Fil d'actualités du 22/11/2017

  • 22/11/2017 - 17:00 : TARANJA TSIPY KANETIBE: Fanatanjahantena Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny dingana manaraka eo amin’ny « Mini masters », taranja tsipy kanetibe intsony Pitr noho izy nikasi-tanana mpijery teny amin’ny Boulodrome-n’ny Paddock Mahamasina. Marihina fa hifarana ny 29 desambra izao ity fifaninanana ity.

  • 22/11/2017 - 16:00 : ZAVA-KANTO SY LOTERATIORA: Lohahevitra miisa enina no holalininina mandritry ny kaoferansa momba ny teny 2017 hotanterahina eny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny sabotsy 25 novambra izao, ka isan’izany ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana, hataon’I aja, teknika sy torohevitra amin’ny fomba fanoratana tononkira,…

  • 22/11/2017 - 15:30 : MARC RAVALOMANANA: Nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc teto Faravohitra io tolakandro io ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Afrikana, Andriamatoa Ramtane Lamamra niaraka tamin’ny Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana, ka isan'ny noresahina ny momba ny fifidianana amin’ny taona ho avy.

  • 22/11/2017 - 15:00 : IRAISAM-PIRENENA: Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay mpitari-tafika ny foko Serbe tany Bosnie, dia ny Jeneraly Ratko Mladic nohenjehina noho ny fandripahana olona faobe tany Yogoslavie taloha, araka ny fitsarana natao tany Lahye tamin'ny alalan'ny TPIY (Tribonaly Iraisam-pirenena mikasika ny raharaha tany Yogoslavie)

  • 22/11/2017 - 14:30 : BEKODOKA BESALAMPY: Sarety sy omby nilatsaka tany anaty hatsana 60 metatra latsaka kely, ka maty tsy tra-drano ny olona iray sy ny omby iray. Vehivavy iray kosa tapaka tongotra aman-tanana, ary naratra ihany koa ny omby iray. Tsy naninona kosa ny zazakely iray.

  • 22/11/2017 - 14:00 : ZAZA KAMBAN-TELO MATY RENY: Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany namakia, distrikan'i Mitsinjo. Naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana.

  • 22/11/2017 - 13:45 : ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANAN-DEHIBE: Hankalazaina ny 24 novambra ho avy izao eny amin’ny Tanana Voara Andohatapenaka ny JMJ na “Journée Mondiales des Villes” andiany voalohany, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana.

  • 22/11/2017 - 13:15 : ANDRIAMENA TSARATANANA: Olona 1 maty voatifitry ny dahalo androany maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Trano 4 nodaran'izy ireo, ary lasa ihany koa ny omby 80. Zaza iray natao takalon'aina, ary olona roa naratra voatifitra.

  • 22/11/2017 - 13:00 : RN6 -FAHATAPAHANA: Misy fahatapahana ny lalàna mihazo an'Ambilobe PK15 mampitohy an'Ambilobe sy Diego noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana. Ny Orinasa Eiffage no manamboatra azy io amin'izao fotoana izao.

  • 22/11/2017 - 12:45 : MANANJARY: Mitaky ny hanalana ao anatin'ny faritra Vatovavy Vitovinany, ka hanaovana an'i Mananjary ho faritra manokana sy mahaleo tena ireo terak'i Mananjary amin'ny alalan'ny Fikambanana MARAMI.

Voir plus d'infos...

22/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170209

Misongadina

Delestazy lavareny Hampiongana ny fitondrana HVM ?

09/02/2017

Nirefotra ny lakrimozenina teny Ampasika sy Antanikatsaka Itaosy manakaiky ny Horizon omaly hariva.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ketriky ny PM Mahafaly Olivier Mivoaka tsikelikely ny resaka

09/02/2017

Mivoaka tsikelikely ny marina momba ny fihetsiky ny praiminisitra Mahafaly Olivier nandritra ny lamesa notarihin'ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakan'ny Fiketrahana masina teny Mahamasina ny 29 janoary 2016.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana