Archive du 16/02/2012
16/02/2012
DST (Direction de la Surveillance du Territoire) indray izao no anarana malaza.
16/02/2012
Nanatontosa fivoriambe tetsy amin'ny Mon Gouter Andrefan'Ambohijanahary ny UDR-C omaly.
16/02/2012
Efa herinandro vitsivitsy izao no tsy nisiana Filankevitra intsony, na io ny an’ny governemanta na ny an’ny minisitra.
16/02/2012
«Tsy hitako izay fomba hilazako ny alaheloko noho izao voina mihatra amin’ny firenena sy ny Malagasy izao», hoy i Marc Ravalomanana raha niditra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy atsy Afrika Atsimo nandritra ny hetsiky ny mpomba ny ara-dalàna tao amin’ny Magro Behoririka.
16/02/2012
Nisafidy ny hampianatra aho fa tsy hitokona eny amin’ny oniversite, hoy i Pierre Andrianantenaina mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), satria tsy afaka hanao takalon’aina ny mpianatra.
16/02/2012
Tsy ho tratra ny daty notondroin’ny vondrona iraisam-pirenena, ny 29 febroary izay daty farany tokony hahavitan’ny lalànan’ny amnistia raha izao no fandehany, hoy ny filoha lefitr’i Antsiranana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Tsivàka Raharison Sylvien.
16/02/2012
Noho ny fahatsapana ny fahasahiranan’ny firenena sy ny tsy fivahan’ny krizy araka ny nandrandrain’ny rehetra dia mihetsika indray ry zareo mpikatroka kung fu mivondrona eo anivon’ny ANAWI, izay tarihan’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona.
16/02/2012
Mahatonga saina sy mampanahy ny zava-mitranga eny amin’ny Kaominina Ambohimanga amin’izao fotoana.
16/02/2012
Raha jerena mivantana ety ivelany dia hita fa niasa tokoa ny mpamonjy voina ao Tsaralalàna amin’ireo fanalana ny hazo mety handratra eny amin’ny lalana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza ny 14 febroary 2012 lasa teo.
16/02/2012
Araka ny fanambaran’i Mamy Rakotoarivelo omaly, dia manaiky ny handray anjara amin’ny fanelanelanana ireo ankolafy politika isan-karazany ho amin’ny fikaroham-bahaolana hivoahana amin’ny krizy ireo mpikambana ao amin’ny FFKM.