Fil d'actualités du 19/10/2017

  • 19/10/2017 - 10:30 : Distrikan'i Marovoay: Misy ny fizarana vary maimaimpoana ataon'ny tompon'andraiki-panjakana any an-toerana amina kaominina maromaro, ka isan'ny efa nanaovana izany ny kaominina Manaratsandry.

  • 19/10/2017 - 10:15 : BAOLINA KITRA _ Poule des As : Nandresy ny HZAM Alaotra Mangoro tamin'ny isa 1-0 ny CNaPS Sport Itasy tamin'ny lalao natao tany Fianarantsoa.

  • 19/10/2017 - 10:00 : JIRAMA: Vokatry ny fianjeran'ny andrin-jiro noho ny fifofofofon'ny rivotra tamin'iny orana iny no mahatonga ny fahatapahan-jiro matetika, hoy Randrianarison Feno, Tompon'andraikitra ara-tseraseran'ny orinasa.

  • 19/10/2017 - 09:45 : Fandosirana gadra tao Tsiafahy: Lehiben'ny fonja 1 sy mpiandry fonja 3 no efa nanaovana fanadihadiana. Tsy mbola nisy tratra kosa ireo gadra 5 nandositra na efa naparitaka aza ny sariny.

  • 19/10/2017 - 09:30 : MAHAJANGA: Nirehitra halina tokony ho tamin'ny 8 ora ny foibe famokarana herinaratra an'ny orinasa Henri Fraise. Tapaka ny jiro saika manerana ny tanàna satria miantoka ny 50%n'ny famatsiana jiro ao Mahajanga io.

  • 19/10/2017 - 09:15 : FANDOSIRANA GADRA TAO TSIAFAHY: Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra fitsarana amin'ity faran'ny herinandro ity ny raharaha fahavakisan'ny fonja ka nandosiran'ny gadra 5 ny alin'ny 7 aogositra.

  • 19/10/2017 - 09:00 : ANGAREDONA MOZIKA TOUR: Nofoanana sy hahemotra amin'ny fotoana manaraka ity hetsika ara-javakanto karakarain'ny mpanakanto Rajery saika atao eny Ambatomasina Ambohimangarova ny 22 oktobra izao ity noho ny valan'aretina pesta.

  • 19/10/2017 - 08:45 : Oniversiten'i Mahajanga: Isan'ny antony lehibe niteraka korontana ny fivoizana ny resaka fihaviana ankoatra ny tsy fitovian-kevitra amin'ny resaka fitakiana vatsim-pianarana sy ireo zo samihafa.

  • 19/10/2017 - 08:30 : Baolina kitra _Champion's league: Nandresy ny ekipan'ny Anderlecht tamin'ny isa 4-0 ny PSG tamin'ny lalao mandroso halina. Samy namono baolina i Neymar, Mbappé, Cavani ary i Di Maria. Ny 31 oktobra ny lalao miverina.

  • 19/10/2017 - 08:15 : PESTA _ANTONTAN'ISA FARANY: 80 no maty ary 878 ny trangan'aretina hatramin'ny omaly 18 oktobra. Distrika 39 ao anatin'ny faritra 17 no efa ahitana ny pesta.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170714

Misongadina

Marc Ravalomanana “Tsy matahotra fisamborana aho”

14/07/2017

“Roso ny dia, tsa mipody intsony !”. Tapa-kevitra Atoa Marc Ravalomanana fa hijoro hanavotra ny firenena sy hamaky ary hanampy ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Firenena mikambana Tsy manaiky fanilihana kandida amin’ny 2018

14/07/2017

Hentitra ny fanambaran’ny Firenena mikambana tamin’ny alalan’ny solontena maharitry ny PNUD Violet Kakyomya omaly mikasika ny hanatanterahana fifidianana eto Madagasikara amin’ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Fihaonan’ny mpanohitra Hafahafa be ihany

14/07/2017

Notontosaina omaly tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra ny Fikaonandohan’ireo lohandohan’ny mpanohitra na Forum des leaders de l’opposition.

Hamaky ny tohiny...

Toavina Ralambomahay Mila ovàna ny lalàmpanorenana

14/07/2017

Adihevitry ny antoko politika amin’izao fotoana ny fikitihana na fanovana ny lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny karinem-pokontany ny taona 2010, hoy ny mpanoratra ara-politika Toavina Ralambomahay.

Hamaky ny tohiny...

Dinika ho fanavotam-pirenena “Tsy mety aminay ilay mivondrona.”

14/07/2017

Tsy mitondra mankaiza ny fivondronan’ireo mpanohitra, hoy ny filohan’ny Dinika ho Fanavotam-pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo (Doudou),

Hamaky ny tohiny...

Actualits

677 795 325,11 Ar voahodinkodina tao Antsirabe Voasaringotra ny Ben’ny tanàna

14/07/2017

Volabe mitentina 677 795 325,11 Ar nanjavona tao amin’ny kaontin’ny kaominina Ambonivohitra Antsirabe,

Hamaky ny tohiny...

Petite vitesse, Isotry, Ampefiloha Mpivarotra tsy ara-dalàna an-jatony no nesorina

14/07/2017

Anisan’ny toerana tena ahitana fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny ny eny Isotry sy ny manodidina noho ireo mpivarotra tsy ara-dalàna milatsaka anaty arabe.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Vovon’alika !

14/07/2017

Ambentin-dresaka any anaty haino aman-jery isan-karazany saika ho isan’andro ny fanaratsiana an’i Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fanafaram-bary Anjakan’ny fifaninanana tsy madio

14/07/2017

Zava-misy ny tsy fisian’ny fifaninanana madio eo amin’ny fandraharahana ara-bary satria sokajin’olom-bitsy ihany no mahazo tombony amin’ny fahafantarana ny lalam-barotra, hoy ny minisitry ny varotra teo aloha Rabesahala Henri.

Hamaky ny tohiny...

Fanarenana ny tanànan’Antalaha Olona 350 nahazo tombontsoa

14/07/2017

An-jatony ny asa noforonina vonjimaika mba ho fanarenana ny tanànan’Antalaha, izay rotiky ny rivodoza Enawo tany an-toerana ny 8 martsa 2017.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fikambanana Lato Hampilalao ireo ankizy tsy afaka mandeha manao vakansy

14/07/2017

Toy ny fanaony isan-taona dia hampilalao ireo ankizy madinika efatra ka hatramin’ny 13 taona etsy amin’ny ANS Ampefiloha indray ny fikambanana Lato, tarihin’ny filohany Natolotra Rajaonarifetra

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fampidirana am-ponja ankizy tsy ampy taona Nodinihina ny fanalefahana azy

14/07/2017

Misy hatrany ireo ankizy tsy ampy taona voasaringotra amina raharaham-pitsarana eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ireo nanao heloka tsotra izay nanaovana atrikasa manokana tetsy amin’ny le

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Mpangalatra sady mpanolana Nafahana noho ny fisalasalana

14/07/2017

Lehilahy iray voatondro fa nangalatra sady nanolana vehivavy no nafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana tany Antsirabe.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana