Fil d'actualités du 20/01/2018

  • 20/01/2018 - 23:30 : TOVOVAVIKELY TSY HITA: Tovovavy antsoina hoe Koloina Ramandimbisoa, monina eny Andohalo no tsy hita popoka nanomboka androany hariva.

  • 20/01/2018 - 22:00 : ANOSIMASINA ITAOSY: Nitokona indray ny mponina io hariva io noho ny fahatapahan'ny jiro lava reny. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nanara-maso ny mety ho fihoaram-pefy.

  • 20/01/2018 - 16:30 : SUPER COUPE DE MADAGASCAR: Lasan'ny CNAPS Sport ny amboara satria resiny tamin'ny isa 1-0 ny Fosa Juniors raha toa ka 0-0 tamin'ny lalao mandroso.

  • 20/01/2018 - 14:30 : BAOLINA KITRA: Tonga miatrika ny "Super coupe de Madagascar" ny mpanazatra ny Barean'i Madagasikara Nicolas Dupuis.

  • 20/01/2018 - 13:30 : HARRY LAURENT RAHAJASON: Nambarany androany fa olona mpiserasera sy mpikirakira ny tambajotran-tserasera Facebook an' ny Antoko TIM no namoaka ilay resaka milaza fa manapatra fahefana sy manao fanararaotana ara-nofo amin'ny mpiasan'ny minisitera ny tenany.

  • 20/01/2018 - 12:30 : ANDRY RAJOELINA: Tsy manana olana amin'i Marc Ravalomanana aho, hoy izy raha nanontanian'ny gazety iray momba ny mety hiarahan'ny andaniny sy ny ankilany amin'ny fifidianana.

  • 20/01/2018 - 12:00 : FITSARANA AN'I MARC RAVALOMANANA: Tena marina ny filazan'ny filiha teo aloha fa fitsarana tsy mahefa no nitsarana azy, hoy ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala.

  • 20/01/2018 - 11:30 : HAINO AMAN-JERIM-PANJAKANA: Nahazo "emetteurs" vaovao ny any Brickaville sy Vatomandry, ka efa miverina ny fahafahan'ny olona manaraka ny TVM sy RNM.

  • 20/01/2018 - 11:00 : HERINARATRA: Tsy ho fantatry ny mponin'Antananarivo intsony izany delestazy izany satria efa 182Mwh izao no vakirin'ireo milina 3 eny Ambohimanambola, ka ny fahanteran'ny "transformateurs" na ny halatra tariby no mety hiteraka fahatapahana, hoy Rajaonarimampianina.

  • 20/01/2018 - 10:30 : KAOMININA IVATO: Misokatra hatrany ny biraon'ny Fokontany rehetra anio Asabotsy 20 sy ny Alahady 21 Janoary sy ny 27,28 Janoary 2018 ary ny andavanandro mba ahafahan'ny tsirairay manamarina ny anarany anaty lisi-pifidianana.

Voir plus d'infos...

19/01/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180102

Misongadina

Marc Ravalomanana Ketrehana mafy ny hisamborana azy

02/01/2018

Nanamafy omaly alatsinainy nandritra ny lanonana noho ny asaramanitry ny taom-baovao niarahany tamin’ireo fianakaviany, mpiara-miasa akaiky aminy, tapaka sy namana tsy mahafoy azy teny Faravohitra i Marc Ravalomanana fa kandida filoham-pirenena ary tsy hampihemotra azy mihitsy ny fandrahonana atao aminy.Ajoro ihany koa ny Komity manohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR) ary vonona ny tenany hiara-kiasa amin’ny fikambanana na antoko politika manana vina mitovy aminy sy tena vonona amin’ny fanarenana ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Taona 2018 Kihon-dalana ho an’ny tantaram-pirenena

02/01/2018

Migadona ity ny taona 2018, ka dingana lehibe ho an’ny isam-batan’olona ny nahadinganana iny taon-dasa iny, izay somary mafimafy sy nafaitra ho an’ny Malagasy raha ny fiainam-piarahamonina ankapobeny no dinihina. Samy mety nanana ny namaritana azy ihany koa anefa ny isam-batan’olona hoe nitondra fahombiazana ho azy ve iny taona nivalona sy tsy hiverina intsony iny sa ny mifanohitra amin’izany ? Ny irariana kosa anefa dia mba hitondra hery vaovao ho an’ny isam-batan’olona ity taona vaovao ity, fa tsy ny taona ihany no hiova fa mba hivoatra manaraka izay ihany koa ny fiainan’ny Malagasy. Kihon-dàlana lehibe ho an’ny tantaram-pirenena ity taona 2018 ity.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nohampangain’ny vava be nataony

02/01/2018

« Porofoy amiko, fa mahantra ny Malagasy », hoy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tany aloha tany. Fanompana sy fanesoana tsotra izao no nandraisan’ny rehetra izany, kanefa tsy mba nahatsapa tena ho nanana fahadisoana tamin’iny teniny iny ny Filoha Malagasy, ka fady azy izany niala tsiny izany. Izay tokoa angamba ilay hoe ny lehibe tsy mba meloka, araka ny fomba fitenin’ny Malagasy. Raha mbola mila porofo hafa ny fanjakana Rajaonarimampianina dia 97,7% ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny mpampianatra toekarena iray eny amin’ny anjerimanontolo.

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Manomboka ny pi-maso

02/01/2018

Migadona ny taona 2018, ka dia nanao fanambarana mifandraika amin’izany i Andry Rajoelina, Filohan’ny tetezamita teo aloha omaly 01 janoary. Misaotra an’Andriamanitra isika nanome tonon’andro antsika ka nahatrarana izao taona vaovao 2018. Arahabaina samy tra-pamonjena sy nombam-pitahiana, ka indro tratra ity anio ity. Koa tolorako ny arahaba feno firaraiantsoa ny tokantrano rehetra tsy an-kanavaka samy tratra ny asaramanitra, hoy ny Filohan’ny tetezamita teo aloha nandritra ny firariantsoa nataony omaly noho ny fahatrarana ny taona 2018. Indro migadona ary ity taona vaovao ity 2018, handrandraina hitondra fanantenana, ary hantenaintsika ihany koa fa hitondra fahombiazana, hanehoantsika rehetra tsy ankanavaka ny firaisam-po ary indrindra ny firaisan-kiana, hoy izy.

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana, olon’i Afrika 2017 Tandindon’ny fifidianana 2018

02/01/2018

Ny taona 2017 no tapitra hatreo, fa ny fifidianana izay ho olon’i Afrika 2017 na ilay antsoina hoe “ALM Person of the year 2017” karakarain’ny gazety boky African Leadership Magazine kosa mbola mitohy hatrany, ka ny 5 janoary amin’ny 2 ora tolakandro, ora any Centrafrique no hivoaka ny anaran’ireo lohalaharana tamin’ny fifidianana isaky ny sokajy tsirairay. Tsiahivina fa ny tontolon’ny haitarika ara-politika (Polytical Leadership) no misy ny Filoha Malagasy teo aloha Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Raharaha Marc Tatandraza Fanadalana saim-bahoaka fotsiny ?

02/01/2018

Nanomboka ny takarivan’ny alahady 24 desambra no niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera fesiboky ny sarin’ilay mpitarika fivavahana amina fiangonana zandriny Marc Tatandraza, izay nambara fa maty. Tao ny nandray izany ho toz-javatra hatao fihomehezana sy fialam-boly, fa tao kosa no tezitra sy niteny ratsy azy mihitsy aza. Niteraka ady hevitra ity toe-javatra ity, ary maro no nanakiana azy ho mpanadala saim-bahoaka satria ny sary nivoaka, ohatra, dia nifanaingina sy nifamadibadika ny tanany, raha toa ka mahitsy sy tsy mifandray velively ho an’ny maty rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana