Fil d'actualités du 21/09/2017

  • 21/09/2017 - 10:43 : Lalampanorenana:anisan'ireo tsy mankasitraka ny hikitihana ny lalampanorenana ny praiminisitra tamin'ny tetezamita Atoa Jean Omer Beriziky izay namoaka fanambarana ofisialy niaraka tamina vondrona mpanao politika ahitana an-dry Hajo Andrianainarivelo sy Hery Raharisaina.Ny fifidianana filohampirenena amin'ny 2018 no laharampahamehana aminy.

  • 21/09/2017 - 10:40 : Omavet:andalam-panavaozana ny fitaovana ao aminy ny Omavet eny Ampasampito ankehitriny.Ho vita afaka efa-bolana ny asa ary ny volana janoary 2018 no hiasa amin'izay ity ivotoeram-pitsirihana sy fanamboarana fiara maoderna ity.

  • 21/09/2017 - 10:25 : Zandarimariam-pirenena:tsy isafidianana galona ny fanasaziana ireo zandary mandika lalàna hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.Voasazy avy hatrany ireo voaporofo fa nanao ny tsy mety ka 25 izao ireo zandary nampidirina am-ponja tamin'ity taona ity.

  • 21/09/2017 - 09:20 : Pesta:azo ambara fa efa voafehy ny aretina pesta eto amintsika amin'izao fotoana noho ny fandraisan'andraikitra nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana hoy ny minisitry ny fahasalamana omaly.Arahamaso manokana ireto faritra nisian'ireo olona maty na nararin'ny pesta, mandeha ihany koa ny fanadiovana tanteraka ireo faritra tena maloto eto an-drenivohitra mba isorohana ny mety ho fihanaky ny pesta.

  • 21/09/2017 - 09:05 : RN7:efa miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizan'ny fiara ao Vohiposa amin'ny lalampirenena faha-7.Tsy maintsy miainga aloha anefa ireo taksibrosy amin'izay tsy mandalo maizina eo amin'ilay "déviation".Amin'ny 1 ora atoandro ohatra no miainga ireo taksibrosy eny amin'ny fasan'ny karana raha tamin'ny 3 ora tolakandro izany teo aloha.

  • 21/09/2017 - 08:55 : FTAR:manizingizina Rtoa Clémence Raharinirina fa tsy hifampidinika amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra izany ny mpamily taxi ary tsy eken'izy ireo hatramin'ny farany ny famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.

  • 21/09/2017 - 08:45 : Taxi-ville:hisy ny fifampiresahana eo amin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra sy ireo mpamily taxi ny sabotsy ho avy izao.Hifampiresahana izay zavatra mbola tsy mazava ary inoanay fa hiravona ny olana momba ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet Ampasampito,hoy i Julien Andriamorasata lefitra faharoan'ny ben'ny tanàna.

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170223

Misongadina

Hita ny misy an'i Lylison Ho avy ny fisamborana ...

23/02/2017

Taorianny fametrahana taratasy mangataka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalmpanorenana (HCC) nataonny filohanny antenimierandoholona mikasika ny raharaha loholona Lylison Ren de Rolland ny 27 janoary, dia namoaka ny heviny ity andrim-panjakana ity omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Tonga masiaka i Dadavalo sy Rajoelina Mihorohoro ny HVM

23/02/2017

Fifidianana malalaka tsy misy sakantsakana no andrandrainny rehetra aminny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Sahia ry Gasy Ndao Mbola mamim-bahoaka ny filoham-pirenena

23/02/2017

Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona tetsy aminny live hotel 67 hektara omaly ry zareo mpikambana ao anatinny Sahia ry Gasy Ndao (SGN) na ilay vovonana ho anny fiarovana ny repoblika fahefatra sy ny fiandrianam-pirenena izay tarihinny depioteni Moramanga, Charles Randriamahefa.

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI Omeo fahefana ny faritra !

23/02/2017

Ny nanovana ny didim-pitondrana taminny taona 1973 izay misy andininy 3 dia ny andininy 012, 013 ary 014, hoy ny filohanny antoko TAnora Malagasy MIroso (TAMAMI), Samihary Floriot, no fototry ny olana eto amintsika aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Berija Ravelomanantsoa Izay misy vola ihany no akama !

23/02/2017

Nivahiny tamina onjam-peo tsy miankina iray i Berija Ravelomanantsoa omaly.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Tsy matahotra fifidianana ny TIM

23/02/2017

Mitaky fifidianana demokratika, mangarahara sy tsy manavaka ny fianakaviambe iraisampirenena ary miandrandra voka-pifidianana lavitry ny hala-bato sy safidim-bahoaka malalaka tsy misy fanodinkodinana ihany koa ny olom-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Vava zatra mikombona !

23/02/2017

Andrekaky o ! Fa loza inona indray ity ry Jean a ! Tsy vitanareo ny nanenjika na mba nanitsy ny dianilay vehivavy akamanareo taminilay afera be tany atsimotsimo tany, ka na ry zareo miseho be saina eny Ambohibao sy etsy Anosy aza tsy nahovoka fa niala maina toy ny takotra e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Webhelp Madagascar 3 000 m ny toeram-piasany eny Andraharo

23/02/2017

Fomba fiasa efa tena manana ny maha izy azy sy mandeha tsara eto Madagasikara ny Outsourcing .

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana an'Antananarivo Manana anjara toerana lehibe ireo fokontany

23/02/2017

Nihaona taminireo sefom-pokontany avy aminny boriborintany faha-2 sy faha-6 teny aminny Lapanny tanna ny tomponandraikitra vitsivitsy eo anivonny kaominina izay notarihinny benny tanna Lalao Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

TsenanAnalakely Maharaka vaovao aminny radio ireo mpivarotra

23/02/2017

Mandeha tsara ny radionny tsena hifampiseraserana aminireo mpivarotra napetraky ny CUA ao Analakely ka afaka manaraka ny vaovao rehetra misy eto aminny firenena sy manerana anizao tontolo izao indray ankehitriny ireo mpivarotra ao.

Hamaky ny tohiny...

Airtel sy Allianz Hiara-kiasa amin'ny resaka fiantohana

23/02/2017

Ny volana novambra taona 2014 no nampahafantarina voalohany teto amintsika ny fiantohana Antoka , vokatry ny fiaraha-miasanny orinasam-pifandraisana Airtel sy ny Allianz Madagascar.

Hamaky ny tohiny...

Salon De Lemploi Et De La Formation Hanomezana asa manodidina ny 1500 isa

23/02/2017

Miezaka hatrany manampy ireo tanora tsy anasa eto amintsika ny ivontoerana mpikarakara olona mitady asa MRH (Maganement Ressources Humaines).

Hamaky ny tohiny...

Fanoherana ny herisetra Hamoaka rakitsary ny ISPPS

23/02/2017

Sekoly ambony iray manofana ho mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ny ISPPS ( Institut Suprieur des Paramdicaux et Promotion de la Sant) etsy Andrefanambohijanahary.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy misy fepetra !

23/02/2017

Manohana tsy misy fepetra ! Niredona indray io teny io omaly nandritry ny famoriana mpanao gazety teny 67 ha.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana