Archive du 20/02/2012
20/02/2012
Ahiana ho lasa lavitra ny tsindry aloka eo anivon’ny samy mpikambana ao amin’ny governemanta Beriziky miseho lany tato ho ato.
20/02/2012
Fotoam-panokafana fivoriana, ara-potoana na tsy ara-potoana, no mba tazana eny Tsimbazaza ireto andiana CT ireto, dia amin’ny fotoana fandraisam-bola.
20/02/2012
Faritra anisan’ny voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna ny Faritra Atsinanana.
20/02/2012
Nankatoavina ny sabotsy 18 febroary 2012 teny anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita saingy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna fehizoro laharana 003/2012 tamin’ny 25 janoary 2012 mahakasika ny lalàm-pifidianana.
20/02/2012
Mafana sy mitohy hatrany ny hetsika ao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 18 febroary lasa teo.
20/02/2012
Ny tsy fisian’ny drafitra mazava hampiharana azy no mahasarotra ny fanatanterahana ny tondrozotra, araka ny fahitan’i Manantsoa Victor azy.
20/02/2012
Efa tsy fisiana fanjakana intsony ny zava-misy ankehitriny eto amin'ny firenena.
20/02/2012
Rahampitso talata 21 febroary no hotontosaina ny fifidianana izay ho solontenan’ny mpitsara ao amin’ny CENI.
20/02/2012
Rehefa tsy hanao ny governemanta dia aleo hataon’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, hoy ny CT Mamitiana Ravelonanosy manoloana ny firaikiraiken’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny famolavolana ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka faobe.
20/02/2012
Nanamafy ny praiminisitra Omer Beriziky ny sabotsy lasa teo fa nisy tokoa ny fanitsahana ny andraikitry ny minisitry ny atitany, nataon’ny minisitry ny fanapariaham-pahefana tamin’ny fanesorana ireo Ben’ny tanàna efatra tany Sofia ka nametrahana PDS.
20/02/2012
Tao anatin’ny lanonana fifampiaharahabana nahatratra ny taona 2012 teny Androhibe ny sabotsy teo no nanambaran’ny filohan’ny vehivavy TIM Boriborintany faha-V, Rtoa Rasendramiadana Clarisse, fa iray ihany ny Tiako i Madagasikara.
20/02/2012
20/02/2012
Tamin’ny fivoriana izay nataony ny zoma 27 janoary 2012 no nanambaran’ny «Collectif des Professeurs et Professeurs Titulaires des Universités de Madagascar» fa latsaka an-katerena lalina ny firenena.
20/02/2012
Tena maika ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ho an’ny VAMI na ny Vahoaka Miray hahafahana manavotra haingana ny firenena.
20/02/2012
Manomboka mampiaka-peo ny mponina eny Ambohimangakely eny amin’ny fitarazohan’ny asa fanarenana ny tetezana izay nihotsaka vokatry ny ranobe nentin’ny rivodoza Giovanna farany teo.
20/02/2012
Toerana efa tsy laitra fa anisan’ny ahitana fitohanan’ny fifamoivoizana izay tsy izy ary saika mandava-taona mihitsy (tahaka ireo marobe eto an-drenivohitra) ny miala eny Mandroseza mandalo an’Ambanidia mandra-pahatonga aty amin’ny “route cirlulaire” Ankorahotra iny.
20/02/2012
Misy amin’ireo zanaka mpanankarena na koa mpitondra ambony no mihetraketraka.
20/02/2012
Dimy volana taorian’ny nanasoniavana azy dia manomboka mitombo isa ireo olona, vondron’olona, fikambanana ary antoko politika milaza fa tsy vahaolana amin’ny famahana ny krizy ny tondrozotra, ka ilaina indray ny hanatanterahana fifampidinihana iray goavana eo amin’ny samy Malagasy.