Archive du 22/02/2012
22/02/2012
Resabe nandritra ny filankevitry ny governemanta notanterahina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny mikasika ilay fanendrena PDS tamina Kaominina efatra tany amin’ny Distrikan’Antsohihy.
22/02/2012
Tontosa tamim-pilaminana tao amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary omaly ny fifidianana izay ho solontenan’ny Acces Zon’olombelona ho mpikambana eo anivon’ny Birao mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI.
22/02/2012
Mazava be, hoy ny CT Rakotoarisoa Falihery fa amin’izao voina mihatra amin’ny firenena izao noho ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna teo dia miaraka ory amin’ireo rehetra niharam-boina sy ny Malagasy tsy vakivolo izahay avy amin’ny antoko TGV.
22/02/2012
Hajo Andrianainarivelo, praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana, Pierrot Rajaonarivelo, minisitry ny raharaham-bahiny ary Ramanantsoa Benjamina Ramarcel, minisitry ny fitaterana.
22/02/2012
Antomotra ny datin’ny 29 febroary, daty voatondron’ny Troika ary nifanarahan’ireo solontena Malagasy tany Pretoria fa hahavitan’ny lalàna momba ny famotsoran-keloka hisian’ny fitoniana eto.
22/02/2012
Tsy mbola tena milamina ihany ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony eto amintsika hatramin’izao, ary ahiana foana ny hisian’ny fitokonana sy fitakiana hampitarazoka ny fampianarana.
22/02/2012
Tafaverina an-tanindrazana rehefa avy nivahiny nandritra ny 20 andro tany Etazonia (Washington, New Mexico, Nouvel Orléan ary Miami) ny CT Ralaiseheno Guy Maxime, araka fanasan’ny governemanta amerikanina azy amin’ilay programa IVLP (International Visitor Leadership).
22/02/2012
Taorian’ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fiandohan’ity taona ity dia manomboka mitana ny sain’ny maro amin’izao fotoana ny mety hiakaran’ny vidin’ny solika sy ny jiro sy rano, izay samy iankinan’ny toekarena sy ny fiainana andavanandro.
22/02/2012
Mandeha sady ezahina aely ny feo, hoy i Zafilahy Stanilas raha nihaona tamin’ireo mpandala ny ara-dalàna tao amin’i Magro Behoririka omaly fa tsy ho tratra ny datin’ny 29 febroary amin’ny fametrahana ny fepetra sy lalàna hisian’ny fitoniana sy ny famafan-keloka faobe.
22/02/2012
Asa ry Jean izay fahamarinany fa ny reko dia manomboka mihidy ny “robinet”-n’ny Banky Foibe noho ny fitokonana ataon’ireo mpiasa ao.
22/02/2012
Mbola namerina indray Rakotozafy Martin, filohan’ny Antenimieran’ny varotra Antananarivo fa mankato ny fametrahana ny komity manokana hisahana ny fikarakarana ny fifidianana ny birao vaovao araka izay najoron’ny ministeran’ny varotra tamin’ny alalan’ny didim-panjakana.
22/02/2012
Tsy mbola milamina ny fiarahamonina eo anivon’ny Banky Foiben’i Madagasikara vokatry ny fanalana amin’ny toerany ny Governora Rasamoely Frédéric.
22/02/2012
Manomboka miverina ny famatsiam-bola iraisam-pirenena hatramin’ny nisian’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita.
22/02/2012
Tantara tsy mety vita ny ao amin’ny BCM na ny Banky Foiben’i Madagasikara. Taorian’ny fitokonan’ny mpiasa noho ny tsy faneken’izy ireo ny fanesorana tsy ara-dalàna ny governora sy ny fanendrena tsy araka ny lalàna ny olona hisolo toerana azy vonjimaika, dia tonga ny valin-kafatra avy any amin’ny ministeran’ny vola sy ny tetibola.