Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170308

Misongadina

Mandravarava i ENAWO 3 maty, 6 naratra mafy

08/03/2017

Mahery vaika ny rivodoza Enawo izay niditra an-tanety tany Ampahana Antalaha omaly talata 7 martsa taminny 12 ora antoandro.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Filoham-pirenena sy praiminisitra Tsy nisy tany Antsakabary

08/03/2017

Ny minisitry ny asa vaventy, Eric Razafimandimby, izay sady minisitra mpiahy ny faritri Sofia no nirahinny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Mahafaly Olivier,

Hamaky ny tohiny...

Distim sy vehivavy TIM Boriborintany faha-6 Hanao DIABE hihazo ny Lapanny tanna etsy Analakely

08/03/2017

Ho fanohanana an'i Neny Lalao Ravalomanana izay vehivavy voalohany nitantana ny Renivohitr' ity Nosintsika ity dia ho avy hanohana sy ankahery azy aminny adidy

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Asehoy aminizay e !

08/03/2017

Aiza aminizay ry Jean ilay fahaizanareo taminny andronny frankofonia ireny a ! Hainareo ery ny nifaninana taminilay nahary ka nanakana ny orana tokony hirotsaka mba tsy hanimba ny rendrarendranareo mianakavy.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fosafosa aminny facebook Migadra herintaona i Hiary

08/03/2017

Na dia efa nanala ny fitoriany anilay mpanakanto mpandrindra ny vondrona ao anaty tambajotra facebook Fifosana hanatsarana people gasy, Hiary Rampanoelina, daholo aza ireo voatohintohina rehetra taminity raharaha ity dia tsy afa-bela ny voampanga.

Hamaky ny tohiny...

Andronny 8 martsa Manohana mavitrika ny benny tanna ny fokontany 32 ao aminny Boriborintany fahefatra

08/03/2017

Manohana mavitrika ny benny tannanAntananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana ny fokontany 32 ao aminny Boriborintany fahefatra

Hamaky ny tohiny...

Hiary Rapanoelina Voaheloka 1 taona an-tranomaizina

08/03/2017

Nivoaka omaly 7 martsa ny didim-pitsarana ani Hiary Rapanoelina, ka sazy mihatra herintaona an-tranomaizina no azonity mpanakanto no azony.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Seha-pihariana cacao An-dalam-panatsarana

08/03/2017

Notanterahina teny aminny Tana Htel Antaninarenina ny filankevi-pirenena-pirenena momba ny Cacao na CNC andiany faharoa, nokarakarainny minisiteranny varotra sy ny fanjifana, ary niaraha-niasa taminny tetikasa PIC.

Hamaky ny tohiny...

Fampiakarana ny vidin-tsolika Tsy izahay no tomponantoka, hoy ny GPLSS

08/03/2017

Tsy miankina aminny kaompania sy ny mpaninjara solika ny fiakaranny vidin-tsolika eto aminny firenena fa kajy ifanarahanny fanjakana sy ny kaompanian-tsolika eo ambany fanaraha-masonny mpamatsy vola atao isaky ny voalohanny volana, hoy ny fikambananireo mpaninjara solika na ny GPLSS.

Hamaky ny tohiny...

Vohitra Kanto Fihary Nahasarikolona tokoa

08/03/2017

Efa iaraha-mahita ny haratsianny toetrandro aminny faritra maro manerana ny nosy koa dia nandray fanapahan-kevitra ny minisiteranny mponina sy ny fitondram-panjakana fa dia hofoanana ny lanonana fankalazana ny andronny 8 martsa nokasaina hatao teny Mahamasina anio alarobia.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana