Fil d'actualités du 23/03/2017

  • 23/03/2017 - 13:00 : Ilaka Centre Ambositra _Fahatrarana toaka gasy: Toaka gasy 500 litatra sarona tany Ilaka Centre, ka olona 13 tao anaty fiara “Mazda” notazonina. Nodorana omaly ireo taoka tsy ara-dalàna tratra ireo.

  • 23/03/2017 - 12:00 : Fitaterana an-dranomasina: Mifarana anio 23 martsa eny amin'ny Hotely Carlton Anosy ny fampiratiana momba ny seranan-tsambo sy ny fampitaovana andiany faha-10 natao teto Madagasikara. Ny nosy Maorisy indray no hampiantrano ny andian'ny manaraka amin'ny taona 2018.

  • 23/03/2017 - 11:45 : Spaoro mekanika _RUN: Ny alahady 2 aprily ho avy izao no hanombohan'ny fifaninana eo amin'ny fanamoriana fiarakodia na ny "RUN", ka eny Arivonimamo ny dingana voalohany. Misy dingana 6 ny RUN amin'ity taona ity, ka hatao any Toamasina ny volana oktobra ny iray amin'ireo.

  • 23/03/2017 - 11:30 : Fipoahana teny amin'ny toby miaramila R3A Betongolo: Nitondra fanazavana ny tafika, ka nilaza fa fipoahan'ny vanja mandefa ny fitaovana fanazarana fitifirana an'habakabaka na "cibles aériennes volant" ho an'ny balafomanga "Strela" izay fitifirana fiaramanidina no antony. Fipoahana nandritra ny fisafoana ireo fitaovam-piadiana nataon'ny tompon'andraikitra izy ity.

  • 23/03/2017 - 11:15 : Mangalaza Ambatondrazaka _Fitsaram-bahoaka: Lehilahy iray tratra nangalatra gisa miisa 10 matin’ny fitsaram-bahoaka ny alin'ny 20 martsa, ka matin’ny fitsaram-bahoaka. Nitory ny fianakaviany, ka olona 3 nosamborina, saingy niara-nirohotra nanaraka azy ireo ny olona manodidina ny 50. Nomena fahafahana vonjimaika ireo olona 3 ireo.

  • 23/03/2017 - 11:00 : OIF: Nanome fanampiana 50 000Euros ho an’ny governemanta Malagasy ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF) taorian’ny fangatahana fanampiana tany ivelany nataon’ny fanjakana. Natolotry ny Talen’ny kabinetran’ny Sekretera jeneralin’ny Frankofonia teny Mahazoarivo omaly izany.

  • 23/03/2017 - 10:45 : Mahanoro _Trangam-piarahamonina: Olona 3 voarohirohy tamin’ny famonoana lehilahy iray hita faty teo amoron-dranomasina ny 15 martsa teo voasambotra. Vehivavy sakaizan’ilay maty ny 1 ary sipan’io vehivavy io ankoatra ilay maty ny lehilahy iray. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo.

  • 23/03/2017 - 10:30 : Antanetikely Ambohijoky:15 lahy nirongo basy nanafika tokantrano iray. Lasa ny vola 1 tapitrisa ariary. Tsy nisy kosa ny naratrz fz nampadihaliana ny iray trano hatramin'ny zaza vao 4 taona. Tsy nety nidina ifotony ny zandary avy eny Fenoarivo fa antso an-tariby no nataony.

  • 23/03/2017 - 10:15 : Fambolena an-tanàn-dehibe: Misokatra manombok androany ary haharitra 2 andro eny amin'ny IFM Analakely ny hetsika lehibe momba ny fambolena an-tanàn-dehibe. Manam-pahaizana momba ny fambolena an-tanàn-dehibe avy any Burkina Faso, Sénégal, Frantsa, Pays Bas ary avy eto Madagasikara no mandray anjara, ka hisy ny loabary an-dasy mifandraika amin'izany.

  • 23/03/2017 - 10:00 : Malagasy Rugby: Hanao hetsika tolo-tànana ho an'ireo traboina vokatry ny rivo-doza ny Malagasy Rugby sy ny fileovana ao aminy, ka hisy ny lalao ara-pirahalahiana 4 lehibe hatao fitadiavam-bola eny amin'ny kianja Maki Andohatapaenaka. Miara-miasa amin'izany ny Minisiteran'ny fanatanjahantena, minisiteran'ny mponina, BNGRC...

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170203

Misongadina

Vidim-bary miakatra Aferaben’ny mpitantana ?

03/02/2017

Ankoatra ny fanoloana tompon’andraikitra ambony toy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tontolo iainana,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Governemanta Mahafaly Hanohy ny hadalany

03/02/2017

Malaina hanova governemanta ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Madagasikara Efa lafo ambongadiny

03/02/2017

Mahantra fadiranovana ny vahoaka Malagasy kanefa tsy misy hiantsapazana intsony. Ny mpanao politika tsy azo hianteherana intsony satria tsy misaina afa-tsy seza ary efa mersenera ny 85%.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana