Fil d'actualités du 28/07/2017

  • 28/07/2017 - 15:00 : Mamy Rakotoarivelo: Nentina eny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha hanaovana "Autopsie" ny vatana mangatsiakan'ity Minisitra, Filohan'ny antenimieram-pirenena, Filohan'ny Kongresin'ny Tetezamita teo aloha ity amin'izao fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 14:00 : Antsalovana Antohomadinika _Trano noravana: Tranohazo miisa 46 no noravana teny Antsalovana Antohomadinika omaly vao mangiran-dratsy. Efa tamin’ny 2009 no nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ireo nipetraka teo, ary efa tamin’izany no nanatsatohana baorina sy nisian’ny fifandaminana fa tsy tokony kitihina ireo trano noho ny lafiny maha olona, saingy izao narodana izao ihany.

  • 28/07/2017 - 13:25 : Vaovao mafana: _Namono tena i Mamy Rakotoarivelo: Maty nitifi-tena teo amin'ny lohany androany jolay i Mamy Rakotoarivelo, mpanao politika, Filohan'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha. Nialoha izao dia nandefa hafatra sy nanazava ny olany maro samihafa: ara-pianakaviana, ara-bola,...tao amin'ny kaonty "facebook" izy omaly. Efa miantrana eny amin'ny tranony eny Ankadifotsy ny mpitandro filaminana amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 13:00 : Tsihombe _Tranga hafa kely: Mpiadina bakalorea iray no teraka nandritra ny fiatrehana ny laza adina Frantsay omaly. Tamin’ny 8 ora maraina no nihetsi-jaza izy. Tsy maintsy nokarakaraina, ka nentina tany amin’ny toeram-piterahana, ka Tsihombe ary teraka lahikely. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreny, ka Lauréat Célestin no natao anarany, ka avy amin’ny hoe Bakalorea ilay hoe “Lauréat” ary ilay Célestin dia nalaina tamin’ny lehiben’ny fiambenanana ny fanadianana, dia ramatoa antsoina hoe Célestine.

  • 28/07/2017 - 12:30 : Amborihala Andapa _Trangam-piarahamonina: Tovolahy iray vao 25 taona no maty tsy tra-drano tany Amborihala, distrikan’Andapa, faritra Sava no maty tsy tra-drano nandritra savorovoro tao anaty alim-pandihizana halina. Ahiana ny ny savorovoro sy ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao satria tsy manaiky ny fianakaviany sy mpiray tanàna aminy. Efa miantrana ihany koa ny mpitandro filaminana.

  • 28/07/2017 - 12:00 : Farafangana _Raharaha famonoana ampanjaka : Misy andian’olona mitady hanelanelana amin’ny fanafahana vonjimaika ireo 12 voapanga tamin’ny famonoana ny ampajaka Tata Philbert, ary mitady hanao fitadiavam-bola izany. Mampitandrina ireo mikendry hamoaka ireo vaoarohirohy ireo kosa i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny foko Zafisoro.

  • 28/07/2017 - 11:30 : Finoana katolika : Amin’ny alatsinainy 31 jolay no hatao ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Monsenera Jean-Pierre-Dominique Zevaco, Evekan’ny diosezin’i Tolagnaro teo aloha, izay nodimandry teo amin’ny faha 92 taonany ny talata 25 jolay teo. Ho tonga any Tolagnaro ny alahady izao ny vatana mangatsiakany ary halevina ao amin’ny katedraly ao an-toerana ny ampitso aorian’ny sorona masina lehibe.

  • 28/07/2017 - 11:00 : Faritra Analamanga _Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Nahatratara hatrany amin'ny 90 no maty an-dalambe vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an'ny taona 2016, izay nihoatra lavitra noho ireo maty noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany dia nanolotra "motos" miisa 7 ho an'ny mpitandro filaminana ny faritra Analamanga mba ho fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalàm-pirenena.

  • 28/07/2017 - 10:30 : Antanetibe Ivato _Lozam-pifamoivoizana: 1 maty ary 7 no naratra mafy, raha ny vaovao farany mikasika ilay loza mahatsiravina niseho halina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Fiara marika Peugeot 308 nentina mpamily mamo no voalaza fa fototry ny loza.

  • 28/07/2017 - 10:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Tsy eny am-ponja intsony ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany naiditra am-ponja vonjimaika. Fianakavian'ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy io raha ny vaovao mivoaka amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

28/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170221

Misongadina

Fitondran'ny HVM Fanjakan-jiolahy

21/02/2017

Telo taona mahery kely izay no nitondranny fanjakana HVM ani Madagasikara. Telo 3 taona vao mainka nampihemotra sy nampikorosy fahana ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitsarana an'i Lylison Ara-dalna tsara, hoy ny minisitra

21/02/2017

Manoloana ny didim-pitsarana nivoaka ny 14 febroary, manameloka ny loholona Lylison higadra an-tranomaizina 1 taona sazy mihatra

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 37,5 miliara Ariary no ilaina

21/02/2017

Tontosa omaly tolakandro teny aminny foibenny Vaomiera mahaleotena mpikarakara ny fifidianana (CENI) eny Alarobia ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ho fanohanana ireo fifidianana eto

Hamaky ny tohiny...

Mahafaly Olivier Halefa ambasadaoro any Frantsa ?

21/02/2017

Hahatratra ny faherintaonany aminny aprily 2017 sa ho rava alohanizay ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier ? Re miverimberina tato ho ato mantsy ny hanovana io governemanta am-perinasa io.

Hamaky ny tohiny...

Tiako I Madagasikara Hitantana indray ny firenena aminny 2018

21/02/2017

Tontosa ny alahady 19 febroary 2017 ny fifampiarahabana ny taona vaovao 2017 ho anny vehivavy Tiako I Madagasikara boriborintany faha-6. Nahatonga solontena avokoa ireo mpikambana avy aminny FOKOTIM 31 izay nanodidina ny 250.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Efa mandeha ny fanadihadiana

21/02/2017

Salama tsara ve ry Jean a ! Ahoana indray ity aferan-dry lava orona mifampitifitra eto aminny tanna ity ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Zonny mpiasa ECD Hiara-kiasa ny CNaPS sy ny fanjakana

21/02/2017

Ho antsika eto Madagasikara dia ny CNaPS no napetraky ny lalna miahy ny Fiahiana ara-tsosialinny mpiasa aminny sehatra tsy miankina sy ireo mpiasa ECD

Hamaky ny tohiny...

CLD Ambohidratrimo Notsinjaraina taminny kaominina 12

21/02/2017

Tapaky ny fivoriambenny komity ifotony misahana ny fampandrosoana eo anivonny distrikanAmbohidratrimo ny fitsinjarana ilay tetibola 200 tapitrisa ariary aminireo kaominina 12 isan-taona.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Tanimbary an-jatony hektara difotry ny rano

21/02/2017

Velaran-tany maromaro no dibodrano amininy Distrika Antananarivo Atsimondrano iny, taorianny orana nisesy ny faranny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

CENTRE VONJY -BEFELATANANA 84 taona no zokiny indrindra taminireo voaolana

21/02/2017

84 taona no zokiny indrindra aminireo olona voaolana tonga manatona ny Centre Vonjy etsy aminny hopitaly Befelatanana, hoy ny Commandant Andrianirina Jean Paul, taminny mpanao gazety omaly.

Hamaky ny tohiny...

"Bus Intelligent" Mbola mila fanofanana ny mpamily

21/02/2017

Naneho ny heviny mikasika ilay bus intelligent kasainny fanjakana hampiasaina eto an-drenivohitra sy ny manodidina omaly Andriamatoa Maradonna, filohanny koperativa Contrasmar mampitohy anAnosy sy Vontovorona.

Hamaky ny tohiny...

BNI MADAGASCAR Vonona ny hanohana ireo mpandraharaha ara-toekarena rehetra

21/02/2017

Banky iray anisanny manohana hatrany ireo karazana hetsika ara-toekarena tanterahina eto amintsika ny banky BNI Madagascar entina hampandrosoana ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mila miala sasatra

21/02/2017

Tsy moramora ny mitondra firenena. Ekena tokoa izany. Na mety na tsy mety ny rafitra apetraka dia mitombina foana io teny io.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana