Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170120

Misongadina

Vangaindrano Efa tany miady

20/01/2017

Nitohy ny sakoroka sy ny fifandonana tany Vangaindrano omaly alakamisy. Noho ny tsy famelana ireo vahoaka hanatanteraka ilay fitsaram-bahoaka efa ho andro vitsy izay, dia nihamafy hatrany ny hetsiky ny mponina omaly, ka niafara taminny famotehan-javatra

Hamaky ny tohiny...

Politique

JIRAMA Voadaka ny Tale Jeneraly

20/01/2017

Efa mamay be ny toe-draharaha, mahery vaika ny fimenomenomana sy ny hatezerana koa dia tsy maintsy nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana ka natao sorona sy nesorina ny tale jeneralinny Jirama Nestor Razafindroriaka.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Mbola tena akaikin'ny Amerikanina

20/01/2017

Hotanterahina anio ny fianiananny Filoha Amerikanina vaovao Donald Trump, ka anisanny miatrika izany ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Famatsiana solika ny Jirama Nailika ny Madagascar Oil ?

20/01/2017

Ianjadianolana ny orinasa mpitrandraka solika Madagascar Oil any Tsimiroro aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana