Archive du 16/03/2012
16/03/2012
Amnistia ! Io no ambentin-dresaka amin’ny haino aman-jery sy an-gazety tato ho ato ary mibahana amin’ny adihevitry ny mpanao politika, eny fa ny olom-pirenena tsotra koa aza.
16/03/2012
Teknisianina manampahaizana momba ny lalàna avy amin’ny ministeran’ny fitsarana sy ny fiadidiana ny praiminisitra no ekipa miara-mamolavola ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka.
16/03/2012
Saika niverina ombieny ombieny isaky ny fanehoan-kevitry ny Jeneraly Rasolosoa Dolin filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, tao anatin’ny resadresaka fohy nifanaovan’ny Gazety Tia Tanindrazana taminy tetsy Anosikely, ny hoe : «vahoaka mijaly » ao anatin’izao fitondrana tetezamita sy ny krizy izao. Ampy izay ny fifampisintomana, hoy izy, fa efa tena fadiranovana ny vahoaka.
16/03/2012
Mitohy hatrany ny hetsika Masoandro Maraina tarihan'ny Maitre Avoko.
16/03/2012
Raharaha iray anisan’ny mitana ny sain’ny maro ny fitsarana ny raharaha BANI amin’ny alatsinainy 19 martsa ho avy io.
16/03/2012
Hifantoka etsy Anosy indray ny sain’ny mpanara-baovao amin’ity zoma ity, satria araka ny fandaharam-potoana dia anio 16 martsa 2012 no hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoha hitarika ny SMM na Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara.
16/03/2012
“Dia gaga elah” ! Izany indray izao ry Jean no teny malazalaza sy tsy afaka am-bavan’ny olona aty aminay aty â !
16/03/2012
Misy fiantraikany goavana amin’ny sehatry ny fanabeazana ny krizy politika nanomboka tamin’ny taona 2009.
16/03/2012
Grevy ! Io no mampalaza ny oniversite eto Madagasikara. Mitokona ny mpampianatra fa mitaky ny hampiharana ireo didim-panjakana efa neken’izao fitondrana tetezamita izao ihany, tamin’ny oktobra 2009.
16/03/2012
Fa ahoana marina ary ny fomba fiasa ao amin’ny governemanta ao ?