Fil d'actualités du 28/07/2017

  • 28/07/2017 - 15:00 : Mamy Rakotoarivelo: Nentina eny amin'ny Hopitaly HJRA Ampefiloha hanaovana "Autopsie" ny vatana mangatsiakan'ity Minisitra, Filohan'ny antenimieram-pirenena, Filohan'ny Kongresin'ny Tetezamita teo aloha ity amin'izao fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 14:00 : Antsalovana Antohomadinika _Trano noravana: Tranohazo miisa 46 no noravana teny Antsalovana Antohomadinika omaly vao mangiran-dratsy. Efa tamin’ny 2009 no nisy ny fifampiresahana teo amin’ny tompony sy ireo nipetraka teo, ary efa tamin’izany no nanatsatohana baorina sy nisian’ny fifandaminana fa tsy tokony kitihina ireo trano noho ny lafiny maha olona, saingy izao narodana izao ihany.

  • 28/07/2017 - 13:25 : Vaovao mafana: _Namono tena i Mamy Rakotoarivelo: Maty nitifi-tena teo amin'ny lohany androany jolay i Mamy Rakotoarivelo, mpanao politika, Filohan'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha. Nialoha izao dia nandefa hafatra sy nanazava ny olany maro samihafa: ara-pianakaviana, ara-bola,...tao amin'ny kaonty "facebook" izy omaly. Efa miantrana eny amin'ny tranony eny Ankadifotsy ny mpitandro filaminana amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 28/07/2017 - 13:00 : Tsihombe _Tranga hafa kely: Mpiadina bakalorea iray no teraka nandritra ny fiatrehana ny laza adina Frantsay omaly. Tamin’ny 8 ora maraina no nihetsi-jaza izy. Tsy maintsy nokarakaraina, ka nentina tany amin’ny toeram-piterahana, ka Tsihombe ary teraka lahikely. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreny, ka Lauréat Célestin no natao anarany, ka avy amin’ny hoe Bakalorea ilay hoe “Lauréat” ary ilay Célestin dia nalaina tamin’ny lehiben’ny fiambenanana ny fanadianana, dia ramatoa antsoina hoe Célestine.

  • 28/07/2017 - 12:30 : Amborihala Andapa _Trangam-piarahamonina: Tovolahy iray vao 25 taona no maty tsy tra-drano tany Amborihala, distrikan’Andapa, faritra Sava no maty tsy tra-drano nandritra savorovoro tao anaty alim-pandihizana halina. Ahiana ny ny savorovoro sy ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao satria tsy manaiky ny fianakaviany sy mpiray tanàna aminy. Efa miantrana ihany koa ny mpitandro filaminana.

  • 28/07/2017 - 12:00 : Farafangana _Raharaha famonoana ampanjaka : Misy andian’olona mitady hanelanelana amin’ny fanafahana vonjimaika ireo 12 voapanga tamin’ny famonoana ny ampajaka Tata Philbert, ary mitady hanao fitadiavam-bola izany. Mampitandrina ireo mikendry hamoaka ireo vaoarohirohy ireo kosa i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny foko Zafisoro.

  • 28/07/2017 - 11:30 : Finoana katolika : Amin’ny alatsinainy 31 jolay no hatao ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Monsenera Jean-Pierre-Dominique Zevaco, Evekan’ny diosezin’i Tolagnaro teo aloha, izay nodimandry teo amin’ny faha 92 taonany ny talata 25 jolay teo. Ho tonga any Tolagnaro ny alahady izao ny vatana mangatsiakany ary halevina ao amin’ny katedraly ao an-toerana ny ampitso aorian’ny sorona masina lehibe.

  • 28/07/2017 - 11:00 : Faritra Analamanga _Fisorohana ny lozam-pifamoivoizana: Nahatratara hatrany amin'ny 90 no maty an-dalambe vokatry ny lozam-pifamoivoizana ho an'ny taona 2016, izay nihoatra lavitra noho ireo maty noho ny tsy fandriam-pahalemana. Manoloana izany dia nanolotra "motos" miisa 7 ho an'ny mpitandro filaminana ny faritra Analamanga mba ho fanaraha-maso ny fifamoivoizana eny amin'ny lalàm-pirenena.

  • 28/07/2017 - 10:30 : Antanetibe Ivato _Lozam-pifamoivoizana: 1 maty ary 7 no naratra mafy, raha ny vaovao farany mikasika ilay loza mahatsiravina niseho halina tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany. Fiara marika Peugeot 308 nentina mpamily mamo no voalaza fa fototry ny loza.

  • 28/07/2017 - 10:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Tsy eny am-ponja intsony ilay Tale teo anivon'ny Minisiteran'ny Atitany naiditra am-ponja vonjimaika. Fianakavian'ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izy io raha ny vaovao mivoaka amin'izao fotoana izao.

Voir plus d'infos...

28/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170310

Misongadina

Takaitran'i Enawo Voa mafy Antananarivo

10/03/2017

Ny rivodoza Enawo no lasa fa ny takaitra navelany sy ny fiantraikany mbola mitohy ho anny mponinAntananarivo manokana, indrindra eny aminny faritra iva manamorona ny reniranonIkopa sy Sisaony ary Imamba.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kaominina Andoharanofotsy Nandaitra ny fanentanana ny mponina

10/03/2017

Tsy nahitana rano niandrona mihitsy ny arabenAndoharanofotsy ny Alarobia sy omaly tontolo andro na dia nirotsaka tsy ato aza ny orana teto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Inona ary ity !

10/03/2017

Miarahaba Jean a ! Tena henjana letsy ilay mahazo antsika a ! Ny mahazo anay moa indrindra e ! Ny olana anefa tsy voavaha kanefa dia vesarinity loza tsy fanao ianao ity indray.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tandindomin-doza Antananarivo Miakatra Ikopa sy Sisaony

10/03/2017

Omaly taminny 11 ora sy sasany antoandro dia vaky ny fefiloha manamorona ny reniranoni Sisaony,

Hamaky ny tohiny...

VahoakanAntsakabary Tra-doza fanintelony

10/03/2017

Anisanny nizaka mangidy ny mponinAntsakabary taminity taona ity. Loza telo nisesy izao no nahazo azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana

10/03/2017

Nijery manokana ireo tra-boina eto Antananarivo ny benny tanna Lalao Ravalomanana omaly, aminny maha tomponandraikitra voalohany azy eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fandraisanandraikitry ny vehivavy Mila hatsaraina hatrany, hoy ny depiote Horace

10/03/2017

Lohahevitra nanamarihanny Fiadidiana ny tannanAntananarivo renivohitra ny andronny vehivavy ny 8 marsa 2017 teo ny hoe Vehivavy kristianina, antoky ny fampandrosoana.

Hamaky ny tohiny...

Krizinny rivo-doza Miditra an-tsehatra ny Firenena mikambana

10/03/2017

Mitsidika sy mitsirika ny tapany avaratra sy avaratra atsinananny nosy aminizao fotoana ny solontenanny sampandraharahanny firenena mikambana tarihan-dRamatoa Violette Kakyomya ka ahitana ny PAM sy ny UNICEF.

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Amboditsiry Voasoroka ny tondra-drano, vitsy ireo traboina

10/03/2017

Nihena tsy toy ny isan-taona ny tondra-drano teny aminny fokontaninAmboditsiry taorianny fandalovanny rivo-doza Enowa.

Hamaky ny tohiny...

Miasa mafy ny "Pompiers" Trano miisa 17 tsy maintsy nazera, hazo 13 nokapaika

10/03/2017

Niasa mafy ny sampandraharahanny mpamonjy voina etsy Tsaralalana nanomboka afaka omaly alarobia hatraminny omaly alakamisy nandritra ny fandalovanny rivo-doza Enawo teto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Be fihetsiketsehana

10/03/2017

Anatinny vanim-potoana maha tra-pahasahiranana ny ankamaroanny mponina tahaka izao, mialoha ny nitranganny loza no hisianny asa be dia be tsy arahana sehoseho sy kabary isakizay mihetsika satria efa vonjy aina.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Vidim-piainana Tsy mandray andraikitra ny mpitondra

10/03/2017

Miaina vanim-potoana sarotra ny vahoaka Malagasy aminizao fotoana. Saika ny 80%-nny faritra eto Madagasikara no nizaka ny voka-dratsinny rivodoza.

Hamaky ny tohiny...

VEHIVAVY MIZAKA TENA ARA-TOEKARENA Lasanny Ampela Miray Asa ny amboara

10/03/2017

Lasanny fikambanam-behivavy Ampela Miray Asa, iray taminireo 578 nandray anjara ny amboara taminilay fifaninanana tetikasa vehivavy mizaka tena ara-toekarena nokarakarainny minisiteranny Mponina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana