Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170213

Misongadina

Trafikana boaderozy Misy minisitra voarohirohy ?

13/02/2017

Araka ny efa notaterina teto taorianny fampitam-baovao ofisialy avy aminny fitondram-panjakana, dia nisy ny sambo iray antsoina hoe Lumina tra-tehaka tany Cap Masoala saika hanondrana an-tsokosoko boaderozy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Jean Max Rakotomamonjy Miketrika ny 2018 ihany koa

13/02/2017

Mivoaka ny resaka aminny haha kandida filoham-pirenena ani Jean Max Rakotomamonjy, filohanny Antenimieram-pirenena aminny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Fandriana, Ambositra Manantena ani Dada ny vahoaka

13/02/2017

Na tany Fandriana na tany Ambositra na taminireo kaominina sy fokontany nolalovany taminny RN7 sy tao anatinny faritanini Fianarantsoa dia nihaona sy niresaka mivantana taminny vahoaka hatrany i Marc Ravalomanana ny faranny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Roland Ratsiraka Tsy ho kandida raha mbola eo i Deba ?

13/02/2017

Mananontanona ny taona 2018 hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Alakamisy Itenina-Fianarantsoa Avy aiza marina ireo fitaovana nozaraina ?

13/02/2017

Nipoapoaka ny kabary propagandy nataonny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany Alakamisy Itenina, distrikani Vohibato, ny zoma 10 febroary teo, nanolorana fampitaovana mahasahana fampandrosoana eny ambanivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ny kaominina Haka ny hevitry ny mponina ny eny Andoharanofotsy

13/02/2017

Miroso tanteraka aminny fanatanterahana ireo karazana fepetra voalaza ao anatinny fakan-kevitra ifotony hisianny fampandrosoana ( Structure Locale de Concertation) aminizao fotoana izao ny kaominina Andoharanofotsy.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Nihaino firy taona ?

13/02/2017

Miarahaba ry Jean a ! Mahita hatao koa anie ianareo ao ambony ao e ! Ny filazana fa hoe maheno sy mahafantatra ny fitarainanny vahoaka indray izany izao ry Jean no fihetsika mirindra aminizao 2017 izao ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Minisitry ny fitsarana teo aloha Nodimandry ny sabotsy teo

13/02/2017

Nodimandry ny sabotsy teo Rabenindrainy Manohisoa, minisitry ny fitsarana taminny andronny filoha teo aloha Ratsiraka Didier sady efa mpikambana teo anivonny Fitsarana avo momba ny lalmpanorenana.

Hamaky ny tohiny...

Fitsaram-bahoaka Miantso fitoniana ny minisitry ny polisy

13/02/2017

Miantso ny fahatsiarovantenanny polisy am-perinasa ny minisitry ny filaminana anatiny ny controleur Gnrale Anandra Norbert raha nandray fitenenana nandritra ny famoahana ireo mpianatra ho polisy tao Antsirabe.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Lions Club sy Soroptimist Nanatanteraka fitiliana maimaimpoana

13/02/2017

Mitombo isa hatrany ireo tanora lasibatry ny aretina azo avy aminny firaisana ara-nofo eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Saran-dalana nihazo ani Vontovorona Tafakatra 1500 Ar ny sabotsy teo

13/02/2017

Nisedra olana tanteraka ireo mponina nandeha namonjy raharaha sy namonjy fodiana tany amininy kaominina Fenoarivo sy Alakamisy Fenoarivo iny ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Ekipa fair play Hampihavana aminny alalanny fanatanjahantena

13/02/2017

Hampivondrona ny malagasy aminny alalanny baolina kitra izay mpanjakanny fanatanjahantena, hoy ry zareo avy eo anivonny ekipa fair play

Hamaky ny tohiny...

Edito

Rahoviana ihany ?

13/02/2017

Tsy misy tokotaniny ny famahana ny olana ara-tsosialinny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana