Fil d'actualités du 19/10/2017

  • 19/10/2017 - 10:30 : Distrikan'i Marovoay: Misy ny fizarana vary maimaimpoana ataon'ny tompon'andraiki-panjakana any an-toerana amina kaominina maromaro, ka isan'ny efa nanaovana izany ny kaominina Manaratsandry.

  • 19/10/2017 - 10:15 : BAOLINA KITRA _ Poule des As : Nandresy ny HZAM Alaotra Mangoro tamin'ny isa 1-0 ny CNaPS Sport Itasy tamin'ny lalao natao tany Fianarantsoa.

  • 19/10/2017 - 10:00 : JIRAMA: Vokatry ny fianjeran'ny andrin-jiro noho ny fifofofofon'ny rivotra tamin'iny orana iny no mahatonga ny fahatapahan-jiro matetika, hoy Randrianarison Feno, Tompon'andraikitra ara-tseraseran'ny orinasa.

  • 19/10/2017 - 09:45 : Fandosirana gadra tao Tsiafahy: Lehiben'ny fonja 1 sy mpiandry fonja 3 no efa nanaovana fanadihadiana. Tsy mbola nisy tratra kosa ireo gadra 5 nandositra na efa naparitaka aza ny sariny.

  • 19/10/2017 - 09:30 : MAHAJANGA: Nirehitra halina tokony ho tamin'ny 8 ora ny foibe famokarana herinaratra an'ny orinasa Henri Fraise. Tapaka ny jiro saika manerana ny tanàna satria miantoka ny 50%n'ny famatsiana jiro ao Mahajanga io.

  • 19/10/2017 - 09:15 : FANDOSIRANA GADRA TAO TSIAFAHY: Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra fitsarana amin'ity faran'ny herinandro ity ny raharaha fahavakisan'ny fonja ka nandosiran'ny gadra 5 ny alin'ny 7 aogositra.

  • 19/10/2017 - 09:00 : ANGAREDONA MOZIKA TOUR: Nofoanana sy hahemotra amin'ny fotoana manaraka ity hetsika ara-javakanto karakarain'ny mpanakanto Rajery saika atao eny Ambatomasina Ambohimangarova ny 22 oktobra izao ity noho ny valan'aretina pesta.

  • 19/10/2017 - 08:45 : Oniversiten'i Mahajanga: Isan'ny antony lehibe niteraka korontana ny fivoizana ny resaka fihaviana ankoatra ny tsy fitovian-kevitra amin'ny resaka fitakiana vatsim-pianarana sy ireo zo samihafa.

  • 19/10/2017 - 08:30 : Baolina kitra _Champion's league: Nandresy ny ekipan'ny Anderlecht tamin'ny isa 4-0 ny PSG tamin'ny lalao mandroso halina. Samy namono baolina i Neymar, Mbappé, Cavani ary i Di Maria. Ny 31 oktobra ny lalao miverina.

  • 19/10/2017 - 08:15 : PESTA _ANTONTAN'ISA FARANY: 80 no maty ary 878 ny trangan'aretina hatramin'ny omaly 18 oktobra. Distrika 39 ao anatin'ny faritra 17 no efa ahitana ny pesta.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170802

Misongadina

Loza teny Ankazobe 30 no maty, 80 naratra

02/08/2017

Ankizy sy tanora mpikambana amin'ny Sampana Mpanazava sy Tily (SaMpaTi) sy Sampana Tanora Kristianina (STK) avy amin’ny Fiangonana FJKM any amin’ny Synaodam-paritany Soavinandriana

Hamaky ny tohiny...

Politique

Birao politikan’ny Antoko TIM Nampionona fianakaviana Tsiandopy Jacky

02/08/2017

Tonga namangy sy nitondra teny fampiononana ny fianakavian’i Tsiandopy Jacky Mahafaly teny Ivato ny birao foiben’ny antoko Tiako I Madagasikara, ny talata hariva teo.

Hamaky ny tohiny...

Faha-15 taonan’ny TIM Nankalaza ny azy ny Faritra Atsimo Andrefana

02/08/2017

Nahemotra noho ny antony efa fantatra ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM tao Antananarivo misy ny birao foibeny.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ahemotra amin’ny 2020 Mila fitsapan-kevi-bahoaka, hoy i Gaby Vakiniadiana

02/08/2017

Naneho ny heviny mikasika ilay resabe mandeha momba ny fanalavam-potoana kasain’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hatao Atoa Gaby Vakiniadiana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Raharinirina Jacques Aimé Tsy vonon-kihavana ny fanjakana

02/08/2017

Toa tsy misy mpihaino na antso an’efitra ny fanehoan-kevitry ny mpitondra momba ny raharaham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Marc Ravalomanana Miantso fifanampiana

02/08/2017

Tsy niandry ela ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady fa tonga nijery sy nampahery avy hatrany teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, raha vao nahare ny zava-doza niseho tany Anjozorobe nihatra tamin’ireo tanoran’ny fiangonana FJKM avy any amin’ny faritra Soavinandriana.

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson Amin’ny 8 aogositra ny didim-pitsarana

02/08/2017

Amin’ny talata 8 aogositra izao indray izany no voambaran’ny avy eo anivon’ny fampanoavana fa hivoahan’ny didim-pitsarana

Hamaky ny tohiny...

Fahafatesan’i Mamy Rakotoarivelo Hametraka fitoriana ireo zanany

02/08/2017

Mifamahofaho tanteraka ny raharaha nahafaty ny Filohan’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha Mamy Rakotoarivelo.

Hamaky ny tohiny...

Nosy Be Hell Ville Atosika hitaky fahaleovantena ?

02/08/2017

Nambaran’ny filoham-pirenena ho mamboly korontana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakana nandritra ny diany tany Nosy be, izay nijerena ny momba ny seranam-piaramanidina asiam-panamboarana.

Hamaky ny tohiny...

Tranga hafahafa Nivoahana afo manga ny tendan’ireo akoho

02/08/2017

Ahitana tranga hafahafa foana ao Antsirabe eto. Mbola mitana ny sain’ny olona aloha ireo biby mivoaka alina mihinana atim-biby toy ny kisoa hatramin’izao dia misy tranga hafahafa indray miseho.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Halatra am-piangonana alahady Vehivavy iray sarona tao Mahazoarivo

02/08/2017

Ela nitoratorahana tokoa! Renim-pianakaviana iray tsy ampoizina no tratra tamin’ny resaka halatra poketra tao amin’ny Ekar Mahazoarivo-Antsirabe ny alahady 30 jolay lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mila tonga saina

02/08/2017

Maizina tanteraka ny fiainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Taksibe nitrifana teny Behoririka Fiara 1 simba, olona 3 naratra

02/08/2017

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora no nitrangana lozam-pifamoivoizana saika nanahirana tetsy Behoririka.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Taom-pianarana vaovao 108 ireo sekoly tsy havela hisokatra

02/08/2017

Rehefa nomen’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fotoana maharitra hahafahan’izy ireo

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

ISPM Antsobolo Voka-pikarohana 200 aranty eny amin’ny Carlton

02/08/2017

Voka-pikarohana manodidina ny 200 isa nanomboka omaly no hampirantian’ireo mpianatry ny sekoly ambony « Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar » etsy amin’ny Carlton Anosy.

Hamaky ny tohiny...

CMR PARAMED Hankalaza ny faha-herin-taona nijoroany

02/08/2017

Feno herin-taona sahady ny « Cercle Mixte de Reflexion pour la révalorisation de formation paramedicale » eto Madagasikara na ny CMR Paramed tarihin’ny filohany Razanadrakoto Roland Albert.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana