Archive du 06/03/2012
06/03/2012
Tsy dia metimety loatra amin’ny miaramila ilay hoe tataovan-ketra tahaka ny an’ny mpiasa ara-dalàna rehetra, ny (tambina)karaman’izy ireo.
06/03/2012
Andrasan'ny maro ny zavatra hateraky ny fakan-kevitra ataon'ny FFKM, izay efa maro mpiantso loatra mba hanelanelanana amin'izay, satria hita ho mitarazoka ny fomba fiasan'ny mpanelanelana mahazatra.
06/03/2012
Hodinihana fanindroany mandritra ny filankevitry ny governemanta amin'ity anio ity ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka sy ny fananganana ilay Komitim-pirenena momba ny fampihavanana.
06/03/2012
Mikatso ny fampiharana ny tondrozotra. Maro amin’ireo andininy voalaza ao anatiny no tsy mbola misy tokotaniny ny fanatanterahana azy na dia efa nisy aza ny fe-potoana napetraka.
06/03/2012
06/03/2012
Saro-piaro amin’ny tondrozotra ny zanak’i Dada. Lavin’izy ireo, araka izany, izay tetika mety hanakantsakanana ny fampiharana azy, indrindra fa hoe handravana ka hanoloana sori-dalana hafa indray.
06/03/2012
Nilamindamina tsy tahaka ny tamin’ny alakamisy lasa teo aho ry Jean omaly alatsinainy â !
06/03/2012
“Toa tsy misy fiovana ny raharaha fitantanana ny tanàna na efa niova aza ny mpitantana ny Kaominina”.
06/03/2012
Nihazo ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony eny Fiadanana ny solontenan’ny mpianatry ny oniversitem-panjakana eto an-drenivohitra omaly.
06/03/2012
Taorian’ny fanamarihana miendrika ahiahy nataon’ny SMM (Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara) tamin’ny nahazoan’i Jao Jean fahafahana vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, nefa voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona tany Antsohihy tamin’ny paka 2011, dia nivoaka tamin’ny fahanginany koa ireo Olobe avy any Antsohihy.