Fil d'actualités du 22/06/2017

  • 22/06/2017 - 15:00 : Hopitaly Befelatanana: Nohatsaraina ny trano fiterahana eny amin’ity hopitaly ity, ka fiaraha-miasa tamin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola ary ny governemanta Japoney no nahavitana izany. Novatsiana ara-pitaovana ihany koa Sampana fitsaboana fo, ka ny orinasa jovena, no niantoka izany. Nitokana ny fahavitan’izany fanatsarana sy fampitaovana izany teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny maraina teo.

  • 22/06/2017 - 14:30 : Fikambanana Zana-dranavalona : Hankalaza ny alahamady ny sabotsy 24 jona ho avy izao ny Fikambanana Zana-dRanavalona avy eny Anosimanjaka. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon-dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. Eny Anosimanjakana no hanamarihana izany, ka “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dranavalona hoenti-manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika ny 25 jona.

  • 22/06/2017 - 14:00 : Fanadinana CEPE: Ny 25 jona izao no hivoahan'ny valim-panadinana CEPE ho an'ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra Raha tsy misy ny fiovana. Efa vita ny 21 jona teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo foibem-panadinana miisa 15, ka nanomboka androany 22 jona ny fampidirana ny naoty ao anaty solosaina.

  • 22/06/2017 - 13:30 : Marc Ravalomanana: Namangy an'i Jean Charest mivady, praiministr'i Québec teo aloha (2003-2012) ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ramatoa ben'ny tanàna vadiny androany. Mpinamana sy mifankahalala tsara ity praiminisitra teo aloha ity sy i Marc Ravalomanana.

  • 22/06/2017 - 13:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Narirarira ny mpanao gazety androany tamin'ny resaka fandehanana ho any amin'ny fonjan'i Manjakandriana hanamarina ny maha any an-toerana an'i Claudine Razaimamonjy, ka niparitaka sy nanao asa hafa ny ankamaroany.

  • 22/06/2017 - 12:30 : Antenimieram-pirenena Tsimbazaza _Fananganana ny parlemanteran'ny tanora: Hosokafana amin’ny fomba ofisialy anio 22 jona tolakandro eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Parlemanteran’ny tanora na ny PNJ.

  • 22/06/2017 - 12:00 : Raharaha Claudine Razaimamonjy: Manao fidinana ifotony any Manjakandriana ny Minisiteran'ny fitsarana sy ny fandraharana ny fonja anio 22 jona mba hanamarinana amin'ny maha ao an-toerana ity mpanolontsain'ny filoham-pirenena ity.

  • 22/06/2017 - 11:30 : Antenimieram-pirenena: Hatao ny 29-30 jona izao ny fifanatrehana eo amin'ny governemanta sy ny solombavambahoaka mba hahafahan'ireo minisitra mamaly ny fanontaniana napetraky ny solombavambahoaka tamin'ny fifanatrehana farany sy hitondran'izy ireo fanazavana kokoa momba ny asany sy ireo tatitra isan-karazany.

  • 22/06/2017 - 11:00 : Mpanakanto Gangstabab _Raikitra ny fitoriana: Nilaza ny rain'ny zazavavy kely iray vao 11 taona tafiditra tao anatin'ny horonantsarin'ilay hiran'i Gangstabab "Atosika tsara" fa tsy nahazoana alalana ny fampanaovana ilay "clip" ny zanany, mpianatra amina sekoly katolika malaza eto an-drenivohitra, izay nanao dia fibeazana tany Foulpointe. Anio no fotoana nambaran'ny rain'io zazavavy io hametrahana fitoriana.

  • 22/06/2017 - 10:30 : Lapan’ny tanàna Analakely _Fampiratiana: Tontosaina manomboka anio 22 jona ka hatramin’ny 25 jona eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fampiratiana mikasika ny tantaran’I Madagasikara, izay karakarain’ny ANTA (Agence National Taratra).

Voir plus d'infos...

22/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170315

Misongadina

Fifidianana 2018 Ho resy Rajaonarimampianina ?

15/03/2017

Hatreto aloha dia lohalaharana hatrany amin'ny fahazoana ny fandresena amin'ny fifidianana 2018 i Marc Ravalomanana raha ny tsapan-kevitra amin'ny tranokala no jerena.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fiarovana ny fitondrana Miasa mafy izy 3 lahy

15/03/2017

Olona miisa 3 no tena tena mavitrika ao anatinny HVM sy miaro fatratra ny filoha aminizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Horonantsary momba an-dRavalomanana Hamoaka tsiambaratelo maro

15/03/2017

Tsy nipetra-potsiny tao anatinny 6 taona tsy naha teto Madagasikara azy i Marc Ravalomanana fa niasa sy nifanerasera tamina olona maro be isan-tsokajiny ary efa niomana aminny fiverenany an-tanindrazana fa tsy hoe any dia tsy hita.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Miandrasa kiririoka e !

15/03/2017

Manao ahoana ianareo ry Jean ! Ahoana indray ity fombanareo miara mirona ity e ? Dia tena hahatsiarovako ny andronny dridrangilonny propagandy mihitsy izy ity a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanagadrana ani Hiary Rapanoelina Tohina ny Amerikanina

15/03/2017

Sady tohina no sanganehana ny Masoivoho Amerikanina manoloana ny didim-pitsarana herintaona an-tranomaizina nanamelohana an'ilay mpandrindra kaonty Facebook Hiary Rapanoelina tamin'ny herinandro lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Arlette Ramaroson "Mila mifona amin'ny vahoaka ny fanjakana"

15/03/2017

Miantso ny vondrona iraisam-pirenena, indrindra fa ny firenena mikambana mba hijery akaiky ny raharaha Antsakabary i Arlette Ramaroson,

Hamaky ny tohiny...

Latsaka an-katerena i Madagasikara Tonga ny fanampiana iraisam-pirenena

15/03/2017

Tonga omaly alina teny aminny seranam-piaramanidinIvato ny fiaramanidina lehibe nitondra ny fanampiana avy aminny sehatra iraisam-pirenena ho ani Madagasikara noho ny takaitranny rivodoza Enawo.92 taonina ny entana nentiny,

Hamaky ny tohiny...

Tsy filaminana Mpanakanto iray voaendaka sy voadaroka teny Tsaralalana

15/03/2017

Miharatsy hatrany ny fandriampahalemana eto Antananarivo Renivohitra, hoy i Todisoa, lehibenny vondrona mpanao reggae Rootsikalo.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

TaranakAmbohitrabiby Fidiovana ny rivodoza sy rano be

15/03/2017

Efa lamina voajanahary natao teto Madagasikara ny zava-misy ankehitriny, ka aminny vanim-potoananny rivodoza sy ny rano be araka ny fandaminanny Nahary no lasa ny loto rehetra eo amin'ny natiora eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Anaty krizy lalina

15/03/2017

Mazava tsara izao fa latsaka an-katerena ny firenena Malagasy, hita ho tena sempotra ny fitondram-panjakana indrindra moa fa nisy aniny rivodoza Enawo iny izay nanampy trotraka ny fahasahiranana.Raha toa ka efa ny 90% nny Malagasy no sahirana teo aloha, dia asa fotsiny ny zava-misy aminizao fotoana.Tsy misy mandeha aminizay laoniny eto,

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fampianarana Ambaratonga ambony Ny 0,4 % n'ireo loham-pianakaviana monja no mandia azy

15/03/2017

Mbola tena vitsy dia vitsy ny salanisanireo vehivavy sy lehilahy loham-pianakaviana nanohy fianarana teny aminny sekoly ambaratonga ambony eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana