Fil d'actualités du 21/09/2017

  • 21/09/2017 - 10:43 : Lalampanorenana:anisan'ireo tsy mankasitraka ny hikitihana ny lalampanorenana ny praiminisitra tamin'ny tetezamita Atoa Jean Omer Beriziky izay namoaka fanambarana ofisialy niaraka tamina vondrona mpanao politika ahitana an-dry Hajo Andrianainarivelo sy Hery Raharisaina.Ny fifidianana filohampirenena amin'ny 2018 no laharampahamehana aminy.

  • 21/09/2017 - 10:40 : Omavet:andalam-panavaozana ny fitaovana ao aminy ny Omavet eny Ampasampito ankehitriny.Ho vita afaka efa-bolana ny asa ary ny volana janoary 2018 no hiasa amin'izay ity ivotoeram-pitsirihana sy fanamboarana fiara maoderna ity.

  • 21/09/2017 - 10:25 : Zandarimariam-pirenena:tsy isafidianana galona ny fanasaziana ireo zandary mandika lalàna hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.Voasazy avy hatrany ireo voaporofo fa nanao ny tsy mety ka 25 izao ireo zandary nampidirina am-ponja tamin'ity taona ity.

  • 21/09/2017 - 09:20 : Pesta:azo ambara fa efa voafehy ny aretina pesta eto amintsika amin'izao fotoana noho ny fandraisan'andraikitra nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana hoy ny minisitry ny fahasalamana omaly.Arahamaso manokana ireto faritra nisian'ireo olona maty na nararin'ny pesta, mandeha ihany koa ny fanadiovana tanteraka ireo faritra tena maloto eto an-drenivohitra mba isorohana ny mety ho fihanaky ny pesta.

  • 21/09/2017 - 09:05 : RN7:efa miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizan'ny fiara ao Vohiposa amin'ny lalampirenena faha-7.Tsy maintsy miainga aloha anefa ireo taksibrosy amin'izay tsy mandalo maizina eo amin'ilay "déviation".Amin'ny 1 ora atoandro ohatra no miainga ireo taksibrosy eny amin'ny fasan'ny karana raha tamin'ny 3 ora tolakandro izany teo aloha.

  • 21/09/2017 - 08:55 : FTAR:manizingizina Rtoa Clémence Raharinirina fa tsy hifampidinika amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra izany ny mpamily taxi ary tsy eken'izy ireo hatramin'ny farany ny famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.

  • 21/09/2017 - 08:45 : Taxi-ville:hisy ny fifampiresahana eo amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra sy ireo mpamily taxi ny sabotsy ho avy izao.Hifampiresahana izay zavatra mbola tsy mazava ary inoanay fa hiravona ny olana momba ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet Ampasampito,hoy i Julien Andriamorasata lefitra faharoan'ny ben'ny tanàna.

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170220

Misongadina

Ambatobe Karana mpianaka nisy nitifitra...

20/02/2017

andriaka ny ra teny Ambatobe omaly tolakandro. Karana lahy mpianaka, 43 taona sy 5 taona eo, no naratra mafy nisy nitifitra tao anaty fiara kely nentinizy ireo hamonjy fodiana eny aminny Rsidence

Hamaky ny tohiny...

Politique

Augustin Andriamananoro Tsy re feo intsony

20/02/2017

Ny 27 desambra 2016 teo no nivoaka ny fonjan'Antanimora rehefa notanana 17 andro tao ny filoha lefitry ny vondrona Mapar Augustin Andriamananoro. Tsy re feo intsony izy nanomboka teo.

Hamaky ny tohiny...

COMTIM Ivato Tratranny antsojay taminny ora farany

20/02/2017

Nifamotoana teny Ilaivola ny sabotsy 18 febroary 2017 teo ireo mpikambana Tiako I Madagasikara ao anatinny kaominina ambanivohitra Ivato.

Hamaky ny tohiny...

Ady anatinny HVM Mamono afo i Rivo Rakotovao

20/02/2017

Niezaka nandiso ny resaka momba ny ady an-tranonny antoko HVM ny filoha nasionaliny Rivo Rakotovao ny faranny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Ampiana foana

20/02/2017

Miarahaba anareo indray aho ry Jean malala ! Mbola velom-pisaorana anareo ihany koa manome fahazarana anay handray lalandava fanampiana aminolona e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanalam-baraka anaty facebook Mpanao politika iray hogadraina ?

20/02/2017

Mbola mitana ny sainny maro ny raharaha Hiary Rapanoelina, nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny tsy fahafehezany ny vondrona facebook Fifosana hanatsarana ny pipoles Gasy,

Hamaky ny tohiny...

Fidanganny faktiora Misy hadisoanny JIRAMA

20/02/2017

Mitaraina ny isan-tokantrano aminny fidanganny faktioranny JIRAMA aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Face face tao aminny Radio Haja Niboredika ny benny tannanAntsirabe

20/02/2017

Nahaliana ny mpanara-baovao tao Antsirabe ny adihevitra nivantana taminny haino aman-jery, Radio Haja Antsirabe nifanaovanny mpanolotsaina sy ny Benny tannanAntsirabe ny harivanny zoma 17 febroary lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Jean Nirina HAFARI Nanatsoaka ny fitoriany i Joella

20/02/2017

Rahaharaha anisanny hitazonana am-ponja ani Jean Nirina Rafanomezantsoa, filohanny Fikambanana HAFARI Malagasy ny resaka fitazonana an-keriny ani Joella ny 22-23-24 desambra 2015.

Hamaky ny tohiny...

Ankizy maherinny 800.000 Tsizarizary sakafo any atsimo

20/02/2017

Kaominina 7 any aminny faritra Androy sy Anosy aminizao fotoana izao no iharanny tsy fanjarian-tsakafo, raha ny fanazavana nomenny filohanny fifanampiana Malagasy, Randrianalison Andrianomentsoa, tetsy aminny biraony etsy Ampandrana ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Kaominini Talatavolonondry Midina mitety fokontany mitaky hetra

20/02/2017

Tena nalaina tanteraka taminny fandoavan-ketra ny mponina tao Talatavolonondry nanomboka ny taona 2009 no ho mankaty, raha araka ny fanazavanny Benny tanna Rakotondrafaraniaina Martin.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Boriborintany faha-4 Fanatanjahantena no iadiana aminny zava-mahadomelina

20/02/2017

Arovana tsy hirona aminny fifohana sy fidorohana zava-mahadomelina ireo tanora ao aminny Boriborintany fahefatra.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miesona tanteraka !

20/02/2017

Hainny mpitondra eto amintsika ny mipasoka sy mandamin-dresaka momba ny zava-misy eto aminny firenena,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana