam-peo firy ny minisitra teo aloha, Ranjivason Jean Thodore, izay ao aminny antoko Matsilo saingy saika nahitana azy kosa ny ankamaroanny fivorianireo vondrona politika izay nilaza azy ho tsy manaiky intsony ny zava-misy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana any Etazonia Nihaona taminny Banky Iraisam-pirenena

16/01/2017

Mbola tena atokisanny mpiara-miasa sy ireo mpamatsy vola i Marc Ravalomanana ary mazoto hatrany izy ireo ny hiara-kiasa aminy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Lany henatra ve ry tanalahy a?

16/01/2017

Salama tsara ve ry Jean a ! Ahoana indray moa ireny fihetsikareo teny an-dapa taminny faranny herinandro teo ireny e?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fizama Hapetraho eto ny Teokrasia

16/01/2017

Mitaky aminny fitondrana ankehitriny hametraka ny fitantanana Teokrasia eto Madagasikara , aminizay ny FIZAMA na na FIkambanana ZAnaka Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Jirama Banga 40% ny fampidiram-bola

16/01/2017

Mitotongana tanteraka ny orinasa Jirama aminizao fotoana izao, hany ka tsy mandeha aminny laoniny intsony ny fampiodinana ity orinasam-panjakana ity.

Hamaky ny tohiny...

Miharitra ny reniranonIkopa Efa azo handehanan-tongotra ny etsy Tanjombato

16/01/2017

Miharitra hatrany ny ranonIkopa taorianny tsy nisianny ranonorana intsony.

Hamaky ny tohiny...

Fikambananireo kaomisera Hanampy ny namany niharam-boina tany Ambatolampy

16/01/2017

Ny zoma teo no notontosaina tetsy aminny Live Hotel etsy Andavamamba ny fihaonambe voalohanireo manamboninahitry ny polisim-pirenena mivondrona ao anatinilay antsoina hoe

Hamaky ny tohiny...

Mpivaro-tena eto Madagasikara Miisa 170.000 manerana tanan-dehibe 37

16/01/2017

Miisa 170.000 ankehitriny ny isanireo mpivaro-tena eto amintsika, raha araka ny fanisana nataonny komity nasionaly miady aminny aretina SIDA na ny CNLS manerana ireo tann-dehibe miisa 37.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

FJKM Tranovato Ambatonakanga Feno 150 taona

16/01/2017

Anisanny fiangonana iray tranainy indrindra ary mbola mijoro mandraka ankehitriny ny fiangonana FJKM Tranovato Ambatonakanga.Taminny 5 Janoary taona 1831 mantsy no nisy ny fampiraisana latabatra voalohany tamini Tompo ny Malagasy tao aminity fiangonana ity raha toraka izany ihany koa ny fanaovam-batisa.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rugby Malagasy Nifoha taminny torimasony i Fafah

16/01/2017

Noho ny fahatsapany fa milentika andro amanalina any anaty lavaka mangitsokitoka ny taranja rugby XV noho ny fampidirana lalina resaka politika ao anatiny

Hamaky ny tohiny...

Edito

Loza ity !

16/01/2017

Rano ritra ao Andekaleka sy Ikopa ary Mantasoa sy izay rehetra tsy hita any ambadika any koa, orana tsy milatsaka, haitany sy tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, fitsaram-bahoaka miatomboka indray, horohoron-tany niha nahery vaika

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana