Fil d'actualités du 19/10/2017

  • 19/10/2017 - 10:30 : Distrikan'i Marovoay: Misy ny fizarana vary maimaimpoana ataon'ny tompon'andraiki-panjakana any an-toerana amina kaominina maromaro, ka isan'ny efa nanaovana izany ny kaominina Manaratsandry.

  • 19/10/2017 - 10:15 : BAOLINA KITRA _ Poule des As : Nandresy ny HZAM Alaotra Mangoro tamin'ny isa 1-0 ny CNaPS Sport Itasy tamin'ny lalao natao tany Fianarantsoa.

  • 19/10/2017 - 10:00 : JIRAMA: Vokatry ny fianjeran'ny andrin-jiro noho ny fifofofofon'ny rivotra tamin'iny orana iny no mahatonga ny fahatapahan-jiro matetika, hoy Randrianarison Feno, Tompon'andraikitra ara-tseraseran'ny orinasa.

  • 19/10/2017 - 09:45 : Fandosirana gadra tao Tsiafahy: Lehiben'ny fonja 1 sy mpiandry fonja 3 no efa nanaovana fanadihadiana. Tsy mbola nisy tratra kosa ireo gadra 5 nandositra na efa naparitaka aza ny sariny.

  • 19/10/2017 - 09:30 : MAHAJANGA: Nirehitra halina tokony ho tamin'ny 8 ora ny foibe famokarana herinaratra an'ny orinasa Henri Fraise. Tapaka ny jiro saika manerana ny tanàna satria miantoka ny 50%n'ny famatsiana jiro ao Mahajanga io.

  • 19/10/2017 - 09:15 : FANDOSIRANA GADRA TAO TSIAFAHY: Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra fitsarana amin'ity faran'ny herinandro ity ny raharaha fahavakisan'ny fonja ka nandosiran'ny gadra 5 ny alin'ny 7 aogositra.

  • 19/10/2017 - 09:00 : ANGAREDONA MOZIKA TOUR: Nofoanana sy hahemotra amin'ny fotoana manaraka ity hetsika ara-javakanto karakarain'ny mpanakanto Rajery saika atao eny Ambatomasina Ambohimangarova ny 22 oktobra izao ity noho ny valan'aretina pesta.

  • 19/10/2017 - 08:45 : Oniversiten'i Mahajanga: Isan'ny antony lehibe niteraka korontana ny fivoizana ny resaka fihaviana ankoatra ny tsy fitovian-kevitra amin'ny resaka fitakiana vatsim-pianarana sy ireo zo samihafa.

  • 19/10/2017 - 08:30 : Baolina kitra _Champion's league: Nandresy ny ekipan'ny Anderlecht tamin'ny isa 4-0 ny PSG tamin'ny lalao mandroso halina. Samy namono baolina i Neymar, Mbappé, Cavani ary i Di Maria. Ny 31 oktobra ny lalao miverina.

  • 19/10/2017 - 08:15 : PESTA _ANTONTAN'ISA FARANY: 80 no maty ary 878 ny trangan'aretina hatramin'ny omaly 18 oktobra. Distrika 39 ao anatin'ny faritra 17 no efa ahitana ny pesta.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170804

Misongadina

Loza teny Ankazobe Olona maro no hidoboka am-ponja

04/08/2017

Mandeha ny fanadihadiana momba ny antony nahatonga marina ny loza ka nampivadika ilay fiarabe teny Ankazobe ka nahafatesana olona 20 mahery, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny kolonely Ravoavy Zafisambatra, lehiben’ny Emmo reg Analamanga omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fikambanan’ny Zanaky ny Faritany Toliara Mikorontana ambony ambany

04/08/2017

Tsy mitsahatra mitombo ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo mpikambana FIZAFATO amin’izao ankatoky ny hanatanterahana ny fifidianana voalaza fa ho tanterahina amin’ny alahady 6 aogositra izao etsy amin’ny ANS Ampefiloha.

Hamaky ny tohiny...

Kongresin’ny TIM tany Manakara Fahombiazana tanteraka

04/08/2017

Fahombiazana tanteraka ny Kongresim-paritry ny Antoko Tiako I Madagasikara ho an’ny faritra Atsimo Atsinana sy Vatovavy Fitovinany notanterahina tany Manakara, tao amin’ny hotely Mangneva, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Raharaha Mamy Rakotoarivelo Misy zavatra hafenina

04/08/2017

Tsy mbola tonga eny amin’ny polisy hatramin’izao ny valin’ny fizahana natao ny razana na ny “Autopsie” momba ny raharaha nahafaty an’i Mamy Rakotoarivelo.

Hamaky ny tohiny...

Nofo mangatsiakan’I Tsiandopy Jacky Hoentina any Vohémar anio

04/08/2017

Anio zoma no hentina any Antsiranana ny nofo mangatsiakan’i Tsiandopy Jacky Mahaly, izay nodimandry teo amin’ny faha 65 taona, vokatry ny famonoana azy tao an-tranony teny Ivato ny alin’ny lahady 30 jolay teo

Hamaky ny tohiny...

STAR Tour Mahajanga Entina hamalifaliana ny mpanao vakansy

04/08/2017

Anisan’ny tanàna iray tena be mpiala sasatra tokoa rehefa fotoam-pialan-tsasatra lehibe tahaka izao ny ao an-drenivohitr’i Mahajanga.

Hamaky ny tohiny...

ORANGE Solidarité Madagascar 7 taona nanaovana asa sosialy

04/08/2017

Efa fito taona ny nanaovana asa soa teto amintsika ny fikambanana « Orange Solidarité Madagascar » ankehitriny, sampana iray eo anivon’ny orinasam-pifandraisana Orange.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakana mihosin-dra!

04/08/2017

Taorian’ny faty olona tamin’ny fanjanahatany, dia tamin’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity no nisian’ny aina Malagasy maty sy ripaka be indrindra.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanabeazana maha olom-pirenena Hatao taranja manokana

04/08/2017

Laharam-pahamehana ao anatin'ny teti-pivoarana ho an'ny fanabeazana (PSE) ny fametrahana fanabeazana mangarahara ao anaty tontolo mahafinaritra mikendry sy mikolokolo ny ankizy ho tonga olom-pirenena vanona

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Soavinandriana Itasy Fianakaviana 300 mahery no ahiana ho very fivelomana

04/08/2017

Hitrangana ady tany goavana any Soavinandriana, Faritra Itasy amin’izao fotoana izao. Fianakaviana 300 mahery mivelona amina tany 569 ha mantsy no ahiana ho very asa fivelomana.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Antoha Ambilobe Nahitana fatin-dehilahy iray efa tapa-doha

04/08/2017

Taorian’ilay zazavavy kely vao dimy taona monja nisy nanolana dia namono tao Ambilobe dia fatin-dehilahy iray indray no hita tao amin’ny Fokontanin’Antsoha,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana