Fil d'actualités du 28/07/2017

  • 28/07/2017 - 15:00 : Mamy Rakotoarivelo: Nentina eny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha hanaovana "Autopsie" ny vatana mangatsiakan'ity Minisitra, Filohan'ny antenimieram-pirenena, Filohan'ny Kongresin'ny Tetezamita teo aloha ity amin'izao fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 14:00 : Antsalovana Antohomadinika _Trano noravana: Tranohazo miisa 46 no noravana teny Antsalovana Antohomadinika omaly vao mangiran-dratsy. Efa tamin’ny 2009 no nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ireo nipetraka teo, ary efa tamin’izany no nanatsatohana baorina sy nisian’ny fifandaminana fa tsy tokony kitihina ireo trano noho ny lafiny maha olona, saingy izao narodana izao ihany.

  • 28/07/2017 - 13:25 : Vaovao mafana: _Namono tena i Mamy Rakotoarivelo: Maty nitifi-tena teo amin'ny lohany androany jolay i Mamy Rakotoarivelo, mpanao politika, Filohan'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha. Nialoha izao dia nandefa hafatra sy nanazava ny olany maro samihafa: ara-pianakaviana, ara-bola,...tao amin'ny kaonty "facebook" izy omaly. Efa miantrana eny amin'ny tranony eny Ankadifotsy ny mpitandro filaminana amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 13:00 : Tsihombe _Tranga hafa kely: Mpiadina bakalorea iray no teraka nandritra ny fiatrehana ny laza adina Frantsay omaly. Tamin’ny 8 ora maraina no nihetsi-jaza izy. Tsy maintsy nokarakaraina, ka nentina tany amin’ny toeram-piterahana, ka Tsihombe ary teraka lahikely. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreny, ka Lauréat Célestin no natao anarany, ka avy amin’ny hoe Bakalorea ilay hoe “Lauréat” ary ilay Célestin dia nalaina tamin’ny lehiben’ny fiambenanana ny fanadianana, dia ramatoa antsoina hoe Célestine.

  • 28/07/2017 - 12:30 : Amborihala Andapa _Trangam-piarahamonina: Tovolahy iray vao 25 taona no maty tsy tra-drano tany Amborihala, distrikan’Andapa, faritra Sava no maty tsy tra-drano nandritra savorovoro tao anaty alim-pandihizana halina. Ahiana ny ny savorovoro sy ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao satria tsy manaiky ny fianakaviany sy mpiray tanàna aminy. Efa miantrana ihany koa ny mpitandro filaminana.

  • 28/07/2017 - 12:00 : Farafangana _Raharaha famonoana ampanjaka : Misy andian’olona mitady hanelanelana amin’ny fanafahana vonjimaika ireo 12 voapanga tamin’ny famonoana ny ampajaka Tata Philbert, ary mitady hanao fitadiavam-bola izany. Mampitandrina ireo mikendry hamoaka ireo vaoarohirohy ireo kosa i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny foko Zafisoro.

  • 28/07/2017 - 11:30 : Finoana katolika : Amin’ny alatsinainy 31 jolay no hatao ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Monsenera Jean-Pierre-Dominique Zevaco, Evekan’ny diosezin’i Tolagnaro teo aloha, izay nodimandry teo amin’ny faha 92 taonany ny talata 25 jolay teo. Ho tonga any Tolagnaro ny alahady izao ny vatana mangatsiakany ary halevina ao amin’ny katedraly ao an-toerana ny ampitso aorian’ny sorona masina lehibe.

  • 28/07/2017 - 11:00 : Faritra Analamanga _Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Nahatratara hatrany amin'ny 90 no maty an-dalambe vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an'ny taona 2016, izay nihoatra lavitra noho ireo maty noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany dia nanolotra "motos" miisa 7 ho an'ny mpitandro filaminana ny faritra Analamanga mba ho fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalàm-pirenena.

  • 28/07/2017 - 10:30 : Antanetibe Ivato _Lozam-pifamoivoizana: 1 maty ary 7 no naratra mafy, raha ny vaovao farany mikasika ilay loza mahatsiravina niseho halina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Fiara marika Peugeot 308 nentina mpamily mamo no voalaza fa fototry ny loza.

  • 28/07/2017 - 10:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Tsy eny am-ponja intsony ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany naiditra am-ponja vonjimaika. Fianakavian'ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy io raha ny vaovao mivoaka amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

28/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170227

Misongadina

Marc Ravalomanana Alaintsika ny fahefana

27/02/2017

Sahy ary efa vonona handray fahefana aminny taona 2018 i Marc Ravalomanana sy Tiako i Madagasikara,izany no antonny fitsidiham-paritra sy fihaonana aminireo mpikambana TIM ary hanatontosoana fampihofanana ho anireo tomponandraikitra rehetra ao aminny antoko manerana ny nosy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Tsy mahatoky tena ny HVM Efa mipoapoaka ny fampielezan-kevitra

27/02/2017

Fanamarihana ny faha-50 taonan'ny jono makamba teto Madagasikara no natao eto anoloan'ny biraonny Antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-tanety (APMF) eo amin'ny bord de la mer Mahajanga ny zoma lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Anandra Norbert Tokony ho tsaraina ?

27/02/2017

Tsy andrenesam-peo intsony na ny tomponandraikitra voalohany eo anivonny mpitandro filaminana, na ny praiminisitra lehibenny governemanta, na ny filoham-pirenena sady filoha faratamponny foloalindahy manoloana ilay loza tsy roa aman-tany nitranga tany Befandriana Avaratra.

Hamaky ny tohiny...

Andronny fifamelana !

27/02/2017

Nanatsoaka ny fitoriany ilay lehilahy mpitarika fikambanana iray ny vehivavy iray izay nilaza fa notazoniny an-keriny, ka nitory azy. Nanaiky hanala ny fitoriana natao anilay mpanakanto iray voalaza fa tomponantoka tamina fanalam-baraka tany anaty tambajotram-pifandraisana fesiboky ireo rehetra nitory azy.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana ankehitriny Miharihary ny tsy fahaiza-mitantana

27/02/2017

Taminny herinandro dia efa niaiky mihitsy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Rivo Rakotovao, fa miadana loatra ny fampandroam-pirenena eto amintsika, raha nanokatra atrikasa iray tery aminny espace dera tsiadana tery.

Hamaky ny tohiny...

PM Solonandrasana Mahafaly Nahazo ny Prix Mandela du courage 2016

27/02/2017

Ny sabotsy lasa teo no notanterahana tany Paris-renivohitra Frantsay ny fizarana ny loka Mandela ka nandrombaka ny antsoina hoe Prix Mandela du courage 2016 ny praiminisitra Malagasy Solonandrasana Mahafaly Olivier.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Tara fiaingana

27/02/2017

Veloma ianao ry Jean fa ny olona efa tafainga ho any Ambohimpandrosoana daholo ! Ianao irery izany sisa ity no hanao toy ny fikan-dRabitro nifaninana nihazakazaka tamin-dRasokatra taminny anganom-bazaha nalaza efa ela iny. Ilaozy misozy eo foana e ! Efa be dia be mihitsy izao ny sokatra lasa lavitra noho isika .

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Solontena maharitry ny PNUD Afa-po tamin'ny asa tany atsimo andrefana

27/02/2017

Ny alakamisy sy zoma teo no nitsidika ny faritra atsimo andrefana ny solontena maharitry ny PNUD na ny sampan-draharahanny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana, Violette Kakyomya.

Hamaky ny tohiny...

Voasaringotra amina vonoanolona Mirehareha ho tsy azo samborina ilay olonny HVM

27/02/2017

Maty nisy namono ny 6 janoary 2017 ny lehibenny fandriampahalemana na kalny tao aminny kaominini Mandabe distrika ny Mahabo, Razakandrainy na Ndrainy.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Antsakabary Navotsotra ny Benny tanna, olona 31 hatolotra ny Fampanoavana anio

27/02/2017

Niisa 33 ireo olona nosamborinny Hery vonjitaitranny polisy (FIP) nisambotra ireo olona heverinizy ireo fa tomponantoka taminny fitsaram-bahoaka ka nahafaty Polisy roalahy tany Ambalamanga,

Hamaky ny tohiny...

RovanAntsahadinta Tsy misy mpiraharaha

27/02/2017

Vitsy dia vitsy ireo olona tonga mitsidika ny rovanAntsahadinta, raha ny fitantaranireo mponina vokatry ny lalana ratsy dia ratsy mihazo ity vako-pirenena ity.

Hamaky ny tohiny...

Lalana Avarabohitra Itaosy Ahiana ho tapaka indray

27/02/2017

Ahiana ho tapaka indray ny lalana eny Avarabohitra Itaosy ao anatinny kaominina Itaosy. Hatraminny nirotsahanny ranonorana no tena nahitana taratra izany.

Hamaky ny tohiny...

ECCOVA Mpianatra 900 no navoaka taminny 2016

27/02/2017

Fahombiazana tanteraka ny taom-pianarana 2016 ho anny Ecole de Coupe et Couture Volana ( ECCOVA). Nihoatra ny 900 ireo mpianatra navoaka manerana ireo ivon-toerana 22 misy azy manerana ny Nosy, raha mihoatra ny 20.000 alina izany tao anatinny 22 taona nijoroany.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fanafihana taksibrosy RN7 Polisy iray maty rotiky ny bala

27/02/2017

Nandriaka indray ny r. Nitrangana fanafihan-dahalo namoizana ainolona indray taminny lalam-pirenena fahafito iny, ny alinny zoma hifoha ny asabotsy teo, tokony ho taminny roa ora maraina, teo anelanelanny Camp Robin sy Ambohimahasoa (10 km miala ani Camp Robin mianatsimo hiditra an Ambohimahasoa).

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana