Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170128

Misongadina

Vahoaka Malagasy Manaiky ambakaina

28/01/2017

Na ny vahiny mandalo aza gaga fa hendry sy mahari-pery loatra ny Malagasy ka 2 000 Ar ny kilaonny vary,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Tia kely

28/01/2017

Miarahaba Jean a ! Aiza moa isika no tsy ho kely toy izao foana ! Efa ilay toe-tsaina mihitsy no lomorina e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Solona hofan-tranonny mpiasam-panjakana Tokony hampitomboina avo 10 eny

28/01/2017

Ny minisitry ny asam-panjakana, Maharante Jean de Dieu, mihitsy omaly no nilaza fa nitaky ny hampitomboana avo 10 heny, farafahakeliny,

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasanny Bianco sy INFA Nahomby ny santatra

28/01/2017

Sambany izahay no niara-niasa taminny birao mahaleotena misahana ny kolikoly na Bianco tamininy taona 2016 iny,

Hamaky ny tohiny...

Fanodinkodinana ny vatsin'ankohonana Ho avy ny fanadihadiana

28/01/2017

Manoloana ny fitarainanireo mponina ao aminny fokontany Antanimora central ao aminny distrikanAmbovombe Androy izay nivoahanny filazana fa misy manodinkodina ny vatsinankohonana

Hamaky ny tohiny...

Jirama Sambava Misy mandrahona handoro

28/01/2017

Fitia te handoro sa tena vokatry ny delestazy ? Naharay antso an-telefaonina ny Lehibenny Faritra SAVA Velomaro Faustin nampandre sady nampiomana azy fa leo izahay ka miomana fa hodoranay ny Jirama .

Hamaky ny tohiny...

Maud Vuyelwa Dlomo Sarotra ny Fampihavanam-pirenena

28/01/2017

Teboka nisongadina teo aminny fiaraha-miasani Afrika Atsimo sy Madagasikara hatraminny taona 2016 ny fankalazana ny fifandraisana ara-tantara sy ny fanomezana fanampiana,

Hamaky ny tohiny...

HOAVINNY FIZAHANTANY Miankina aminny fiarovana an-dranomasina

28/01/2017

Somary maka aina kely ny sehatry ny fizahantany Malagasy ankehitriny. Indrisy mantsy fa tsy toy ny taloha intsony ny fankafizanireo mpizahatany vahiny ny ranomasimbe Indiana.

Hamaky ny tohiny...

HERINANDRONNY KOLONTSAINA KAMERONEY Nahasarika ny maro ny resaka sakafo

28/01/2017

Lanonana goavambe no nentina namaranana ny herinandronny kolontsaina kameroney andiany faha-17 notanterahina teny aminny Pic Vert Ambatobe, andro vitsy lasa izay.

Hamaky ny tohiny...

SYNDICAT GENERAL MARITIME DE MADAGASCAR Nampidirina am-ponja vonjimaika ny SG lefitra

28/01/2017

Raha teo am-piandrasana fatratra ny vokatrilay fitoriana nataony mikasika ilay fanodinkodinam-bola nisy teo anivonny Sygmma ( Syndicat general Maritime de Madagascar) ireo birao mpikambana ao anatinizany nanomboka ny volana desambra lasa teo dia zavatra hafa mihitsy no nitranga.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Raharimala Andriampenotiana FanjakanAndriamanitra no hamerina aminny laoniny ny orana

28/01/2017

Ny G.E.T.M na ny Groupement pour lEdification de la Thocratie Madagasikara dia mbola mamerina eto indray ireo fanambarana izay nataony an-gazety sy taminny alalanny televiziona sy Radio fa tsy mety amintsika Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Kardinaly Pietro Parollin Noraisina toy ny filoham-panjakana

28/01/2017

Nigadona teto Madagasikara ny alinny alakamisy 26 janoary lasa teo ny sekreteram-panjakani Vatican, Kardinaly Pietro Parollin,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hifamelona sa hifamono ?

28/01/2017

Samy mamely izay voany ! Izany no azo hamintinana ny fiarahamonina eto amintsika aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana