Fil d'actualités du 22/11/2017

  • 22/11/2017 - 17:00 : TARANJA TSIPY KANETIBE: Fanatanjahantena Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny dingana manaraka eo amin’ny « Mini masters », taranja tsipy kanetibe intsony Pitr noho izy nikasi-tanana mpijery teny amin’ny Boulodrome-n’ny Paddock Mahamasina. Marihina fa hifarana ny 29 desambra izao ity fifaninanana ity.

  • 22/11/2017 - 16:00 : ZAVA-KANTO SY LOTERATIORA: Lohahevitra miisa enina no holalininina mandritry ny kaoferansa momba ny teny 2017 hotanterahina eny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny sabotsy 25 novambra izao, ka isan’izany ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana, hataon’I aja, teknika sy torohevitra amin’ny fomba fanoratana tononkira,…

  • 22/11/2017 - 15:30 : MARC RAVALOMANANA: Nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc teto Faravohitra io tolakandro io ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Afrikana, Andriamatoa Ramtane Lamamra niaraka tamin’ny Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana, ka isan'ny noresahina ny momba ny fifidianana amin’ny taona ho avy.

  • 22/11/2017 - 15:00 : IRAISAM-PIRENENA: Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay mpitari-tafika ny foko Serbe tany Bosnie, dia ny Jeneraly Ratko Mladic nohenjehina noho ny fandripahana olona faobe tany Yogoslavie taloha, araka ny fitsarana natao tany Lahye tamin'ny alalan'ny TPIY (Tribonaly Iraisam-pirenena mikasika ny raharaha tany Yogoslavie)

  • 22/11/2017 - 14:30 : BEKODOKA BESALAMPY: Sarety sy omby nilatsaka tany anaty hatsana 60 metatra latsaka kely, ka maty tsy tra-drano ny olona iray sy ny omby iray. Vehivavy iray kosa tapaka tongotra aman-tanana, ary naratra ihany koa ny omby iray. Tsy naninona kosa ny zazakely iray.

  • 22/11/2017 - 14:00 : ZAZA KAMBAN-TELO MATY RENY: Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany namakia, distrikan'i Mitsinjo. Naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana.

  • 22/11/2017 - 13:45 : ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANAN-DEHIBE: Hankalazaina ny 24 novambra ho avy izao eny amin’ny Tanana Voara Andohatapenaka ny JMJ na “Journée Mondiales des Villes” andiany voalohany, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana.

  • 22/11/2017 - 13:15 : ANDRIAMENA TSARATANANA: Olona 1 maty voatifitry ny dahalo androany maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Trano 4 nodaran'izy ireo, ary lasa ihany koa ny omby 80. Zaza iray natao takalon'aina, ary olona roa naratra voatifitra.

  • 22/11/2017 - 13:00 : RN6 -FAHATAPAHANA: Misy fahatapahana ny lalàna mihazo an'Ambilobe PK15 mampitohy an'Ambilobe sy Diego noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana. Ny Orinasa Eiffage no manamboatra azy io amin'izao fotoana izao.

  • 22/11/2017 - 12:45 : MANANJARY: Mitaky ny hanalana ao anatin'ny faritra Vatovavy Vitovinany, ka hanaovana an'i Mananjary ho faritra manokana sy mahaleo tena ireo terak'i Mananjary amin'ny alalan'ny Fikambanana MARAMI.

Voir plus d'infos...

22/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170303

Misongadina

Voahangy Rajaonarimampianina Mitaky 10 tapitrisa Ar isaky ny minisitra ?

03/03/2017

Minisitra mpikambana ao aminny governemanta sendra nisakafo sy nisotrosotro tamina toeram-pisakafoanana iray eto an-drenivohitra no tsy nahatam-bava ka namoaka ny tsiambaratelo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Anandra Norbert Nesorina taminny toerany

03/03/2017

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra manokana natao teny aminny lapam-panjakana Iavoloha omaly ny fanalana ny minisitry ny filaminana anatiny Anandra Norbert.

Hamaky ny tohiny...

Kliobanny TAM Anosibe Miara-miasa amin'ny kaominina

03/03/2017

Nitsidika ny benny Benny tanna Lalao Ravalomanana teny aminny toeram-piasany eny aminny lapanny tanna Analakely ny mpiangaly ny taranja baolina lavalava sy haidy mivondrona ao anatinny kliobanny TAM (Tanora Anosibe Milalao) omaly.

Hamaky ny tohiny...

Tiako I Madagasikara Hampiseho ny heriny eny Analakely

03/03/2017

Mitohy ny fanaovana antsojay hataonny fanjakana foibe ny Fiadidiana ny tannanAntananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana HVM Mampibaribary ny fahantrana aminny fizaram-bary

03/03/2017

Vonjy tavanandro, tsy mahafaka ny fijalianny vahoaka fa fanarontsaronana ny tsy fahaiza-mitondra sy ny halatra atao ny hetsika fizaram-bary itetezana faritra ataonny mpitondra ankehitriny, hoy ireo mponini Mahajanga.

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny Fahasalamana Te ho praiminisitra ?

03/03/2017

Tsy mety teraka ambatobevohoka ! Izay no azo ilazana ny resaka fanovana governemanta na dia efa ela ihany aza no nandrenesana izany.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ahitsio ny lalana

03/03/2017

Efa mba nisy fahasahiana nandray andraikitra aloha ry jean dia efa tsara a ! saingy tsy vitanizay ny resaka, tsy hoe nandra daholo akory izahay ka hilamina sy hangiana satria noesorinareo ilay jean iray iny.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fambolena sy fiompiana Fototry ny fampandrosoana, hoy ny talenny MTC

03/03/2017

Hankalaza ny faha-15 taona niorenany ny 11 martsa ho avy izao ny Mad aid Training Center (MTC) etsy Nanisana na ilay ivontoeram-pampianarana ambony tsy miankina miompana aminny resaka agronomia sy tontolo iainana etsy Nanisana.

Hamaky ny tohiny...

Sojabe Tsimihety Miombona alahelo amini Befandriana Avaratra

03/03/2017

Nanao fanambarana ireo sojabe mpitarika ny fikambanana FFT na Fikambananny Fifanaovantsoa Tsimihety fa

Hamaky ny tohiny...

Ambalavelona tany Ambatofinandrahana Demokrasia no antony, hoy i Cohen Rivolala

03/03/2017

3 taona lasa izay no nogadraina sy notapaham-bolo noho ny resaka ambalavelona ny mpitarika ny antokom-pivavahana lehibe iray, Cohen Rivolala.

Hamaky ny tohiny...

ANALAKELY Niampy iray indray ny tranombarotra vaovao

03/03/2017

Niampy iray indray ny tranombarotra vaovao etsy Analakely. Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly ny Building Commerce izay fantatry ny maro taminny anarana Tia Shop teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA AMBOHIBAO ANTEHIROKA Tsy "WC" sy trano fidiovana ny 30 %-nny mponina

03/03/2017

Tsy manana trano fivoahana (WC) sy trano fidiovana ny 30 %-nireo mponina ao anatinny kaominina Ambohibao Antehiroka.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Lany andro mamono afo

03/03/2017

Tsy mba hita soritra eto aminny firenentsika izany paikadim-pampandrosoana voafaritra sy maty paika izany fa dia miandry afo hirehitra ny mpitondra e ! Vokatry ny tsy fahaiza-mitantantana ny firenena dia sesilany ny olana, ka lany andro miandry izay afo hirehitra sisa vao mikoropaka.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Mpiasan'ny fitehirizan-dra -HJRA Raikitra ny fitokonana faobe tsy voafetra

03/03/2017

Noferanireo mpiasa eo anivonny ivontoeram-pirenena momba ny fitehirizan-dra ao amin'ny hopitaly HJRA nanomboka omaly ny asa nosahaninizy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana