Fil d'actualités du 16/12/2017

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

  • 15/12/2017 - 20:05 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Mpitondra moto iray nifandona tamin'ny taksibe eny Iavoloha amin'izao ora izao, ka naratra mafy sy atahorana ny ainy, ary efa nalefa eny amin'ny hopitaly.

  • 15/12/2017 - 16:00 : MISS MADAGASCAR: Hotanterahina anio manomboka amin'ny 8 ora alina eny amin'ny Hotely Carlton ny famaranana amin'ny fifidianana ny Miss Madagascar.

  • 15/12/2017 - 15:30 : FIFIDIANANA 2018: Azo tanterahina ao anatin’ny taona 1 ny fitsapakevim-bahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena ary ny solombavam-bahoaka hoy ny solombavam-bahoaka Nome Razaranaina.

  • 15/12/2017 - 15:00 : RALLYE SHELL HELIX: Ndrianja sy Fanja nitondra ny fiara Subaru Impreza N4 no nahatontosa fe potoana haingana indrindra 9minitra sy 21.3sekondra teo amin'ny dingana voalohany ny tolakandro teo Ambohitsiry sy Ankadindravololona.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170805

Misongadina

“Boeing” nivadika teny Ankazobe Efa lany “visite” tamin’ny 2015

05/08/2017

Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tany Ankazobe ny sampan-draharaha momba ny fitsarana ny fiara, ka nisy ny fanazavana natao teny Alarobia omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ravalomanana tao Mananjary Velom-panantenana ny rehetra

05/08/2017

Nihazo an’i Manjary ny Filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana, taorian’ny nahavitan’ny Kongresim-paritry ny Antoko ny antoko Tiako I Madagasikara tao Manakara ny alakamisy teo.

Hamaky ny tohiny...

Politika maloto Vonoina ny olon’ny TIM

05/08/2017

Miisa 4 ireo olon’ny antoko Tiako i Madagasikara no maty na novonoina tamin’ny fomba feno misitery tao anatin’ny volana vitsy.

Hamaky ny tohiny...

Fahapotehan’ny firenena ankehitriny Toy ny tamin’ny ady lehibe faharoa, hoy ny GTL

05/08/2017

Ao anatin’ny firenena 5 mahantra indrindra maneran-tany isika, hoy ny Gasikara Tanindrazana Lovasarobidy na ny GTL izay tarihin’ny filohany Jules Andriamaholison, tetsy amin’ny Radama Hotel Isoraka omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Ambohidahy Ambatonakanga Nohavaozina ny fatsakana

05/08/2017

Tontosa omaly zoma 4 Aogositra 2017 ny fanokanana fotodrafitr’asa fatsakana rano teny amin’ny fokontany Ambohidahy Ambatonakanga.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro Hara-kiasa akaiky ny tetikasa Miary sy ny Meteo

05/08/2017

Manomboka hita taratra mivantana eto amintsika ary misy fiantraikany avy hatrany amin’ny fambolena mihitsy amin’izao fotoana izao ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filohan’ny FIZAFATO Miantso fitoniana ny Zanak’Androy

05/08/2017

Anisan’ny vaovao tena nahoraka teto amintsika tamin’ity herinandro ity ny fifanolanana misy eo amin’ireo samy mpikambana ao anatin’ny FIZAFATO na ny Zanaky ny Faritany Toliara.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tandremo tsy ho marionety

05/08/2017

Mbola tsy afaka an-tsain’ny maro ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Ankazobe tamin’ny fiandohan’ny herinandro, hany ka lasa tsy dia mahasarika ny saina loatra ireo dindona fifandirana lava amin’ny samy foko izay niseho tato ho ato izay.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Bajaj ao Mahajanga Miditra “fourrière” avy hatrany izay tsy ara-dalàna

05/08/2017

Mihamitombo isa hatrany ireo bajaj miasa ao an-drenivohitr’i Mahajanga amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekoly tsy manara-dalàna Manana tapa-bolana hanamboarana taratasy

05/08/2017

Hifarana ny 20 Aogositra ho avy izao, raha araka ny loharanom-baovao azo rehefa naharitra herinandro maromaro ny fe-potoana nomena ireo sekoly tsy miankina tsy manara-dalàna teto an-drenivohitra ka nahazo fampitandremana avy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fampandrosoam-pirenena Mbola lavitra ezaka, hoy ny mpampianatra mpikaroka

05/08/2017

Nanazava ny lohahevitra hoe « Ny Ntaolo, ny sera sy ny fampianarana izany ankehitriny » ny mpampianatra mpikaroka, Jean Jules Harijaona,

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Festival Lampogno Tadiavina mpanao politika hosomparana

05/08/2017

Nampahafantarina tetsy amin’ny tranom-bokim-pirenena etsy Ampefiloha ny alakamisy teo ny fandaharam-potoana mandritry ny andiany faha 10 amin’ny festival Lampogno izay hatao any Antsohihy ny 24 ka hatramin’ny faha 27 aogositra izao.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana “Grossiste” teny Antsobolo Olona iray naratra

05/08/2017

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

ACMIL Antsirabe Namoaka manamboninahitra 78 isa

05/08/2017

Manamboninahitra niisa 78 no navoakan’ny Akademia Miaramila Antsirabe omaly. Mizara ho andiany roa izy ireo dia ny andiny mivantana faha 38 nisalotra ny anarana “Fanjiry”, izay niisa 67 mianadahy ary ny andiany manokana niisa 11 nisalotra ny anarana “Lafatra”.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana