Fil d'actualités du 28/07/2017

  • 28/07/2017 - 15:00 : Mamy Rakotoarivelo: Nentina eny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha hanaovana "Autopsie" ny vatana mangatsiakan'ity Minisitra, Filohan'ny antenimieram-pirenena, Filohan'ny Kongresin'ny Tetezamita teo aloha ity amin'izao fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 14:00 : Antsalovana Antohomadinika _Trano noravana: Tranohazo miisa 46 no noravana teny Antsalovana Antohomadinika omaly vao mangiran-dratsy. Efa tamin’ny 2009 no nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ireo nipetraka teo, ary efa tamin’izany no nanatsatohana baorina sy nisian’ny fifandaminana fa tsy tokony kitihina ireo trano noho ny lafiny maha olona, saingy izao narodana izao ihany.

  • 28/07/2017 - 13:25 : Vaovao mafana: _Namono tena i Mamy Rakotoarivelo: Maty nitifi-tena teo amin'ny lohany androany jolay i Mamy Rakotoarivelo, mpanao politika, Filohan'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha. Nialoha izao dia nandefa hafatra sy nanazava ny olany maro samihafa: ara-pianakaviana, ara-bola,...tao amin'ny kaonty "facebook" izy omaly. Efa miantrana eny amin'ny tranony eny Ankadifotsy ny mpitandro filaminana amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 13:00 : Tsihombe _Tranga hafa kely: Mpiadina bakalorea iray no teraka nandritra ny fiatrehana ny laza adina Frantsay omaly. Tamin’ny 8 ora maraina no nihetsi-jaza izy. Tsy maintsy nokarakaraina, ka nentina tany amin’ny toeram-piterahana, ka Tsihombe ary teraka lahikely. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreny, ka Lauréat Célestin no natao anarany, ka avy amin’ny hoe Bakalorea ilay hoe “Lauréat” ary ilay Célestin dia nalaina tamin’ny lehiben’ny fiambenanana ny fanadianana, dia ramatoa antsoina hoe Célestine.

  • 28/07/2017 - 12:30 : Amborihala Andapa _Trangam-piarahamonina: Tovolahy iray vao 25 taona no maty tsy tra-drano tany Amborihala, distrikan’Andapa, faritra Sava no maty tsy tra-drano nandritra savorovoro tao anaty alim-pandihizana halina. Ahiana ny ny savorovoro sy ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao satria tsy manaiky ny fianakaviany sy mpiray tanàna aminy. Efa miantrana ihany koa ny mpitandro filaminana.

  • 28/07/2017 - 12:00 : Farafangana _Raharaha famonoana ampanjaka : Misy andian’olona mitady hanelanelana amin’ny fanafahana vonjimaika ireo 12 voapanga tamin’ny famonoana ny ampajaka Tata Philbert, ary mitady hanao fitadiavam-bola izany. Mampitandrina ireo mikendry hamoaka ireo vaoarohirohy ireo kosa i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny foko Zafisoro.

  • 28/07/2017 - 11:30 : Finoana katolika : Amin’ny alatsinainy 31 jolay no hatao ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Monsenera Jean-Pierre-Dominique Zevaco, Evekan’ny diosezin’i Tolagnaro teo aloha, izay nodimandry teo amin’ny faha 92 taonany ny talata 25 jolay teo. Ho tonga any Tolagnaro ny alahady izao ny vatana mangatsiakany ary halevina ao amin’ny katedraly ao an-toerana ny ampitso aorian’ny sorona masina lehibe.

  • 28/07/2017 - 11:00 : Faritra Analamanga _Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Nahatratara hatrany amin'ny 90 no maty an-dalambe vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an'ny taona 2016, izay nihoatra lavitra noho ireo maty noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany dia nanolotra "motos" miisa 7 ho an'ny mpitandro filaminana ny faritra Analamanga mba ho fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalàm-pirenena.

  • 28/07/2017 - 10:30 : Antanetibe Ivato _Lozam-pifamoivoizana: 1 maty ary 7 no naratra mafy, raha ny vaovao farany mikasika ilay loza mahatsiravina niseho halina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Fiara marika Peugeot 308 nentina mpamily mamo no voalaza fa fototry ny loza.

  • 28/07/2017 - 10:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Tsy eny am-ponja intsony ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany naiditra am-ponja vonjimaika. Fianakavian'ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy io raha ny vaovao mivoaka amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

28/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170216

Misongadina

Kolonely Lylison "Tsy matahotra anareo aho"

16/02/2017

Taorianny didim-pitsarana manameloka ny kolonely Lylison higadra herintaona sazy mihatra, izay narahina didy fampisamborana, tsy niandry ela ny tenany fa omaly ihany dia namaly bontana tao anatinny tambajotran-tserasera fesiboky.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Nijabaka indray raprezy

16/02/2017

Vaovao nanaitra omaly ny nahafantarana fa nahazo ny fanamianny FC Barcelone na ny Bara ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonah Andrianjaka Mila miaiky heloka ny Frantsay

16/02/2017

Mila miaiky ny Frantsay fa meloka ary nanao vono moka teto Madagasikara taminny 1947, hoy ny Antoko politika Otrikafo, tarihin-dRajaonah Andrianjaka.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina ambonivohitra Taolagnaro Terena hametra-pialana ny filohanny Filankevitra

16/02/2017

Mafana ny toe-draharaha eo anivonny Filankevitry ny tannani Taolagnaro. Mitaky ny fametraham-pialanny filohanny Filankevitry ny tanna, Ramanandraibe Evariste ireo mpanolotsaina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mitady tambiny sy tombony !

16/02/2017

Io indray ianao ry Jean fa mody miketrika an ! Manaiky anao aloha izahay e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Famatsiam-bola 10 miliara dolara Mahatratra 15,5% ny zanabola aloa

16/02/2017

Niompana taminny paikady fanavaozana miaraka aminny fandaharanasa fampiasambola mazava mitondra mankany aminny harinkarena tsy manavaka sy maharitra lovainjafy ny fandresen-dahatra

Hamaky ny tohiny...

Antanimbarinandriana Hanamboatra Parking sy zaridaina ny CUA

16/02/2017

Natomboka omaly ny asa fanajariana sy fanamboarana ny toby fiantsonanny fiara miampy zaridaina eny Antanimbarinandriana, tontosainny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Samuel Christophe -DREN Boeny Nodimandry tampoka

16/02/2017

Maloka tanteraka ny lanonam-panamarihana ny andronny sekoly tany Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny.

Hamaky ny tohiny...

Vehivavy mizaka tena ara-toekarena Tetikasa 578 no voaray

16/02/2017

Samy manana ny hanitra ho azy, ka nanahirana ny fitsarana ireo tetikasa miisa 578 voaray taminilay fifaninanana tetikasa vehivavy mizaka tena ara-toekarena, eo ambany fiahianny minisiteranny mponina sy ny sampandraharahanny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) ary ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola (PTF).

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana ZaGasy Tsy misy ny vahoaka madinika

16/02/2017

Mety ve ny mimenomenona sy manome tsiny ary manakiana fotsiny manoloana ny raharaham-pirenena aminizao fotoana izao ? Io no fanontaniana ifotoranny fikambanana ZaGasy

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly aminny fandraisana Mpampianatra Nametra-pialana ny Sefo Cisco Fandriana

16/02/2017

Niafara taminny fametraham-pialanny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Fandriana, Andriatsimandravalazasoa Tomboniaina,

Hamaky ny tohiny...

Hira any aminny karaoke Tokony hakana alalana

16/02/2017

Nandritry ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nataonny fianakaviambenny ofisy misahana ny zonny mpamorona na ny OMDA niaraka taminireo artista mpikambana rehetra tetsy aminny TVM Anosy

Hamaky ny tohiny...

TETIBOLAM-PANJAKANA Hatao mazava ho fantatry ny vahoaka

16/02/2017

Hatao mazava ho fantatry ny vahoaka eny ifotony manomboka izao ny tetibolam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Journee de lemploi et de la formation Hanomezana asa manodidina ny 1.500

16/02/2017

Mbola betsaka ireo tanora tsy anasa eto amintsika, eny fa na dia ireo efa nahavita fianarana aza.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kianjabeni Mahamasina Hotantananny CUA tanteraka

16/02/2017

Nahavelombolo ny mpanao baolina Malagasy na ry zareo avy any ivelany koa ankehitriny ny hatsaranny bozaka filalaovam-baolina etsy Mahamasina ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanahy iniana

16/02/2017

Efa an-taonany maro no niandrandranireo vahoaka nifandimby teto aminny firenena fandrosoana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana