Fil d'actualités du 21/09/2017

  • 21/09/2017 - 10:43 : Lalampanorenana:anisan'ireo tsy mankasitraka ny hikitihana ny lalampanorenana ny praiminisitra tamin'ny tetezamita Atoa Jean Omer Beriziky izay namoaka fanambarana ofisialy niaraka tamina vondrona mpanao politika ahitana an-dry Hajo Andrianainarivelo sy Hery Raharisaina.Ny fifidianana filohampirenena amin'ny 2018 no laharampahamehana aminy.

  • 21/09/2017 - 10:40 : Omavet:andalam-panavaozana ny fitaovana ao aminy ny Omavet eny Ampasampito ankehitriny.Ho vita afaka efa-bolana ny asa ary ny volana janoary 2018 no hiasa amin'izay ity ivotoeram-pitsirihana sy fanamboarana fiara maoderna ity.

  • 21/09/2017 - 10:25 : Zandarimariam-pirenena:tsy isafidianana galona ny fanasaziana ireo zandary mandika lalàna hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.Voasazy avy hatrany ireo voaporofo fa nanao ny tsy mety ka 25 izao ireo zandary nampidirina am-ponja tamin'ity taona ity.

  • 21/09/2017 - 09:20 : Pesta:azo ambara fa efa voafehy ny aretina pesta eto amintsika amin'izao fotoana noho ny fandraisan'andraikitra nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana hoy ny minisitry ny fahasalamana omaly.Arahamaso manokana ireto faritra nisian'ireo olona maty na nararin'ny pesta, mandeha ihany koa ny fanadiovana tanteraka ireo faritra tena maloto eto an-drenivohitra mba isorohana ny mety ho fihanaky ny pesta.

  • 21/09/2017 - 09:05 : RN7:efa miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizan'ny fiara ao Vohiposa amin'ny lalampirenena faha-7.Tsy maintsy miainga aloha anefa ireo taksibrosy amin'izay tsy mandalo maizina eo amin'ilay "déviation".Amin'ny 1 ora atoandro ohatra no miainga ireo taksibrosy eny amin'ny fasan'ny karana raha tamin'ny 3 ora tolakandro izany teo aloha.

  • 21/09/2017 - 08:55 : FTAR:manizingizina Rtoa Clémence Raharinirina fa tsy hifampidinika amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra izany ny mpamily taxi ary tsy eken'izy ireo hatramin'ny farany ny famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.

  • 21/09/2017 - 08:45 : Taxi-ville:hisy ny fifampiresahana eo amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra sy ireo mpamily taxi ny sabotsy ho avy izao.Hifampiresahana izay zavatra mbola tsy mazava ary inoanay fa hiravona ny olana momba ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet Ampasampito,hoy i Julien Andriamorasata lefitra faharoan'ny ben'ny tanàna.

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170222

Misongadina

Marc Ravalomanana Tsy misy nini izany eo

22/02/2017

Efa eto aho izao, hoy ny filohanny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana, raha namaly ny fanontanianny mpanao gazety mikasika ny feo mandeha fa efa misy sahady ny sakantsakana isan-karazany mba tsy hilatsahany hofidiana ho filoham-pirenena aminny 2018.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fampihavanana sy fitoniana Vonona tokoa ve ireo mpanao politika ?

22/02/2017

Hifarana anio indray, etsy aminny carlton Anosy, ny atrikasa iray izay natomboka omaly natokana ho an'ny antoko politika ary miompana aminny tarika sy fampanjakana ny fandriampahalemana sy ny demokrasia eto aminny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Omer Beriziky Tanteraho ny hetahetam-bahoaka

22/02/2017

Tsy ny fanovana anaran-drafitra no zava-dehibe sy hitondra fiovana fa ny votoatiny, raha nanontanianny mpanao gazety mikasika ilay 12 miliara ariary hofenoina ao anatinny kitapom-bolam-panjakana izay nantsoina hoe PACEM taloha ary novana SACEM ankehitriny ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky.

Hamaky ny tohiny...

Loholona sy mpandraharaha iray Mandroba any Fianarantsoa

22/02/2017

Loholona sy mpandraharaha iray efa malaza ho tsy azo kitikitihina noho izy ireo milaza fa akaikin'ny filoham-pirenena indray no voalaza fa manao fananararaotam-pahefana any aminny faritra Fianarantsoa any aminizao fotoana izao, ka mihorohoro tanteraka ny mponina.

Hamaky ny tohiny...

Fiaiken-keloka sy fifonana Tsy sakana aminny fampiharan-dalna

22/02/2017

Ohabolana Malagasy tsy lefy laza mandrakankehitriny ny hoe Ny heloka ibabohana mody rariny.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Taraiky Rajoelina, malalaka i Dadavalo

22/02/2017

Resaka voizina aminizao ny hoe nini mba hisakanana ireo kandida atahorana na dia milaza aza ny fanjakana HVM fa tsy misy ny sakantsakana rehefa mahafeno fepetra.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Zatra ny lalan-dririnina

22/02/2017

Miarahaba ani Jean indray aloha nahatratra izao maraina vaovao ahafahana manambaka anay izao e ! Atao ahoana moa fa sendra izay mpiara-monina efa resy tanteraka ka dia eo ambany fahefanareo manontolo e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Hery Rajaonarimampianina Fototry ny loza

22/02/2017

Manomana fatratra ny firotsahan-kofidiany aminny fifidianana filoham-pirenena ho avy manaraka eo ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Hiary Rapanoelina Nisintona ny fitoriany ny sendikanny artista

22/02/2017

Mivaha aminny ampahany ny raharaha nahasaringotra ilay mpanakanto Hiary Rapanoelina, naiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha fanalam-baraka tao anatinny vondrona fesiboky (Fifosana hanatsarana ny pipoles Gasy).

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany Faharoa Efa mivoatra

22/02/2017

Miha mivoatra ny Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra ankehitriny. Efa mihatony ny fandriampahalemana, manomboka tsy hita ny mpivarotra amoron-dalana, madio sy milamina ny tanna.

Hamaky ny tohiny...

Mihavitsy ny omby 60 kamiao isanandro no mivoaka ao Ihosy

22/02/2017

Ahiana tsy hisy omby intsony eto amintsika afaka dimy taona, hoy Rabetsara Lita, filohanny fikambanana mpiaro ny zonny mpanjifa RNDC. Mety hiakatra 40.000 Ar ny iray kilao afaka dimy taona ka hifampitadiavana indray ny masikita

Hamaky ny tohiny...

BANKY BNI Namoaka tolotra vaovao indray

22/02/2017

Namoaka tolotra vaovao indray ny banky BNI entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa rehetra. Karazana pack miisa telo izy io, tolotra izay izy ireo no nisantatra izany voalohany teto amintsika no sady tsy mitsaha-mivoatra.

Hamaky ny tohiny...

RAHARAHA HAFARI MALAGASY Hivoaka ny 28 febroary ny didim-pitsarana

22/02/2017

Niakatra fitsarana omaly ny filoha nasionalinny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina taorianny dimy volana mahery nampidirana am-ponja azy vonjimaika teny aminny fonjabenAntanimora.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy ampy finiavana !

22/02/2017

Fomba fisaina zary raiki-tapisaka aminny Malagasy, indrindra ny mpitondra, ny miantso manampahaizana avy any ivelany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana