Fil d'actualités du 22/11/2017

  • 22/11/2017 - 17:00 : TARANJA TSIPY KANETIBE: Fanatanjahantena Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny dingana manaraka eo amin’ny « Mini masters », taranja tsipy kanetibe intsony Pitr noho izy nikasi-tanana mpijery teny amin’ny Boulodrome-n’ny Paddock Mahamasina. Marihina fa hifarana ny 29 desambra izao ity fifaninanana ity.

  • 22/11/2017 - 16:00 : ZAVA-KANTO SY LOTERATIORA: Lohahevitra miisa enina no holalininina mandritry ny kaoferansa momba ny teny 2017 hotanterahina eny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny sabotsy 25 novambra izao, ka isan’izany ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana, hataon’I aja, teknika sy torohevitra amin’ny fomba fanoratana tononkira,…

  • 22/11/2017 - 15:30 : MARC RAVALOMANANA: Nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc teto Faravohitra io tolakandro io ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Afrikana, Andriamatoa Ramtane Lamamra niaraka tamin’ny Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana, ka isan'ny noresahina ny momba ny fifidianana amin’ny taona ho avy.

  • 22/11/2017 - 15:00 : IRAISAM-PIRENENA: Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay mpitari-tafika ny foko Serbe tany Bosnie, dia ny Jeneraly Ratko Mladic nohenjehina noho ny fandripahana olona faobe tany Yogoslavie taloha, araka ny fitsarana natao tany Lahye tamin'ny alalan'ny TPIY (Tribonaly Iraisam-pirenena mikasika ny raharaha tany Yogoslavie)

  • 22/11/2017 - 14:30 : BEKODOKA BESALAMPY: Sarety sy omby nilatsaka tany anaty hatsana 60 metatra latsaka kely, ka maty tsy tra-drano ny olona iray sy ny omby iray. Vehivavy iray kosa tapaka tongotra aman-tanana, ary naratra ihany koa ny omby iray. Tsy naninona kosa ny zazakely iray.

  • 22/11/2017 - 14:00 : ZAZA KAMBAN-TELO MATY RENY: Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany namakia, distrikan'i Mitsinjo. Naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana.

  • 22/11/2017 - 13:45 : ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANAN-DEHIBE: Hankalazaina ny 24 novambra ho avy izao eny amin’ny Tanana Voara Andohatapenaka ny JMJ na “Journée Mondiales des Villes” andiany voalohany, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana.

  • 22/11/2017 - 13:15 : ANDRIAMENA TSARATANANA: Olona 1 maty voatifitry ny dahalo androany maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Trano 4 nodaran'izy ireo, ary lasa ihany koa ny omby 80. Zaza iray natao takalon'aina, ary olona roa naratra voatifitra.

  • 22/11/2017 - 13:00 : RN6 -FAHATAPAHANA: Misy fahatapahana ny lalàna mihazo an'Ambilobe PK15 mampitohy an'Ambilobe sy Diego noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana. Ny Orinasa Eiffage no manamboatra azy io amin'izao fotoana izao.

  • 22/11/2017 - 12:45 : MANANJARY: Mitaky ny hanalana ao anatin'ny faritra Vatovavy Vitovinany, ka hanaovana an'i Mananjary ho faritra manokana sy mahaleo tena ireo terak'i Mananjary amin'ny alalan'ny Fikambanana MARAMI.

Voir plus d'infos...

22/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170118

Misongadina

Marc Ravalomanana Mikaroka mpiara-miasa any Etazonia

18/01/2017

Mivezivezy ao New York sy Washington DC ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana aminny diany any Etazonia.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hetsika teny Ambohijatovo Ny Emmoreg no maro an'isa

18/01/2017

Efa nampoizina ihany fa ho rakotra Emmoreg indray ny ivelanny kianjanAmbohijatovo omaly taorianny nahenoana fa tsy nangataka alalana eny anivonny prefektioranAntananarivo ry zareo mpikambana ao anatinilay hetsika politika rodobenny malagasy tia tanindrazana ho aminny fanorenana na ny RMTF.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Brunel Misy rafitra manimba tontolo iainana eto

18/01/2017

Rehefa tonga ny volana septambra sy oktobra ka manaraka iny lalam-pirenena voalohany, faharoa, faha-44 ary faha-4 iny isika, hoy ny depiote Brunel Razafitsiandraofa, dia mahita doro tanety.

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Hanova fomba fiasa

18/01/2017

Tanteraka ny marainanny talata 17 janoary teo, teny aminny Lapani Tsimbazaza,

Hamaky ny tohiny...

Me Razafimanantsoa Hanitriniaina Nanara-maso ny asa hatao aminilay volanny CLD

18/01/2017

Manomboka ny fanatanterahana ny asa avy aminilay vola 200 tapitrisa Ariary isaky ny Distrika, avy aminny fanjakana, hanatanterahana asa eny ifotony araka ny voarakitra ao amin'ny lalna mifehy ny tetibola taona 2016.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Misitri-belona!!!

18/01/2017

Fa ahoana ianareo ry Jean no tsy mba taitra sy tsy mihetsi-bolomaso akory aminizao loza efa mihatra aminny Malagasy izao a ! Toa hita foana anefa rehefa misy endrika famoriam-bahoaka etsy sy eroa,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kaominina Antananarivo Renivohitra Tsy miditra ny haban-tsena, tsy azo ny subvention

18/01/2017

Mikatso ny famohana quittance eo anivonny trano printim-pirenena aminizao fotoana izao, ary anisanny mibaby ny voka-dratsiny ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Ady aminny delestazy Mila 750 miliara Ar ny Jirama

18/01/2017

Naharitra ora 4 ny fivorianny filankevitry ny governemanta teny Mahazoarivo omaly.

Hamaky ny tohiny...

Paompin-drano Manomboka aminny 1 ora maraina ny filaharana

18/01/2017

Niova endrika tanteraka ny filaharan-drano teny aminny paompy nanomboka omaly.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Inona no hatao ?

18/01/2017

Inona no hatao ? Inoana fa izay ihany no fanontaniana tokony hipetraka aminizao fotoana mitady hampirodana ny tany aman-danitry ny firenena manoloana ny fahapotehanny tontolo iainantsika izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana