Archive du 12/03/2012
12/03/2012
Nafanafana ny fanehoan-kevitra nandritra ny hetsika nataon’ireo mpandala ny ara-dalàna sy mpomba ny filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny kianjan’i Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 10 martsa teo.
12/03/2012
Manomboka mivoaka indray ny siosion-dresaka amin'izao fotoana fa mety hamindra fahefana amin'ny miaramila i Andry Nirina Rajoelina any ho any amin'ny volana mey any.
12/03/2012
Saro-piaro amin’ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha-16, 17, ary faha-20 ny FOKOTIM, na ireo mpikambana ao amin’ny Tiako i Madagasikara eny anivon’ny Fokontany, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra.
12/03/2012
Vita hatreo ny fandanian’andro sy ny fandrirarirana amin’ny fandinihana ity resaka famotsoran-keloka ity, fa dia tsy maintsy hirosoana izy io manomboka izao.
12/03/2012
Efa tsapa hatrany am-boalohany fa hafahafa be ihany ny fomba fiasa ao anatin'ny governemanta Beriziky noho ny fisian'ny fifanandrinana ara-poto-kevitra eo amin'ny samy minisitra.
12/03/2012
Nanantotosa fihaonambem-paritra tao Antsirabe ny sabotsy 10 martsa lasa teo ny fianakaviamben’ny Grad Iloafo tao amin’ny Faritra Vakinakaratra, notarihin’ny CT Rasolofondramananjatovo Berto, mpandrindram-paritra ao Vakinankaratra notronin’ny filoha nasionalin’ity fikambanana ity dia ny Pr Randriamarolaza Louis.
12/03/2012
Tapa-bolana aty aorian’ireo niparitahan’ny etona “dioxide de soufre” avy ao Ambatovy Tanandava ka nahasempotra olona 53, dia mandeha ny resaka ao Toamasina izao fa nisy ny maty vokatr’io.
12/03/2012
Efa tonga saina avokoa ny olona rehetra ankehitriny amin’ny tsy mahatafavoaka antsika amin’ity olana mianjady eto amin’ny firenena ity, hoy i Henri Lecacheur filohan’ny antoko PFM, fa ny resaka rafitra no tena olana.
12/03/2012
Fahombiazana ! Izay no azo amintinana ny fanombohan'ny fitetezam-paritra nataon'ny hetsika Masoandro Maraina, tarihan'ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, ny faran’ny herinandro teo.
12/03/2012
Mandà ny hiara-miasa amin’ny PDS Sileny Alban ireo mpiasa mitokona miisa 62, ao amin’ny Kaominina Manakara.
12/03/2012
Toa lasa mirona amin’ny fikaramana an’ady ny vehivavy manao politika amin’izao fotoana izao, hoy Rtoa Rasoaniaina Malalatiana mpandrindra ny fikambanana Vehivavy Mfm eto amin’ny Faritr’Analamanga.
12/03/2012
Hafa noho ny fanaony ny hetsiky ny Rodoben’i Toamasina ny sabotsy 10 martsa teo. Raha vaovao mikasika ny raharaham-pirenena no nandrasan’ny mpitolona, dia tsy izay no reny fa fifanasana vangy.
12/03/2012
Arahabaina aloha ry Jean fa tsy mba anisan’ny voatora-bato isika tamin’ilay andro zoma nalaza iny â !
12/03/2012
Hotanterahina anio tolakandro, mandritra ny lanonam-pitsarana hatao ao amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fianianan’ireo mpikambana voatendry handrafitra ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na ny CENIT.
12/03/2012
Nanampatra fahefana ity Jeneraly iray, lehiben’ny mpitandro filaminana, nandritra ny fandalovany tao Antsirabe ny sabotsy 10 martsa lasa teo.
12/03/2012
Asa indray izay hambaran'ny SADC tarihan'i Marius Fransman, izay hitoetra andro vitsivitsy eto amintsika.