Archive du 07/03/2012
07/03/2012
Miditra amin’ny andro fahatelo amin’ity anio ity ny hetsik’ireo manamboninahitra lefitra, mitaky ny hanafoanana ny tataon-ketra alaina amin’ny tambin-karaman’izy ireo.
07/03/2012
Mikatso ny raharaham-pirenena ankehitriny. Samy manana ny fahitany izany ny rehetra. Anisan’ireny ny Dr Rakotomalala Hary izay manaraka akaiky ny raharaham-pirenena amin’ny maha olom-pirenena feno azy. Nisy ny resaka nifanaovanay taminy.
07/03/2012
Malemy tanteraka ny fitondrana tetezamita manoloana ireo fitakiana sy fitokonana miseho lany etsy sy eroa.
07/03/2012
Manoloana ny fitakian’ny manamboninahitra lefitra, izay efa manana endrika fikomiana, eo anatrehan’ny fiakaran’ny solika sy ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny, ampian’ireo grevy sy fitakiana etsy sy eroa, dia mangina tanteraka tsy naharenesam-peo mihitsy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, na dia mamonjy birao isan’andro eny an-dapa ihany aza.
07/03/2012
Fiantsoana hiatrika fitsarana avy hatrany no niandry an’ny Profesora Ranjeva Raymond taorian’ny nizarany sy ny Firohotan’ny Olom-pirenena ho an’ny fifampihavanana na CCC tarihiny ho fanta-bahoaka ny fandinihana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena sy ny alaolana amin’izao krizy mandrendrika ny firenena ary mila hampitolefika ny Malagasy 20 tapitrisa izao, ka nilazany fa “vitantsika ny mamaha ny olana, ny mandresy ny firaviravian-tanana sy ny famoizampo”.
07/03/2012
Rehefa natao ny fandinihana ny zava-misy tato ho ato izay, dia hita fa ankolafy roa ihany sisa, dia ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina no mbola manaraka sy mampihatra ny tondrozotra nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011.
07/03/2012
Niatrika fivoriana voalohany omaly ireo mpikambana voatendry ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ato anatin’ny tetezamita CENIT.
07/03/2012
Voasoroka ihany ny fikasana hitokona ho an’ireo mpiasan’ny Kaominina Toamasina, noho ny fampidiran’ny PDS Toalina Razafindrabary azy ireo ho tale sy mpitantana vaovao eo anivon’ny Kaominina.
07/03/2012
Raha nandrasana omaly dia mihemotra amin’ny zoma izao ny valin’ny fitorian’ny mpiasan’ny Banky Foibe teny amin’ny filankevi-panjakana ny fanapahan-kevitry ny Tale jeneraly izay nanery ireo mpiasa nitokona hiverina hiasa avy hatrany.
07/03/2012
Trangan-javatra mpiseho matetika tao ho ao teto an-drenivohitra ny fahitana olona tsotra mivazavaza samirery ary mafy dia mafy eny an-dalambe.
07/03/2012
Eny rehetra eny dia mandeha ny adihevitra. Mifampanontany ny olon-tsotra hoe mbola mahita tory ihany ve amin’ny alina, ny filohan’ny tetezamita sy ireo manampahefana tena akaiky azy, ka namboly ny krizy tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana, telo taona lasa izay ?