Fil d'actualités du 28/07/2017

  • 28/07/2017 - 15:00 : Mamy Rakotoarivelo: Nentina eny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha hanaovana "Autopsie" ny vatana mangatsiakan'ity Minisitra, Filohan'ny antenimieram-pirenena, Filohan'ny Kongresin'ny Tetezamita teo aloha ity amin'izao fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 14:00 : Antsalovana Antohomadinika _Trano noravana: Tranohazo miisa 46 no noravana teny Antsalovana Antohomadinika omaly vao mangiran-dratsy. Efa tamin’ny 2009 no nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ireo nipetraka teo, ary efa tamin’izany no nanatsatohana baorina sy nisian’ny fifandaminana fa tsy tokony kitihina ireo trano noho ny lafiny maha olona, saingy izao narodana izao ihany.

  • 28/07/2017 - 13:25 : Vaovao mafana: _Namono tena i Mamy Rakotoarivelo: Maty nitifi-tena teo amin'ny lohany androany jolay i Mamy Rakotoarivelo, mpanao politika, Filohan'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha. Nialoha izao dia nandefa hafatra sy nanazava ny olany maro samihafa: ara-pianakaviana, ara-bola,...tao amin'ny kaonty "facebook" izy omaly. Efa miantrana eny amin'ny tranony eny Ankadifotsy ny mpitandro filaminana amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 13:00 : Tsihombe _Tranga hafa kely: Mpiadina bakalorea iray no teraka nandritra ny fiatrehana ny laza adina Frantsay omaly. Tamin’ny 8 ora maraina no nihetsi-jaza izy. Tsy maintsy nokarakaraina, ka nentina tany amin’ny toeram-piterahana, ka Tsihombe ary teraka lahikely. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreny, ka Lauréat Célestin no natao anarany, ka avy amin’ny hoe Bakalorea ilay hoe “Lauréat” ary ilay Célestin dia nalaina tamin’ny lehiben’ny fiambenanana ny fanadianana, dia ramatoa antsoina hoe Célestine.

  • 28/07/2017 - 12:30 : Amborihala Andapa _Trangam-piarahamonina: Tovolahy iray vao 25 taona no maty tsy tra-drano tany Amborihala, distrikan’Andapa, faritra Sava no maty tsy tra-drano nandritra savorovoro tao anaty alim-pandihizana halina. Ahiana ny ny savorovoro sy ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao satria tsy manaiky ny fianakaviany sy mpiray tanàna aminy. Efa miantrana ihany koa ny mpitandro filaminana.

  • 28/07/2017 - 12:00 : Farafangana _Raharaha famonoana ampanjaka : Misy andian’olona mitady hanelanelana amin’ny fanafahana vonjimaika ireo 12 voapanga tamin’ny famonoana ny ampajaka Tata Philbert, ary mitady hanao fitadiavam-bola izany. Mampitandrina ireo mikendry hamoaka ireo vaoarohirohy ireo kosa i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny foko Zafisoro.

  • 28/07/2017 - 11:30 : Finoana katolika : Amin’ny alatsinainy 31 jolay no hatao ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Monsenera Jean-Pierre-Dominique Zevaco, Evekan’ny diosezin’i Tolagnaro teo aloha, izay nodimandry teo amin’ny faha 92 taonany ny talata 25 jolay teo. Ho tonga any Tolagnaro ny alahady izao ny vatana mangatsiakany ary halevina ao amin’ny katedraly ao an-toerana ny ampitso aorian’ny sorona masina lehibe.

  • 28/07/2017 - 11:00 : Faritra Analamanga _Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Nahatratara hatrany amin'ny 90 no maty an-dalambe vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an'ny taona 2016, izay nihoatra lavitra noho ireo maty noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany dia nanolotra "motos" miisa 7 ho an'ny mpitandro filaminana ny faritra Analamanga mba ho fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalàm-pirenena.

  • 28/07/2017 - 10:30 : Antanetibe Ivato _Lozam-pifamoivoizana: 1 maty ary 7 no naratra mafy, raha ny vaovao farany mikasika ilay loza mahatsiravina niseho halina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Fiara marika Peugeot 308 nentina mpamily mamo no voalaza fa fototry ny loza.

  • 28/07/2017 - 10:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Tsy eny am-ponja intsony ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany naiditra am-ponja vonjimaika. Fianakavian'ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy io raha ny vaovao mivoaka amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

28/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170201

Misongadina

Andry Rajoelina Tsy maintsy hosamborina ?

01/02/2017

Nandeha be ny resaka omaly antoandro manodidina ny taminny 1 ora sy sasany fa nosamborina i Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Vovonana Tsimialonjafy Fahavalony ny extremiste sy ny fahantrana

01/02/2017

Tsy manam-pahavalo afa-tsy ny gaboraraka sy ny extremiste ary ny fahantrana ny Vononana Tsimialonjafy mifahatra aminny Soatoavina Repoblikanina tarihiko ankehitriny, hoy ny fanambarana nataonny filoha mpanorina azy, ny Dr Olivier Rabe Landry,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Tsy misy marina izay tsy hipoitra !

01/02/2017

Aiza ho aiza ianao ry Jean ? Mila manohy ny resako nataoko omaly aho fa tsy afa-po ary mbola feno ny foko.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Depiote Ravoninjatovo Sahoby Handrotsahy orana artifisialy any Marovoay

01/02/2017

Manao antso avo aminny fitondram-panjakana mahefa miainga any aminny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina,

Hamaky ny tohiny...

Filohanny UCTU Ahiana hiharanny hatezeram-bahoaka

01/02/2017

Mivoatra hatrany ny fahasorenanny mpanjifanireo zotranny kaoperativa UCTU aminny afitsokireo mpamily sy mpanerany.

Hamaky ny tohiny...

Fivarotana vary Nampifandramatra depiote sy Benny tanna

01/02/2017

Niravona ny disadisa teo aminny Benny tannani Bemanonga, Distrika Morondava Miadamanana Roberto sy ny solombavambahoaka voafidy tao Mahabo faritra Menabe Raveloson Ludovic vokatry ny fivarotana vary

Hamaky ny tohiny...

Fanamarinana anarana anaty lisi-pifidianana 2 hatraminny 5 isanandro ny olona tonga

01/02/2017

Tsy rototra ! Izay no azo ilazana azy raha mijery ny fanadihadiana natao isam-pokontany mikasika ny fahavitrihanny olom-pirenena hanamarina ny anaranizy ireo ao anaty lisi-pifidianana hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana Nampahery ireo niharan-doza tany Anjozorobe

01/02/2017

Tonga nankahery ireo niharam-boina taminilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesana olona 47,

Hamaky ny tohiny...

Saran-dalan'ny Taksi-be 500 Ar Ny samy mpitatitra aza tsy mifanara-tsaina

01/02/2017

Manomboka anio alarobia 1 febroary ny fotoana nambaranny Vondronireo mpitatitra an-tann-dehibe na ny UCTU ny mpanjifa fa hiakaranny saran-dalana ho 500Ariary.

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Mila tezaina hifantoka aminny foto-tsakafo hafa

01/02/2017

Nivoaka taminny fahanginana indray omaly Rabenitsara Lita, filohanny fikambanana mpiaro ny zonny mpanjifa RNDC.

Hamaky ny tohiny...

TSENA ETSY ANOSIBE Hananganana "pavillon" vaovao miisa 40

01/02/2017

Vinavinaina hampiditra vola hatrany aminny 1 miliara Ar any ho any ny tsenanAnosibe aminity taona vaovao 2017 ity raha toa ka vita soa aman-tsara avokoa ny asa fanatsarana sy fanavaozana kasainny kaominina Antananarivo Renivohitra tanterahina ao an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Velom-bolo indray a !

01/02/2017

Vita marina ny fety sy ny fialantsasatra fa dia efa niverina an-kianja tokoa ny ankamaroanireo mpanao politika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana