Fil d'actualités du 22/11/2017

  • 22/11/2017 - 17:00 : TARANJA TSIPY KANETIBE: Fanatanjahantena Voasazy tsy mahazo mandray anjara amin’ny dingana manaraka eo amin’ny « Mini masters », taranja tsipy kanetibe intsony Pitr noho izy nikasi-tanana mpijery teny amin’ny Boulodrome-n’ny Paddock Mahamasina. Marihina fa hifarana ny 29 desambra izao ity fifaninanana ity.

  • 22/11/2017 - 16:00 : ZAVA-KANTO SY LOTERATIORA: Lohahevitra miisa enina no holalininina mandritry ny kaoferansa momba ny teny 2017 hotanterahina eny Haitsiron’Iarivo eny Alarobia ny sabotsy 25 novambra izao, ka isan’izany ny Malagasy tsy tompon’ny teniny sy ny tenany manoloana ny asa fanoratana, hataon’I aja, teknika sy torohevitra amin’ny fomba fanoratana tononkira,…

  • 22/11/2017 - 15:30 : MARC RAVALOMANANA: Nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc teto Faravohitra io tolakandro io ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Vondrona Afrikana, Andriamatoa Ramtane Lamamra niaraka tamin’ny Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara. Naharitra ora roa ny fihaonana, ka isan'ny noresahina ny momba ny fifidianana amin’ny taona ho avy.

  • 22/11/2017 - 15:00 : IRAISAM-PIRENENA: Voaheloka higadra mandra-pahafatiny ilay mpitari-tafika ny foko Serbe tany Bosnie, dia ny Jeneraly Ratko Mladic nohenjehina noho ny fandripahana olona faobe tany Yogoslavie taloha, araka ny fitsarana natao tany Lahye tamin'ny alalan'ny TPIY (Tribonaly Iraisam-pirenena mikasika ny raharaha tany Yogoslavie)

  • 22/11/2017 - 14:30 : BEKODOKA BESALAMPY: Sarety sy omby nilatsaka tany anaty hatsana 60 metatra latsaka kely, ka maty tsy tra-drano ny olona iray sy ny omby iray. Vehivavy iray kosa tapaka tongotra aman-tanana, ary naratra ihany koa ny omby iray. Tsy naninona kosa ny zazakely iray.

  • 22/11/2017 - 14:00 : ZAZA KAMBAN-TELO MATY RENY: Noraisin’ny Minisiteran’ny mponina an-tanana ireo zaza kamban-telo vao teraka tany namakia, distrikan'i Mitsinjo. Naniraka avy hatrany ny ekipan’ny talem-paritra (Direction Régionale) ao Boeny hanao ny fanadihadiana.

  • 22/11/2017 - 13:45 : ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANAN-DEHIBE: Hankalazaina ny 24 novambra ho avy izao eny amin’ny Tanana Voara Andohatapenaka ny JMJ na “Journée Mondiales des Villes” andiany voalohany, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana.

  • 22/11/2017 - 13:15 : ANDRIAMENA TSARATANANA: Olona 1 maty voatifitry ny dahalo androany maraina tokony ho tamin'ny 5 ora. Trano 4 nodaran'izy ireo, ary lasa ihany koa ny omby 80. Zaza iray natao takalon'aina, ary olona roa naratra voatifitra.

  • 22/11/2017 - 13:00 : RN6 -FAHATAPAHANA: Misy fahatapahana ny lalàna mihazo an'Ambilobe PK15 mampitohy an'Ambilobe sy Diego noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana. Ny Orinasa Eiffage no manamboatra azy io amin'izao fotoana izao.

  • 22/11/2017 - 12:45 : MANANJARY: Mitaky ny hanalana ao anatin'ny faritra Vatovavy Vitovinany, ka hanaovana an'i Mananjary ho faritra manokana sy mahaleo tena ireo terak'i Mananjary amin'ny alalan'ny Fikambanana MARAMI.

Voir plus d'infos...

22/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170316

Misongadina

Centre dImmatriculation Ambohidahy Ravanny Bianco ny tambajotra mpanao kolikoly

16/03/2017

Taratasy hosoka, kolikoly aminny fandraisana fangatahana hanovana permis sy carte grise ho bimetrika.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Nicolas Randrianasolo Lojika ny fanohanako ny filoham-pirenena

16/03/2017

Lojika ny fanohanako ny filohanny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, hoy ny Depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka, raha namaly anireo fanakianana azy nivoaka an-gazety tao ho ao.

Hamaky ny tohiny...

Harinaivo Rasamoelina Hatsangano ny governemanta iraisana !

16/03/2017

Ny zava-misy aminizao fotoana izao, ny tetika manontolo ataonny fitondrana na ny ivelanny fitondrana dia diso daholo, hoy ny antoko DHD Madagascar,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Kalma fotsiny a !

16/03/2017

Miarahaba e ! Misimisy ihany ry Jean izay taratasy nosoratana teto izay fa ny omaly tsy niova ihany ny eto aminny tanna a ! Fa dia tena tsy hainareo mihitsy ve ny manova ilay revy eto ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanagadrana ani Hiary Rapanoelina Milaza ny heviny ny filohan'ny SMM

16/03/2017

Miteraka adihevitra goavana ny raharaha Hiary Rapanoelina aminizao fotoana izao, indrindra fa taorianny nilazanny Masoivoho

Hamaky ny tohiny...

Resaka ady tany Nofantsihan'ny fokonolona ny biraonny fokontany

16/03/2017

Raha ny fanazavana azo, olona mpivahiny nangataka tany taminireo olobe teo an-tanna no niandohanny tantara. Taty aoriana, rehefa maty io olona io, dia nilaza ny taranany (R.J.B ) fa izy no tomponny tany, satria efa novidian-drainy roa alina ariary monja ny tanna iray manontolo, ny taona 1978.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Filohanny CAF Hotanterahina anio ny fifidianana

16/03/2017

Hotanterahina anio alakamisy 16 martsa any Addis Abeba Ethiopie ny fifidianana izay ho filohan'ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF),

Hamaky ny tohiny...

KIANJA MITAFONI MAHAMASINA Ho ambohipihaonanny mpiantsena sy ny mpivarotra

16/03/2017

Ho ambohipihaonanny mpiantsena sy ny mpivarotra indray manomboka ny 29 martsa ho avy izao etsy aminny kianja mitafoni Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tandindonny ho avy !

16/03/2017

Toran-kovitra ny fitondrana ankehitriny vao mahita ny fitsapan-kevitra maro samihafa miompana aminny fifidianana ho avy. Mitana ny rambony hatrany mantsy ny filoha am-perinasa manoloana ireo mety ho kandida hafa.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

ELIDIO RANDRIANJAFY, FILOHANNY ANEFFA Nalana tsy ho talenny EPP etsy Anosizato Andrefana

16/03/2017

Nalana tsy ho talenny sekoly ambaratonga fototra etsy Anosizato Andrefana intsony Andriamatoa Randrianjafy Elidio, filohanny ANEFFA. Efa ho folo andro izay no nanalana azy taminio toerana io raha ny loharanom-baovao azo.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

FIKAMBANANA MIARO NY ZONNY MPANJIFA MALAGASY Mangataka ny hanafoanana ny MID

16/03/2017

Mangataka ny hanafoananny fanjakana ny March inter-bancaire de devise na ny MID eto amintsika ny FIZOMPAM (Fikambanana miaro ny zonny mpanjifa Malagasy).

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana