Fil d'actualités du 27/04/2017

  • 27/04/2017 - 18:00 : Antsohihy _Fanafihana sy famonoana relijiozy: Navotsotra ireo olona 13 voasambotra taorian'ny famotorana azy ireo. Niampy 1 kosa ny zandary nosamborina, ka 2 izany izy ireo voasambotra ary mbola hatao famotorana amin'izao fotoana izao

  • 27/04/2017 - 15:30 : Fonja eto Madagasikara Antontan'isa: 20241 ireo voafonja tanana amina fonja 82 eto Madagasikara, ka 8205 ireo naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana. 1236 kosa ireo nofonjaina taorian'ny fitsarana.

  • 27/04/2017 - 15:00 : Frantsa:An’arivony androany no nanao fihetsiketsehana tany Rennes Frantsa momba ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa hatao ny 7 mai izao. Sady tsy mankasitraka an’I Emmanuel Macron izy ireo no tsy miandany amin’I Marine Le Pen amin’ny alalan’ny fivoizana ny foto-kevitra hoe “Ni Pen ni Macron”.

  • 27/04/2017 - 14:30 : Kaominin'i Mandritsara: Misy ny fampidiram-bola tsy mazava tsy nandalo filan-kevitra monisipaly, hoy ny Filohan'ny Filan-kevitra monisipaly.

  • 27/04/2017 - 14:00 : Raharaham-pirenena: Mitaky ny hanovana ny lalàm-panorenana mialohan’ny hanatanterahana ny fifidianana ny Rodobe Malagasy ho an’ny Fanorenena (RMTF) sy ny Sendika maro, ary mitaky ny antsoina hoe tetezana miampita izy ireo amin’ny fitantanana ny firenena.

  • 27/04/2017 - 13:30 : Toetr'andro: Vokatry ny tangoron-drahona matevina amin'ny faritra Antsinanan'i Madagasikara no nampiteraka ny havandra namotika zavatra maro halina, raha ny fanazavan'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro.

  • 27/04/2017 - 13:00 : Any ivelany _Chine: Nahavita "porte-avions chinois" voalohany namboariny manokana ny sinoa ary notokanana omaly izany. Mahatratra 315 m ny halavany ary 75 m ny sakany, ka vita sinoa 100% izy io. Faharoa amin'ireo hananany izy io fa ny iray voalohany kosa dia tany amin'ny Firaisana Sovietika na URSS teo aloha no nanamboarana ny ampahany.

  • 27/04/2017 - 12:30 : Distrikan'i Betiooky _Aretina tazomoka: Ankizy miisa 35 no efa matin'ny tazomoka nanomboka ny volana janoary. Manodidina ny 6 volana - 6 taona ny salan-taonan'izy ireo.

  • 27/04/2017 - 12:00 : Fetin’ny asa: Hisy ny diabe hotanterahin’ny mpiasa miala eny Mahamasina mihazo an’Antsahamanitra ny 1 may izao, ka samy hitondra ny mari-pamantarana azy avokoa ny orinasa sy ny sendika isan-tsokajiny.

  • 27/04/2017 - 11:45 : Fianarantsoa _Soafianatsa 2017: Tanterahina manomboka anio 27 aprily-29 aprily any amin'ny Kianja mitafon'Ambatomena Fianarantsoa ny hetsika ara-toakerana ho an'ny faritra Matsiatra Ambony, izay fantatra amin'ny anarana hoe "Soafianatsa 2017"

Voir plus d'infos...

27/04/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170119

Misongadina

Fitantanana ny Jirama Hampanao fanadihadiana ny fanjakana

19/01/2017

Milaza ny hampanao fanadihadiana lalina na “Audit interne” mba itsirihana ny mety ho tsy fisian’ny mangarahara na koa ny gaboraraka eo amin’ny fitantanana ny orinasam-panjakana Jirama ny fanjakana foibe.

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Hamono Malagasy 300 000

19/01/2017

Voasokajy ho firenena faha-3 maneran-tany mora handairan’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara noho ny famotehana ny tontolo iainana.

Hamaky ny tohiny...

Fakon’Andralanitra Tonga ny fotoana hamadihana azy ho angovo

19/01/2017

Zary fandatsana ny teny vazivazin’ny tano manao hoe : malaza tsy hihinanana toa ny fakon’Andralanitra manoloana ny fijaliana amin’ny angovo indrindra ny herinaratra sendrain’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina amin’ity delestazy tsy manam-piafarany amin’izao fotoana ity.

Hamaky ny tohiny...

Fisaraham-panambadiana 10 isan’andro no voaray eny amin’ny fitsarana

19/01/2017

7 hatramin’ny 10 isan’andro ny fisaraham-panambadiana voarain’ny avy eo anivon’ny fitsarana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny Pot’enCiel oganisation na ny rafitra iray izay misahana ny fampiofanana eo amin’ny resaka fandrindrana tokantrano.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana