Fil d'actualités du 19/10/2017

  • 19/10/2017 - 10:30 : Distrikan'i Marovoay: Misy ny fizarana vary maimaimpoana ataon'ny tompon'andraiki-panjakana any an-toerana amina kaominina maromaro, ka isan'ny efa nanaovana izany ny kaominina Manaratsandry.

  • 19/10/2017 - 10:15 : BAOLINA KITRA _ Poule des As : Nandresy ny HZAM Alaotra Mangoro tamin'ny isa 1-0 ny CNaPS Sport Itasy tamin'ny lalao natao tany Fianarantsoa.

  • 19/10/2017 - 10:00 : JIRAMA: Vokatry ny fianjeran'ny andrin-jiro noho ny fifofofofon'ny rivotra tamin'iny orana iny no mahatonga ny fahatapahan-jiro matetika, hoy Randrianarison Feno, Tompon'andraikitra ara-tseraseran'ny orinasa.

  • 19/10/2017 - 09:45 : Fandosirana gadra tao Tsiafahy: Lehiben'ny fonja 1 sy mpiandry fonja 3 no efa nanaovana fanadihadiana. Tsy mbola nisy tratra kosa ireo gadra 5 nandositra na efa naparitaka aza ny sariny.

  • 19/10/2017 - 09:30 : MAHAJANGA: Nirehitra halina tokony ho tamin'ny 8 ora ny foibe famokarana herinaratra an'ny orinasa Henri Fraise. Tapaka ny jiro saika manerana ny tanàna satria miantoka ny 50%n'ny famatsiana jiro ao Mahajanga io.

  • 19/10/2017 - 09:15 : FANDOSIRANA GADRA TAO TSIAFAHY: Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra fitsarana amin'ity faran'ny herinandro ity ny raharaha fahavakisan'ny fonja ka nandosiran'ny gadra 5 ny alin'ny 7 aogositra.

  • 19/10/2017 - 09:00 : ANGAREDONA MOZIKA TOUR: Nofoanana sy hahemotra amin'ny fotoana manaraka ity hetsika ara-javakanto karakarain'ny mpanakanto Rajery saika atao eny Ambatomasina Ambohimangarova ny 22 oktobra izao ity noho ny valan'aretina pesta.

  • 19/10/2017 - 08:45 : Oniversiten'i Mahajanga: Isan'ny antony lehibe niteraka korontana ny fivoizana ny resaka fihaviana ankoatra ny tsy fitovian-kevitra amin'ny resaka fitakiana vatsim-pianarana sy ireo zo samihafa.

  • 19/10/2017 - 08:30 : Baolina kitra _Champion's league: Nandresy ny ekipan'ny Anderlecht tamin'ny isa 4-0 ny PSG tamin'ny lalao mandroso halina. Samy namono baolina i Neymar, Mbappé, Cavani ary i Di Maria. Ny 31 oktobra ny lalao miverina.

  • 19/10/2017 - 08:15 : PESTA _ANTONTAN'ISA FARANY: 80 no maty ary 878 ny trangan'aretina hatramin'ny omaly 18 oktobra. Distrika 39 ao anatin'ny faritra 17 no efa ahitana ny pesta.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170718

Misongadina

Guy Rivo Randrianarisoa “Efa mikorontana ny fanjakana”

18/07/2017

Tsy mahagaga anay antoko Tiako I Madagasikara ny fialan’ny minisitry ny vola Gervais Rakotoarimanana ary efa tsikaritra hatry ny ela tamin’ny fifaneraseran’ny depiote tamin’ity minisitra ity fa tsy mifanaraka amin’ny soatoavina arahiny ny foto-kevitry ny fitondram-panjakana misy azy, hoy ny

Hamaky ny tohiny...

Politique

Gervais Rakotoarimanana Tsy nanaiky natao fitaovana

18/07/2017

Ofisialy ny fisintahan’ny minisitry ny vola sy ny tetibolam-panjakana Gérvais Rakotoarimanana ao anaty governemanta, araka ny fanambarana nataony teny amin’ny Hotely Carlton omaly tamin’ny 11 ora antoandro.

Hamaky ny tohiny...

Tiako I Madagasikara Voarara ny hetsika manerana ny nosy ?

18/07/2017

Tsy nekena ny didim-pitsarana nanome alalana ny Antoko TIM hankalaza ny faha-15 taonany teny Mahamasina ny 8 jolay lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Depiote eny Tsimbazaza Mety hahazo 4x4 amin’izay ?

18/07/2017

Nalaza ho lohalaharana tamin’ny fitsipahana ny fanomezana fiara tsy mataho-dalana ho an’ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza ny minisitry ny vola sy ny tetibola vao avy nametra-pialana, Gervais Rakotoarimanana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Masoivohon’i Afrika Atsimo Nanadio sy nanavao ny Centre Fanambinana

18/07/2017

Hankalazaina anio talata 18 jolay ny andron’i Nelson Mandela. Hanamarihana ny hetsika dia nanatanteraka asa sosialy teny amin’ny Centre Fanambinana,

Hamaky ny tohiny...

Trafika sa atao sorona Nalaina ny tranon-jazan’ilay zazavavy kely 5 taona

18/07/2017

Habibiana tsy nisy toy izany no nitranga tao Sirama Ambilobe ny sabotsy alina lasa teo. zazavavy kely iray vao dimy taona monja efa nampandrian-dReniny teo am-pandriana no nisy naka an-keriny sy nalana taova raha mbola lasa natsaka rano sy nandro ity farany.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Rasoanoromalala Marie Horace Manohy ny fidinana ifotony mamaha ny olan’ny mpamboly

18/07/2017

Taorian'ny fidinana ifotony nataon'ny Dépiote Rasoanoromalala Marie Horace sy ny solotenan'ny mpamboly vary ao Avaratr'Ambohimanarina

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miandry fa gasy

18/07/2017

Ity tokoa vao tonga amin’ilay fomba fiteny hoe “miandry fa gasy”.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Vola vaovao Hanatsara ny toekarena, hoy ny filoham-pirenena

18/07/2017

Nanararaotra niteny mikasika ilay vola 20.000 ariary tokana nivoaka nanomboka omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina,

Hamaky ny tohiny...

Vola vaovao 20 000 Ariary Manahirana ny fampiasana azy

18/07/2017

Nikirakira vola vaovao indray ny Malagasy nanomboka omaly. Nivoaka ary nampiasaina manerana ny Nosy nanomboka omaly mantsy ireo ravim-bola vaovao amin’ny endriny hafa toy ny 2.000 Ar, ny 5.000 Ar, ny 10.000 Ar ary ny 20.000 Ar mitambatra.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Bakalorea -Antananarivo Hivoaka ny 25 aogositra ny vokatra

18/07/2017

Ho tanterahina ny 24 jolay ho avy izao manerana ny Nosy ny fanadinana bakalôrea taona 2017. Miisa 74. 577 ireo mpiadina rehetra hiatrika izany , ka 69.539 amin’ireo no ao amin’ny sokajy ankapobeny raha 5.038 kosa ny sokajy teknika.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Loza teny Fenoarivo Mpitondra « moto » maty voahitsaky ny « Camion »

18/07/2017

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Fenoarivo manakaiky ny toby fivarotan-tsolika Total omaly maraina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana