Fil d'actualités du 28/07/2017

  • 28/07/2017 - 15:00 : Mamy Rakotoarivelo: Nentina eny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha hanaovana "Autopsie" ny vatana mangatsiakan'ity Minisitra, Filohan'ny antenimieram-pirenena, Filohan'ny Kongresin'ny Tetezamita teo aloha ity amin'izao fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 14:00 : Antsalovana Antohomadinika _Trano noravana: Tranohazo miisa 46 no noravana teny Antsalovana Antohomadinika omaly vao mangiran-dratsy. Efa tamin’ny 2009 no nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ireo nipetraka teo, ary efa tamin’izany no nanatsatohana baorina sy nisian’ny fifandaminana fa tsy tokony kitihina ireo trano noho ny lafiny maha olona, saingy izao narodana izao ihany.

  • 28/07/2017 - 13:25 : Vaovao mafana: _Namono tena i Mamy Rakotoarivelo: Maty nitifi-tena teo amin'ny lohany androany jolay i Mamy Rakotoarivelo, mpanao politika, Filohan'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha. Nialoha izao dia nandefa hafatra sy nanazava ny olany maro samihafa: ara-pianakaviana, ara-bola,...tao amin'ny kaonty "facebook" izy omaly. Efa miantrana eny amin'ny tranony eny Ankadifotsy ny mpitandro filaminana amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 13:00 : Tsihombe _Tranga hafa kely: Mpiadina bakalorea iray no teraka nandritra ny fiatrehana ny laza adina Frantsay omaly. Tamin’ny 8 ora maraina no nihetsi-jaza izy. Tsy maintsy nokarakaraina, ka nentina tany amin’ny toeram-piterahana, ka Tsihombe ary teraka lahikely. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreny, ka Lauréat Célestin no natao anarany, ka avy amin’ny hoe Bakalorea ilay hoe “Lauréat” ary ilay Célestin dia nalaina tamin’ny lehiben’ny fiambenanana ny fanadianana, dia ramatoa antsoina hoe Célestine.

  • 28/07/2017 - 12:30 : Amborihala Andapa _Trangam-piarahamonina: Tovolahy iray vao 25 taona no maty tsy tra-drano tany Amborihala, distrikan’Andapa, faritra Sava no maty tsy tra-drano nandritra savorovoro tao anaty alim-pandihizana halina. Ahiana ny ny savorovoro sy ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao satria tsy manaiky ny fianakaviany sy mpiray tanàna aminy. Efa miantrana ihany koa ny mpitandro filaminana.

  • 28/07/2017 - 12:00 : Farafangana _Raharaha famonoana ampanjaka : Misy andian’olona mitady hanelanelana amin’ny fanafahana vonjimaika ireo 12 voapanga tamin’ny famonoana ny ampajaka Tata Philbert, ary mitady hanao fitadiavam-bola izany. Mampitandrina ireo mikendry hamoaka ireo vaoarohirohy ireo kosa i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny foko Zafisoro.

  • 28/07/2017 - 11:30 : Finoana katolika : Amin’ny alatsinainy 31 jolay no hatao ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Monsenera Jean-Pierre-Dominique Zevaco, Evekan’ny diosezin’i Tolagnaro teo aloha, izay nodimandry teo amin’ny faha 92 taonany ny talata 25 jolay teo. Ho tonga any Tolagnaro ny alahady izao ny vatana mangatsiakany ary halevina ao amin’ny katedraly ao an-toerana ny ampitso aorian’ny sorona masina lehibe.

  • 28/07/2017 - 11:00 : Faritra Analamanga _Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Nahatratara hatrany amin'ny 90 no maty an-dalambe vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an'ny taona 2016, izay nihoatra lavitra noho ireo maty noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany dia nanolotra "motos" miisa 7 ho an'ny mpitandro filaminana ny faritra Analamanga mba ho fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalàm-pirenena.

  • 28/07/2017 - 10:30 : Antanetibe Ivato _Lozam-pifamoivoizana: 1 maty ary 7 no naratra mafy, raha ny vaovao farany mikasika ilay loza mahatsiravina niseho halina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Fiara marika Peugeot 308 nentina mpamily mamo no voalaza fa fototry ny loza.

  • 28/07/2017 - 10:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Tsy eny am-ponja intsony ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany naiditra am-ponja vonjimaika. Fianakavian'ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy io raha ny vaovao mivoaka amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

28/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170215

Misongadina

Kolonely Lylison Voasazy higadra 1 taona

15/02/2017

Natao nangingina, tsy natrehinny voampanga sy ny mpisolovava na ny fianakaviana ny famoahana ny didim-pitsarana mikasika ny kolonely Lylison, tetsy aminny fitsarana Anosy, efitrano faharoa omaly talata 14 febroary 2017.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanilihana kandida aminny 2018 Tsipahinny KMF /CNOE

15/02/2017

Ny lalmpanorenana ihany no tokony hohajaina ka tsy ekena ny mbola mety hanitaranny fitondrana Rajaonarimampianina ny fe-potoam-piasany.

Hamaky ny tohiny...

Neny sy ny depiote Rossy Miara-misalahy aminny fampandrosoana

15/02/2017

Tsy tokony ho sakana aminny fampandrosoana ny firenena ny tsy fitovian-kevitra ara-politika eto amintsika,

Hamaky ny tohiny...

Amoroni Mania Niserana Ravalo, nikoropaka ny HVM

15/02/2017

Nanamarika ny faranny herinandro lasa iny tao Amoroni Mania, Ambositra sy Fandriana indrindra indrindra ny fitsidihanny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

TIM Ambohimangakely Mivonona hampandany ani Marc Ravalomanana

15/02/2017

Mamondrona ny mpikambana ifotony ny Tiako I Madagasikara (TIM) eo anivonny distrika Antananarivo Avaradrano.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Tsy miato intsony !

15/02/2017

Salama ve ry Jean a ! Tena tsy miato intsony mihitsy izany fitetezam-paritra sy fizarana tapimaso eranny tanna ataonareo izany a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

FISOLOKIANA SY FISANDOHANA Nandray fepaetra ny foibem-pitondranny hetra

15/02/2017

Betsaka ireo olona lasibatrireo mpisandoka sy mpisoloky mitonona ho mpiasanny hetra tato ho ato teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Hamaky ny tohiny...

Tetezani Kamoro RN4 Ho tapaka isa-maraina aminny 08ora-12ora

15/02/2017

Hamboarina ny tetezani Kamoro any aminny lalam-pirenena faha-4 mampitohy anAntananarivo-Maevatanna-Mahajanga, eo aminny PK 406+400 manomboka anio

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa vehivavy mizaka tena Ny 8 martsa no hivaly

15/02/2017

Ao anatinny fitsarana ireo tetikasa miisa 578 voarainy ao anatinilay fifaninanana tetikasa vehivavy mizaka tena aminizao fotoana izao ireo tomponandraikitra avy eo anivonny minisiteranny mponina.

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Voarakitra anaty boky 100 takila ny tantarany

15/02/2017

Mankalaza ny faha-45 taona niorenany ny tarika Mahaleo, tarika iray anisanny fanta-daza eto Madagasikara sy any ivelany noho izy

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Sendikanny kristianina Tokony hahazo fiahiana sosialy ny rehetra

15/02/2017

Manoloana ny fanelezana sy fanentanana ataonny eo anivonny fitondram-panjakana mikasika ny aminny tokony hahazoanny olom-pirenena rehetra manana antonasa ara-dalna dia mba manampy tosika koa ry zareo avy eo anivonny Sekrima na ny sendikanny kristianina Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Vondronny Mpitatitra An-tann-dehibe Tsy hampidina ny saran-dalany ho 400 Ar intsony

15/02/2017

Tsy hampidina ny saran-dalany ho 400 Ar intsony ireo koperativa mivondrona ao anatinny UCTU na ny vondronny mpitatitra an-tanan-dehibe, hoy ny filohany Andriambinintsolomora Bernardin, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana