Archive du 05/04/2012
05/04/2012
Maro an’isa eny amin’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ny olon’ny antoko TGV sy ny UDR-C manohana an’i Andry Rajoelina, koa azo antoka fa hampiasa ny heriny sy izay hamaroan'isa izay izy ireo amin’ny adihevitra momba ny famotsoran-keloka sy ny fandaniana azy.
05/04/2012
Anio no hamantarana na hiala tanteraka na tsia ao anatin’izao tetezamita izao ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Leriva Manahirana.
05/04/2012
Iniana afafy an-gazety sy etsy sy eroa mba hiteraka fifangaroan-kevitra sy fitohizan’ny fanalam-baraka ny mikasika ny didim-pitsarana momba ny «raharaha BANI» nivoaka ny 21 martsa 2012 teo, taorian’ny Fitsarana ady heloka bevava nanomboka ny 19 martsa 2012.
05/04/2012
Hita nivalampatra tao amin’ny trano fonenan’izy ireo teny Andohan’i Mandroseza omaly maraina ny vatana mangatsiakan’ny jeneraly Ramananarivo Claude sy ny vadiny ary tovovavy iray, 16 taona, taizan’izy ireo.
05/04/2012
Naseho ho fantatr’ireo namany ireo mpikambana efatra vao notendrena ho ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita hisolo ny sasantsasany teo aloha.
05/04/2012
Atahorana ny hikatsoan’ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra amin’ity andro alakamisy ity.
05/04/2012
05/04/2012
Anio izany ry Jean no hamantarana na hiverina aminareo samirery indray ny fitantanana ity firenena ity na hijanona hoe mbola iarahana amin’ny ankolafy hafa.
05/04/2012
Fivoriana iray goavana no hitranga eny Mahazoarivo anio satria dia hihaona voalohany amin’ny praiminisitra ireo mpiara-miasa ara-teknika sy mamatsy vola antsika, miaraka amin’ireo masoivoho vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa eto Madagasikara.