Fil d'actualités du 22/11/2017

  • 22/11/2017 - 17:00 : TARANJA TSIPY KANETIBE: Fanatanjahantena Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny dingana manaraka eo amin’ny « Mini masters », taranja tsipy kanetibe intsony Pitr noho izy nikasi-tanana mpijery teny amin’ny Boulodrome-n’ny Paddock Mahamasina. Marihina fa hifarana ny 29 desambra izao ity fifaninanana ity.

  • 22/11/2017 - 16:00 : ZAVA-KANTO SY LOTERATIORA: Lohahevitra miisa enina no holalininina mandritry ny kaoferansa momba ny teny 2017 hotanterahina eny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny sabotsy 25 novambra izao, ka isan’izany ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana, hataon’I aja, teknika sy torohevitra amin’ny fomba fanoratana tononkira,…

  • 22/11/2017 - 15:30 : MARC RAVALOMANANA: Nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc teto Faravohitra io tolakandro io ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Afrikana, Andriamatoa Ramtane Lamamra niaraka tamin’ny Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana, ka isan'ny noresahina ny momba ny fifidianana amin’ny taona ho avy.

  • 22/11/2017 - 15:00 : IRAISAM-PIRENENA: Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay mpitari-tafika ny foko Serbe tany Bosnie, dia ny Jeneraly Ratko Mladic nohenjehina noho ny fandripahana olona faobe tany Yogoslavie taloha, araka ny fitsarana natao tany Lahye tamin'ny alalan'ny TPIY (Tribonaly Iraisam-pirenena mikasika ny raharaha tany Yogoslavie)

  • 22/11/2017 - 14:30 : BEKODOKA BESALAMPY: Sarety sy omby nilatsaka tany anaty hatsana 60 metatra latsaka kely, ka maty tsy tra-drano ny olona iray sy ny omby iray. Vehivavy iray kosa tapaka tongotra aman-tanana, ary naratra ihany koa ny omby iray. Tsy naninona kosa ny zazakely iray.

  • 22/11/2017 - 14:00 : ZAZA KAMBAN-TELO MATY RENY: Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany namakia, distrikan'i Mitsinjo. Naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana.

  • 22/11/2017 - 13:45 : ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANAN-DEHIBE: Hankalazaina ny 24 novambra ho avy izao eny amin’ny Tanana Voara Andohatapenaka ny JMJ na “Journée Mondiales des Villes” andiany voalohany, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana.

  • 22/11/2017 - 13:15 : ANDRIAMENA TSARATANANA: Olona 1 maty voatifitry ny dahalo androany maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Trano 4 nodaran'izy ireo, ary lasa ihany koa ny omby 80. Zaza iray natao takalon'aina, ary olona roa naratra voatifitra.

  • 22/11/2017 - 13:00 : RN6 -FAHATAPAHANA: Misy fahatapahana ny lalàna mihazo an'Ambilobe PK15 mampitohy an'Ambilobe sy Diego noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana. Ny Orinasa Eiffage no manamboatra azy io amin'izao fotoana izao.

  • 22/11/2017 - 12:45 : MANANJARY: Mitaky ny hanalana ao anatin'ny faritra Vatovavy Vitovinany, ka hanaovana an'i Mananjary ho faritra manokana sy mahaleo tena ireo terak'i Mananjary amin'ny alalan'ny Fikambanana MARAMI.

Voir plus d'infos...

22/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170210

Misongadina

Praiminisitra vaovao Tsara toerana i Tazafy Armand

10/02/2017

Loharanom-baovao vitsivitsy akaikinny mpitondra fanjakana ankehitriny no nahafantarana fa na tsy hisy aza ny fanovana governemanta ato ho ato dia manam-paniriana mafy ny hanolo praiminisitra ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Raharaham-pirenena Manahy hatezeram-bahoaka ny DFP

10/02/2017

Sady mbola velona no mivelatra araka ny tokony ho izy ny Dinika Fanavotam-Pirenena (DFP), hoy ny filohany, Tolojanahary Maharavo na Doudou.

Hamaky ny tohiny...

Fandraisana mpiasam-panjakana 13 000 Ahiana hanjakan'ny kolikoly

10/02/2017

Mpiasam-panjakana manodidina ny 13 000 no fantatra fa horaisina ato ho ato. Amin'ny ankapobeny dia amin'ny alalan'ny fanadinana fifaninanana no handraisana ireny mpiasam-panjakana vao hampidiririna ireny.

Hamaky ny tohiny...

Senatera Berthin Andriamihaingo Mazoto aminny fanampiana ny tanora Malagasy

10/02/2017

Anisanireo olona mitana andraikitra ambony eto aminny firenena tsy mba tia miresaka firy rahaharaha politika ny Senaterani Madagasikara, Berthin Andriamihaingo avy eny Atsimondrano.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoha 2018 Ahiana hampikorontana indray

10/02/2017

Manindry mafy ny hamelana malalaka ireo kandida rehetra mba hirotsaka aminny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo ny mpiara-miombonantoka sy mpiara-miasa amini Madagasikara hatraminny enim-bolana faharoanny 2016 no ho mankaty.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina Propagandy no mahamaika azy

10/02/2017

Sesilany ny olana eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Zara raha mandeha ora vitsy isan'andro ny herinaratry ny jirama. Mandindona andro aman'alina ny fiakaran'ny vidin-tsolika.

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM Tafatsangana ny DISTIM Toliara I sy Benenitra

10/02/2017

Tafatsangana ny sabotsy 4 febroary teo ny Distim vaovao ao Toliara I tarihanAtoa Mosa sy ny any Benenitra tarihanAtoa Herv.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Aiza ianao e ?

10/02/2017

O ry Jean o ! Aiza ianao fa miandry anao ny firenena e ! Tsy misy biby mandeha tsy misy lohany izany anie e ! Sao dia izahay indray no hanilihanao andraikitra eto.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tetikasa "Vehivavy mizaka tena ara-toekarena" Hahazo 20 tapitrisa Ar ny mendrika

10/02/2017

Mivelatra amin'ny lafivalon'ny Nosy ny fifaninanana mamorona tetikasa mifandraika amin'ny fampiroboroboana sy ny fandraisan'andraikitry ny vehivavy nampisalorana ny lohahevitra hoe "Vehivavy mizaka tena ara-toekarena",

Hamaky ny tohiny...

Firosoana aminny mangarahara Tsy rototra ny fitondrana

10/02/2017

Na dia mitsikera aza ny sehatra iraisam-pirenena fa taraiky 20 taona aminny lafiny fampandrosoana isika ary anisanny antony lehibe mahatonga izany ny firongatry ny

Hamaky ny tohiny...

Fampiakaran-karama 7% Maneso ny mpiasam-panjakana, hoy i Beanjara Paul

10/02/2017

Maneso ny mpiasam-panjakana ny fanondratana 7% ny karama, hoy ny antoko SFDM (Sehatra Fampandrosoana ny Demokrasia eto Madagasikara), anisanny mpikambana ao anatinny sendikanny mpiasam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Andoharanofotsy Nanapoaka basy ny mpiambina ny zanaky ny filoha

10/02/2017

Somary nanaitra ny nandre fipoahana teny Andoharanofotsy manakaiky ny IT University teny halina tokony ho taminny 9 ora teo,na dia tsy nirefotra be aza dia azo antoka fa fipoahana basy ilay izy hoy ireo nandre ny zava-niseho

Hamaky ny tohiny...

FIKAMBANANA MADAGASIKARA NOSY MIAVAKA Ozon-drazana no mampahantra ny Malagasy

10/02/2017

Ozon-drazana no mampahantra antsika Malagasy tahaka izao ho anny fikambanana Madagasikara Nosy Miavaka izay misy ny fivavahana Hebreo Notsrym voalaza fa fototry ny fivavahana voalohany ao anaty Baiboly.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana