Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170214

Misongadina

Aferana Boaderozy Ramatoa manampahefana no atidoha ?

14/02/2017

Ny komandy amboninny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de dieu sy ny tale jeneralinny polisim-pirenena Joachim Rajaobelison no mitarika ny famotorana sy fanadihadiana momba ireo bolabolana boaderozy 341 nentinny sambo Lumina ka tratra tany aminny manakaiky ny Cap Masoala.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajoelina sy Rajaonarimampianina Ho raikitra ny valifaty ?

14/02/2017

Manomboka miteny sy mamaly ny HVM i Andry Rajoelina ankehitriny, ary toa milaza an-kolaka fa vonon-kiady sy tsy hanaiky lembenana intsony manoloana ny enjikenjika isan-karazany mahazo azy sy ny ekipany.

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM Ambohimangakely Nanatanteraka ny fifampiharahabana ny taona vaovao koa

14/02/2017

Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona vaovao ny antoko Tiako i Madagasikara ao aminny kaominina Ambohimangakely distrikanAvaradrano ny sabotsy 11 febroary lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Tim Boriborintany faha-5 sy ny fifidianana aminny 2018 Ho lohalarana aminny fampandaniana ny Filoha Ravalomanana

14/02/2017

Naseho ampahibemaso, tao anatinny lanonana fifampiarahabanny antoko TIM 5 teny aminny kianja maitsonAnalamahitsy ny sabotsy lasa teo, ireo mpikambana Distim vaovaonny Boriborintany faha-5 eto Iarivo notarihanny filohany, Ramasitera Ralph.

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo Hitarika vahoaka hidina an-dalambe ?

14/02/2017

Mangataka ny fanjakana HVM hanome daty mazava aminny hamaliana ny fangatahanny Antoko Malagasy Miara-Miainga haka ny toeranny mpanohitra eny anivonny antenimiera i Hajo Andrianainarivelo, mpitarika ny antoko, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika Malagasy Tsy vonon-kihavana mihitsy

14/02/2017

Nangingina indray ny resaka fampihavanam-pirenena aminizao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Olom-boafidy Mila manova toetsaina sy manaja lalna

14/02/2017

Fanenjehana tsy mitombina ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoakani Madagasikara ao aminny boriborintany faha-5 Raholdina Naivo milaza ny fampidiranny benny tanna Lalao Ravalomanana politika ny fampiasana ny tetibolanny CLD

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aza mifanabado !

14/02/2017

Manao ahoana ry Jean a ! Tehaka mirefodrefotra aloha fa mba somary nihena kely indray ny haizim-pito teto Iarivo tato anatinny andro vitsy e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fampiasam-bolanny vahiny Fehezinny Aziatika ny 57,5%

14/02/2017

Ny firenena Aziatika no nitana ny 57,5%-n'ny fampiasam-bola vahiny mivantana teto amintsika ho an'ny taona 2016, ka lohalaharana tamin'izany ny firenena sinoa izay nitana ny 29%, araka ny tatitra nataon'ny Economic Board of Madagascar (EDBM).

Hamaky ny tohiny...

PNUD eto Madagasikara Iharanny fisolokiana

14/02/2017

Mampahafantatra ny avy eo anivonny sampandraharahanny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana na ny PNUD fa misy olona

Hamaky ny tohiny...

Soanierana - Arivonimamo Lalana mirefy 1km hatao rarivato

14/02/2017

Rehefa avy nitety ireo kaominina miisa 22 mandrafitra ny distrikanArivonimamo ny solombavambahoaka Rakotomanjato Rodin, nitondra ny anjara birikiny taminny fanarenana sy fametrahana fotodrafitrasa samihafa ilainny mponina dia niditra indray aminny asa fampandrosoana eo anivonny kaominina ambonivohitra miainga avy aminny filanny mponina

Hamaky ny tohiny...

Voafonja eto Madagasikara 250 Ar isanandro isanolona no anjara sakafony

14/02/2017

Efa ela ny nahenoana fa mandray fepetra ny mpitondra fanjakana. Ny zava-misy iainana eto aminny firenena hatraminizao anefa dia miha very fanahy mbola velona ny mpiray tanindrazana.

Hamaky ny tohiny...

Mpilatsaka an-tsitrapo Hikarakara fifaninanana

14/02/2017

Asa mila finiavana ny fanaovana ny asanireo mpilatsaka an-tsitrapo sady tsy handraisan-karama.

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Anosizato Atsinanana Ii Nampidirina am-ponja vonjimaika ny filohany teo aloha

14/02/2017

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny sabotsy teo, araka ny vaovao azo, ny filohanny fokontany Anosizato Atsinanana II teo aloha,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fepetra mitondra mankaiza ?

14/02/2017

Efa ela ny nahenoana fa mandray fepetra ny mpitondra fanjakana. Ny zava-misy iainana eto aminny firenena hatraminizao anefa dia miha very fanahy mbola velona ny mpiray tanindrazana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana