Archive du 08/03/2012
08/03/2012
Mazoto tonga eto Madagasikara indray ireo fikambanana iraisam-pirenena isan-karazany.
08/03/2012
Nihaona tamin’ireo iraky ny OIF tetsy amin’ny Carlton ireo vondrona nanao sonia ny sori-dalana omaly.
08/03/2012
Niavaka omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny fahatongavan’ny mpitolona avy any Antsirabe sady solontenan’ireo vahoaka niambina ny fianakavian’i Tojo Ravalomanana tany Manjakatompo.
08/03/2012
Ny CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona André no tazana nivezivezy tetsy sy teroa nikaroka ny vahaolana tamin’ny fitakian’ny manamboninahitra lefitra, amin’ny hanafoanana ilay tataon-ketra amin’ny tambin-karaman’izy ireo.
08/03/2012
Izahay tantsaha no nofantsihana tamin’ireny vary nolazaina fa ho 500 ariary ireny ny kilao fony teny an-kianjan’ny 13 mey.
08/03/2012
Hankalaza ny andro iraisam-pirenena hoan’ny vehivavy toy ny any amin’ny firenen-drehetra manamarika izany anio 8 martsa ny andriambavilanitra Malagasy. Raha ny fantatra sy heno dia samy hiseho amin’ny maha-izy azy avy izy ireo amin’izany.
08/03/2012
Samy manana ny fomba entiny hankalazana ny andron’ny vehivavy ny mponina ao Antsirabe ny andron’ny 08 martsa, anio.
08/03/2012
“Tsy nahitana fahatapahana fampianarana ny tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga sy Toamasina…”, teny nambaran’ny minisitry ny fampianarana ambony, Razafindrainibe Etienne izany taorian’ny fihaonana nataony tamin’ireo filohan’ny oniversite manerana ny nosy farany teo.
08/03/2012
Tsy misy afa-tsy ny fifamelana no antoka lehibe indrindra hivoahan’ny firenena amin’izao fahasahiranana mitranga izao.
08/03/2012
Raha nisy zavara tena nalaza sy nahoraka tato anatin’izao tetezamita izao, dia ny resaka fitakiana sy fitokonana ary mifototra amin’ny tombontsoa ara-bola daholo izy ireny raha akapoka iray.