Fil d'actualités du 19/10/2017

  • 19/10/2017 - 10:30 : Distrikan'i Marovoay: Misy ny fizarana vary maimaimpoana ataon'ny tompon'andraiki-panjakana any an-toerana amina kaominina maromaro, ka isan'ny efa nanaovana izany ny kaominina Manaratsandry.

  • 19/10/2017 - 10:15 : BAOLINA KITRA _ Poule des As : Nandresy ny HZAM Alaotra Mangoro tamin'ny isa 1-0 ny CNaPS Sport Itasy tamin'ny lalao natao tany Fianarantsoa.

  • 19/10/2017 - 10:00 : JIRAMA: Vokatry ny fianjeran'ny andrin-jiro noho ny fifofofofon'ny rivotra tamin'iny orana iny no mahatonga ny fahatapahan-jiro matetika, hoy Randrianarison Feno, Tompon'andraikitra ara-tseraseran'ny orinasa.

  • 19/10/2017 - 09:45 : Fandosirana gadra tao Tsiafahy: Lehiben'ny fonja 1 sy mpiandry fonja 3 no efa nanaovana fanadihadiana. Tsy mbola nisy tratra kosa ireo gadra 5 nandositra na efa naparitaka aza ny sariny.

  • 19/10/2017 - 09:30 : MAHAJANGA: Nirehitra halina tokony ho tamin'ny 8 ora ny foibe famokarana herinaratra an'ny orinasa Henri Fraise. Tapaka ny jiro saika manerana ny tanàna satria miantoka ny 50%n'ny famatsiana jiro ao Mahajanga io.

  • 19/10/2017 - 09:15 : FANDOSIRANA GADRA TAO TSIAFAHY: Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra fitsarana amin'ity faran'ny herinandro ity ny raharaha fahavakisan'ny fonja ka nandosiran'ny gadra 5 ny alin'ny 7 aogositra.

  • 19/10/2017 - 09:00 : ANGAREDONA MOZIKA TOUR: Nofoanana sy hahemotra amin'ny fotoana manaraka ity hetsika ara-javakanto karakarain'ny mpanakanto Rajery saika atao eny Ambatomasina Ambohimangarova ny 22 oktobra izao ity noho ny valan'aretina pesta.

  • 19/10/2017 - 08:45 : Oniversiten'i Mahajanga: Isan'ny antony lehibe niteraka korontana ny fivoizana ny resaka fihaviana ankoatra ny tsy fitovian-kevitra amin'ny resaka fitakiana vatsim-pianarana sy ireo zo samihafa.

  • 19/10/2017 - 08:30 : Baolina kitra _Champion's league: Nandresy ny ekipan'ny Anderlecht tamin'ny isa 4-0 ny PSG tamin'ny lalao mandroso halina. Samy namono baolina i Neymar, Mbappé, Cavani ary i Di Maria. Ny 31 oktobra ny lalao miverina.

  • 19/10/2017 - 08:15 : PESTA _ANTONTAN'ISA FARANY: 80 no maty ary 878 ny trangan'aretina hatramin'ny omaly 18 oktobra. Distrika 39 ao anatin'ny faritra 17 no efa ahitana ny pesta.

Voir plus d'infos...

18/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170808

Misongadina

Fifidianana 2018 Raikitra ny « combat »

08/08/2017

Samy mampiseho ny tanjany ireo kandida heverina ho matanjaka amin’ny fifiadianana 2018, ka isan’ny lohalaharana amin’izany i Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina, ary i Hery Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Politique

« Force de changement » Hidina an-dalambe

08/08/2017

Omaly indray vao nipoitra tetsy amin’ny AKFM Andravoahangy ny vovonana politika,

Hamaky ny tohiny...

Julien Radanoara « Zo mahafaty no misy eto »

08/08/2017

Tsy nitsitsy fitenenana ny mpahay diplomasia, Julien Radanoara, omaly, nanatsikafona ireo tsy fihetezan-javatra rehetra misy eto amin’ny firenena na eo amin’ny lafiny lalàna izany, fa indrindra teo amin’ny resaka zon’olombelona

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Miparitaka ny vola sandoka 3 lahy voasambotra tany Sambava

08/08/2017

Iray volana latsaka izay no namoahan’ny fanjakana Malagasy vola vaovao, ka isan’ny mampiavaka azy ny fisian’ny 20 000 Ariary mitambatra. Nambara fa tsy dia ho hita mifamezivezy io vola iray io, fa ireo tena mila ihany no hampiasa azy.

Hamaky ny tohiny...

Lalao SHELL Extra Challenge Lasan-dRazanamahenina Serge ny Suziki Jimny

08/08/2017

Lasan-dRazanamahenina Serge, ilay tovolahy iray 32 taona, nibata ny amboara tamin’ilay lalao dingana manasa-dalana ho an’ Antananarivo notontosaina ny herinandro teo ihany koa ilay fiara Suziki Jimny natolotra ho an’izay mpandresy ho an’ireo mpifaninana telo farany isam-paritra niatrika ny lalao famaranana.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Mampiaka-peo koa ny Silamo “Miala ny Filohampirenena raha hendry”

08/08/2017

Sesilany ny fanakianana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy fitondrana HVM tarihiny. Ireo olom-bitsy mahazo tombotsoa manokana amin’ny fitondrana sisa hany mankasitraka sy miaro fa ny sarambabem-bahoaka efa leo sy tofoka.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Maneno kiririoka sa ….

08/08/2017

Heverina fa hanomboka hisesy amin’izay izany izao ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy hitanjozoran’ireo mikasa ho kandidà filoham-pirenena amin’io taona ho avy io.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fanadihadiana ny loza an-dranomasina eto Madagasikara Hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena

08/08/2017

Nanomboka omaly ary tsy hitsahatra ny hanao atrikasa hijerena izay hahafahana manatsara ny lalàna mifehy ny fanadihadiana ireo loza an-dranomasina eto amintsika etsy amin’ny DLC Anosy hatramin’ny 18 aogositra

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fampinonoan-dreny Mbola mila ezaka i Madagasikara

08/08/2017

Manao ezaka goavana hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao fotoana izao manentana ny Reny Malagasy ny amin’ny tokony hampinonoana tsy misy fangarony ny zaza vao teraka mandrapahatongan’ny faha-enim-bolany.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

“Graphite” ao Brickaville Mbola fikarohana fa tsy fitrandrahana no atao

08/08/2017

“Tsy marina ny filazana fa efa mitrandraka ny ‘graphite’ ao Ambatolampy Savalaina Ambinaninony izahay; mbola fikarohana ny misy ary mbola izay fahazoan-dalana azonay izay no ataonay izao…”,

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Startimes 30.000 ireo mpanjifany eto Madagasikara

08/08/2017

Efa mahatratra hatrany amin’ny 30.000 isa ireo mpanjifan’ny orinasa Startimes eto amintsika amin’izao fotoana izao raha ny 90 %-n’ny faritra 22 no efa voarakotr’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana