Fil d'actualités du 22/11/2017

  • 22/11/2017 - 17:00 : TARANJA TSIPY KANETIBE: Fanatanjahantena Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny dingana manaraka eo amin’ny « Mini masters », taranja tsipy kanetibe intsony Pitr noho izy nikasi-tanana mpijery teny amin’ny Boulodrome-n’ny Paddock Mahamasina. Marihina fa hifarana ny 29 desambra izao ity fifaninanana ity.

  • 22/11/2017 - 16:00 : ZAVA-KANTO SY LOTERATIORA: Lohahevitra miisa enina no holalininina mandritry ny kaoferansa momba ny teny 2017 hotanterahina eny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny sabotsy 25 novambra izao, ka isan’izany ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana, hataon’I aja, teknika sy torohevitra amin’ny fomba fanoratana tononkira,…

  • 22/11/2017 - 15:30 : MARC RAVALOMANANA: Nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc teto Faravohitra io tolakandro io ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Afrikana, Andriamatoa Ramtane Lamamra niaraka tamin’ny Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana, ka isan'ny noresahina ny momba ny fifidianana amin’ny taona ho avy.

  • 22/11/2017 - 15:00 : IRAISAM-PIRENENA: Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay mpitari-tafika ny foko Serbe tany Bosnie, dia ny Jeneraly Ratko Mladic nohenjehina noho ny fandripahana olona faobe tany Yogoslavie taloha, araka ny fitsarana natao tany Lahye tamin'ny alalan'ny TPIY (Tribonaly Iraisam-pirenena mikasika ny raharaha tany Yogoslavie)

  • 22/11/2017 - 14:30 : BEKODOKA BESALAMPY: Sarety sy omby nilatsaka tany anaty hatsana 60 metatra latsaka kely, ka maty tsy tra-drano ny olona iray sy ny omby iray. Vehivavy iray kosa tapaka tongotra aman-tanana, ary naratra ihany koa ny omby iray. Tsy naninona kosa ny zazakely iray.

  • 22/11/2017 - 14:00 : ZAZA KAMBAN-TELO MATY RENY: Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany namakia, distrikan'i Mitsinjo. Naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana.

  • 22/11/2017 - 13:45 : ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANAN-DEHIBE: Hankalazaina ny 24 novambra ho avy izao eny amin’ny Tanana Voara Andohatapenaka ny JMJ na “Journée Mondiales des Villes” andiany voalohany, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana.

  • 22/11/2017 - 13:15 : ANDRIAMENA TSARATANANA: Olona 1 maty voatifitry ny dahalo androany maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Trano 4 nodaran'izy ireo, ary lasa ihany koa ny omby 80. Zaza iray natao takalon'aina, ary olona roa naratra voatifitra.

  • 22/11/2017 - 13:00 : RN6 -FAHATAPAHANA: Misy fahatapahana ny lalàna mihazo an'Ambilobe PK15 mampitohy an'Ambilobe sy Diego noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana. Ny Orinasa Eiffage no manamboatra azy io amin'izao fotoana izao.

  • 22/11/2017 - 12:45 : MANANJARY: Mitaky ny hanalana ao anatin'ny faritra Vatovavy Vitovinany, ka hanaovana an'i Mananjary ho faritra manokana sy mahaleo tena ireo terak'i Mananjary amin'ny alalan'ny Fikambanana MARAMI.

Voir plus d'infos...

22/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170314

Misongadina

Bemarenina ny fanjakana Hiverina ny Magro ?

14/03/2017

Efa tena nandefitra i Marc Ravalomanana raha ny zavatra niainany sy nampizakaina azy teto Madagasikara no dinihina. Naongana teo aminny fitondrana ka voatery nanao sesitany ny tenany tany ivelany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antalaha Niesona tao aminny Aroport ny praiminisitra

14/03/2017

Tonga ny mpandeha, ny mpanamory tsy hita. Niesona tao aminny seranam-piaramanidina Antalaha efa ho adim-pamantaranandro iray latsaka ny delegasionny governemanta notarihinny

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy 11 aminny 33 no hotendrenny filoha

14/03/2017

Nankatoavinny filankevitry ny minisitra ny herinanrdo lasa teo ny fananganana ny komity hisahana ny fifantenana sy fanendrena ireo mpikambana vaovao handrafitra ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM) aminny endriny vaovao.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ho tratra foana anie e

14/03/2017

Miarahaba anao jean a..efa tena mandeha tsara ve ilay ankety e, sao mantsy vitanny raharaham-pihavanana misy tsindry bokotra eo indray ny raharaha famonoanolona sy fandoroana tanana tany avaratra andrefana farany teo iny a.Fa tena fady anareo mihitsy ve ilay mba mampita vaovao e ?Avy eo rehefa misy zavatra mivoaka tonga fofona be nareo fa hoe vaovao diso.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Takaitra navelan'i Enawo Mankahery ny Malagasy i Etazonia sy Frantsa

14/03/2017

Sesilany ny fanambarana ataonireo firenen-dehibe, izay maneho hatrany ny fiombonam-po aminny Malagasy manoloana ny loza voajanahary izay namoizana ainolona maro.

Hamaky ny tohiny...

TRABOINA AO ANOSIPATRANA Tafakatra 200 ireo milahatra fanampiana raha 50 no tena izy

14/03/2017

Tena be dia be tokoa ireo olon-tsotra manararaotra ireo traboina tsy manan-kialofana eto an-drenivohitra aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Efa zatra !

14/03/2017

Moa va tsy efa zatra miaina loza aminatambo ny Malagasy raha jerena aminny zava-misy sy iainana ankehitriny ?

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fidirana ho mpiasam-panjakana 200 monja ireo mpampivelona voaray ...

14/03/2017

200 monja taminireo mpampivelona marobe nifaninana hiditra ho mpiasam-panjakana taminity taona 2017 ity no voaray ary telo ny mpitsabo mpanampy.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fitrandrahanny Sinoa gaz ao Sakaraha Ahiana hivadika gidragidra

14/03/2017

Tsy ekenireo vahoaka ny fanitarana tany ataonireo sinoa mitrandraka etona natoraly mankany aminny faritra fanajariana razana alohanny toeram-pandevenana.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Haisoratra sy kabary Nivoaka ny "Saontsin-droazako"

14/03/2017

Mbola betsaka aminireo kolontsaina isam-paritra eto amintsika, arahinny fomban-tany ny manakana ny vehivavy tsy hikabary.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana