Fil d'actualités du 28/07/2017

  • 28/07/2017 - 15:00 : Mamy Rakotoarivelo: Nentina eny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha hanaovana "Autopsie" ny vatana mangatsiakan'ity Minisitra, Filohan'ny antenimieram-pirenena, Filohan'ny Kongresin'ny Tetezamita teo aloha ity amin'izao fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 14:00 : Antsalovana Antohomadinika _Trano noravana: Tranohazo miisa 46 no noravana teny Antsalovana Antohomadinika omaly vao mangiran-dratsy. Efa tamin’ny 2009 no nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ireo nipetraka teo, ary efa tamin’izany no nanatsatohana baorina sy nisian’ny fifandaminana fa tsy tokony kitihina ireo trano noho ny lafiny maha olona, saingy izao narodana izao ihany.

  • 28/07/2017 - 13:25 : Vaovao mafana: _Namono tena i Mamy Rakotoarivelo: Maty nitifi-tena teo amin'ny lohany androany jolay i Mamy Rakotoarivelo, mpanao politika, Filohan'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha. Nialoha izao dia nandefa hafatra sy nanazava ny olany maro samihafa: ara-pianakaviana, ara-bola,...tao amin'ny kaonty "facebook" izy omaly. Efa miantrana eny amin'ny tranony eny Ankadifotsy ny mpitandro filaminana amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 13:00 : Tsihombe _Tranga hafa kely: Mpiadina bakalorea iray no teraka nandritra ny fiatrehana ny laza adina Frantsay omaly. Tamin’ny 8 ora maraina no nihetsi-jaza izy. Tsy maintsy nokarakaraina, ka nentina tany amin’ny toeram-piterahana, ka Tsihombe ary teraka lahikely. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreny, ka Lauréat Célestin no natao anarany, ka avy amin’ny hoe Bakalorea ilay hoe “Lauréat” ary ilay Célestin dia nalaina tamin’ny lehiben’ny fiambenanana ny fanadianana, dia ramatoa antsoina hoe Célestine.

  • 28/07/2017 - 12:30 : Amborihala Andapa _Trangam-piarahamonina: Tovolahy iray vao 25 taona no maty tsy tra-drano tany Amborihala, distrikan’Andapa, faritra Sava no maty tsy tra-drano nandritra savorovoro tao anaty alim-pandihizana halina. Ahiana ny ny savorovoro sy ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao satria tsy manaiky ny fianakaviany sy mpiray tanàna aminy. Efa miantrana ihany koa ny mpitandro filaminana.

  • 28/07/2017 - 12:00 : Farafangana _Raharaha famonoana ampanjaka : Misy andian’olona mitady hanelanelana amin’ny fanafahana vonjimaika ireo 12 voapanga tamin’ny famonoana ny ampajaka Tata Philbert, ary mitady hanao fitadiavam-bola izany. Mampitandrina ireo mikendry hamoaka ireo vaoarohirohy ireo kosa i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny foko Zafisoro.

  • 28/07/2017 - 11:30 : Finoana katolika : Amin’ny alatsinainy 31 jolay no hatao ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Monsenera Jean-Pierre-Dominique Zevaco, Evekan’ny diosezin’i Tolagnaro teo aloha, izay nodimandry teo amin’ny faha 92 taonany ny talata 25 jolay teo. Ho tonga any Tolagnaro ny alahady izao ny vatana mangatsiakany ary halevina ao amin’ny katedraly ao an-toerana ny ampitso aorian’ny sorona masina lehibe.

  • 28/07/2017 - 11:00 : Faritra Analamanga _Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Nahatratara hatrany amin'ny 90 no maty an-dalambe vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an'ny taona 2016, izay nihoatra lavitra noho ireo maty noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany dia nanolotra "motos" miisa 7 ho an'ny mpitandro filaminana ny faritra Analamanga mba ho fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalàm-pirenena.

  • 28/07/2017 - 10:30 : Antanetibe Ivato _Lozam-pifamoivoizana: 1 maty ary 7 no naratra mafy, raha ny vaovao farany mikasika ilay loza mahatsiravina niseho halina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Fiara marika Peugeot 308 nentina mpamily mamo no voalaza fa fototry ny loza.

  • 28/07/2017 - 10:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Tsy eny am-ponja intsony ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany naiditra am-ponja vonjimaika. Fianakavian'ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy io raha ny vaovao mivoaka amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

28/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170228

Misongadina

Kortezinny filoham-pirenena Nandratra olona 5

28/02/2017

Tsy takona afenina ny setrasetranny kortezinny olom-panjakana eto amintsika. Ny fiara nentinireo mpiambina ny filoham-pirenena indray no namoa-doza tany Mahajanga omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antoko Otrikafo Mila mametra-pialana ny filoham-pirenena

28/02/2017

Tsy mahafoy ny fanjanahantany ny mpitondra ankehitriny, raha ny fanazavanny filohanny antoko otrikafo, Rajaonah Andrianjaka, tetsy aminny biraony etsy Andravoahangy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Me Hanitra Razafimanantsoa Aleo ny vahoaka no hisafidy izay tiany

28/02/2017

Fifidiananana Inclusives, democratiques, libres et transparentes no ilaina eo amintsika aminny taona 2018, hoy i Me Hanitra Razafimanatsoa filoha lefitry ny Antenimierampirenena Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana ankehitriny Miharihary ny tsy fahaiza-mitantana

28/02/2017

Taminny herinandro dia efa niaiky mihitsy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Rivo Rakotovao fa miadana loatra ny fampandrosoam-pirenena eto amintsika,

Hamaky ny tohiny...

Rakotovao Rivo Tsikerainny olonny HVM

28/02/2017

Zara fa nisy olona ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao nataonny antoko Hery Vaovao ani Madagasikara tao Mahajanga ny sabotsy 25 febroary teo.

Hamaky ny tohiny...

Raymond Ranjeva Mifandrirotra kanikanin-kena ny mpanao politika Malagasy

28/02/2017

Tsy afa-miala aminny resaka fampihavanam-pirenena ny vahoaka Malagasy, hoy ny profesora Ranjeva Raymond.

Hamaky ny tohiny...

Printsy Albert II de Monaco Mitsidika fanintelony ani Madagasikara

28/02/2017

Hiompana betsaka aminny asa sosialy ny dianny printsy Alexandre Louis Pierre Grimaldi avy any Monaco eto Madagasikara manomboka anio ankoatra ny fihaonana aminireo tomponandraiki-panjakana Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fikambananny mpanohitra fanandevozana Niova endrika ny fanandevozana

28/02/2017

Mbola misy eto amintsika ny fanandevozana saingy miseho aminny endrika samihafa, hoy ry zareo avy eo anivonny fikambanana Za Malagasy manohitra ny fanandevozana,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Samy nandra mifanambaka !

28/02/2017

Salama ve ry Jean a ! Inona indray no voandalana novatsiana avy any andrefanny nosy any e ? Manaiky anao izahay aminity fandikan-dalna miharihary ataonao ity a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Lehibenny mpitandro ny filaminana Tsy azo kitikitihina ?

28/02/2017

Tao anatinny herintaona (2016) dia tsy nahavita nandrafitra politikanny fandriampahalemana sy fampandrian-tany ary fandaminana ny fiarahamonina mba isorohana sy hanafoanana ny fitsaram-bahoaka ny fitondrana HVM.

Hamaky ny tohiny...

Fanalam-baraka anaty facebook Olon'ny fitondrana no ao ambadika ?

28/02/2017

Sesilany ny fanalam-baraka sy ny fanehoana teny mamoafady tao anaty vondrona facebook iray fantatra aminny anarana hoe Ndao handalina politika avo lenta, saingy toa afa-maina sy iniana tsy resahina ny momba ny mpandrindra io vondrona iray io.

Hamaky ny tohiny...

Sendikanny mpampianatra Tezitra aminny minisitera

28/02/2017

Tapaka tanteraka ny fiaraha-miombonantoka eo aminny minisiteranny fanabeazam-pirenena sy ny sendikanny mpampianatra malagasy.

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA AMBOHIBAO ANTEHIROKA

28/02/2017

Tsy "WC" sy trano fidiovana ny 30 %-nny mponina Tsy manana trano fivoahana (WC) sy trano fidiovana ny 30 %-nireo mponina ao anatinny kaominina Ambohibao Antehiroka.

Hamaky ny tohiny...

BUS INTELLIGENT 200 tapitrisa Ar no vidinny iray

28/02/2017

Tsy araka ny nanampoizanny koperativa azy ny vidinilay bus intelligent anny orinasa ID Motors, izay kasainny fitondram-panjakana hampidirina eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Hamaky ny tohiny...

Fanaovana Visa sy Carte de Rsident hosoka Lehilahy iray voasambotry ny zandary

28/02/2017

Lehilahy iray no saronny zandary avy ao aminny Direction de la Police Judiciaire ao aminny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena ny 23 febroary 2017 teo noho ny fanaovana Visa sy Carte de resident hosoka.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy miteny fotsiny !

28/02/2017

Raha nalaza ny tsy hiala aho, taminny andronny amiraly, nanda tsy hiala koa ny rainny fihavanana taminny fotoanandrony.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Ambodivona Hohavaozina ny tsena sy ny toby fiantsonana fiarakodia

28/02/2017

Tsy misy antsojay na fanilikilihana ny fanatsarana sy fanomezana endrika vaovao ny tsena sy ny toeram-piantsonana fiarakodia eny Ambodivona,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana