Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170224

Misongadina

Fanjakana Malagasy Manary 750 tapitrisa dolara isan-taona

24/02/2017

Mitentina 500 hatraminny 750 tapitrisa dolara isan-taona ny vola very amin ireo harena an-dranomasina eto Madagasikara noho ny lafiny tsy filaminana, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha Hery Rajaonarimampianina teny aminny Carlton Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Asio action ary eee

24/02/2017

Miarahaba jean a, ilay izy anie ra jean tsy vitanny hoe mihetsiketsika sy mitokana zava-bita eo nareo dia milamina ny zava-drehetra e.na mahazo sambo haingam-pandeha 100 aza isika ka mahavita manenjika ireo mpanao trafika any afovoan-dranomasina be any

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fitsarana Malagasy Mihamahazo vahana ny kolikoly

24/02/2017

Nosokafana omaly alakamisy 23 febroary taminny fomba ofisialy teny aminny Fitsarana tampony Anosy ny taom-pitsarana ho anity taona vaovao 2017 ity

Hamaky ny tohiny...

Fanday mamotika voly any Afrika Mananontanona antsika ny loza

24/02/2017

Efa manomboka mihanaka any amina firenena vitsivitsy any Afrika ny karazana fanday iray ary mamotika ny fambolena toy ny vary, katsaka, sorgo ...

Hamaky ny tohiny...

Fitsaram-bahoaka, asan-jiolahy Be galona 3 tokony hametra-pialana

24/02/2017

Mikorontana tanteraka ny firenena aminizao fotoana izao. Tsy voafehinny mpitandro ny filaminana intsony ny fandriampahalemana, fa tena mandry andriranantsy ara-bakiteny ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany faha-IV Maimaimpoana ny kopia voalohanny zaza vao teraka

24/02/2017

Adidinny mpitantana ny kaominina ny mijery ifotony manara-maso ny fanavaozana na fanamboarana ireo fotodrafitrasa vatsianny CLD (Comit Local de Dveloppement) vola, hoy ny delegenny boriborintany faha-IV Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel.

Hamaky ny tohiny...

Herisetranny polisy Efa nandrodana fitondrana

24/02/2017

Polisy ! Efa nanao tantara ary mbola mitohy mametraka tantara eto Madagasikara izany

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Manakara Mipaika ny oranny fampandrosoana

24/02/2017

Anisanny tanna mafana ara-politika i Manakara ao Vatovavy Fitovinany. Nanaporofo izany ny tranga taminny 2009.

Hamaky ny tohiny...

Jean Nirina - HAFARI Nifamela tamin'ny olona nitory azy

24/02/2017

Nifamela tanteraka ny filoha nasionalinny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina sy Ramatoa Joella Anthony Ndakana, ilay renim-pianakaviana nitory itsy voalohany momba ny resaka fitazonanolona an-keriny, ka nampiditra am-ponja azy.

Hamaky ny tohiny...

WEBHELP MADAGASCAR Nahazo ivon-toerana vaovao

24/02/2017

Nahazo ivon-toerana vaovao ny Webhelp Madagascar, orinasa laharana fahatelo any aminny firenena Eoropeana, havanana aminny fampifandraisana ny olona isan-tsokajiny aminny alalanireo karazam-pitaovana manaraka ny teknolojia avo lenta toy ny finday.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Kely tsy mba mamindro !

24/02/2017

Rehefa ny lehibe no voakitikitika dia mailaka ery ny fandraisanandraikitra eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Nanamarika ny andronny Telma

24/02/2017

Nanamarika ny andronny Telma ny sekoly ambony UPRIM. Ny alarobia teo no nanatanterahany azy ity tetsy aminny foibeny etsy Andavamamba,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana